FIANGONAN’ANDRIAMANITRA
MIRAY
FIAMI
UCG
MADAGASCAR
FARITRA
AFRIKA ATSINANANA
FANDALINANA SORATRA MASINA FSM
SAMPAN-DRAHARAHA FANABEAZANA
INONA
NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?
FIANGONAN’ANDRIAMANITRA
MIRAY
FIAMI
UCG MADAGASCAR
FARITRA AFRIKA ATSINANANA
FANDALINANA SORATRA
MASINA
SAMPAN-DRAHARAHA FANABEAZANA
INONA NY FANJAKAN’
ANDRIAMANITRA ?
« Ary rehefa voasambotra
Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra »
(Marka 1:14) « ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra;
mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Marka 1:15)
« Ary Andriamanitra nanao
hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika;
ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina
sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na
mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:26)
« Ary nahita seza
fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana
hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana
an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo
anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo
amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka
tamin'i Kristy arivo taona. » (Apokalypsy 20:4)
« Ary efa nataonao
fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany
izy. » (Apokalypsy 5:10)
Noforonina
hanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy ny olombelona!
TENY FANOLORANA
« Mahazoa Fahendrena, Mahazoa Fahalalana; Fa Aza Hadinoina Na
Ihemorana Ny Teny Aloaky Ny Vavako. » (Ohabolana 4:5)
« Tsy Tsara Raha Tsy Manam-Pahalalana Ny Fanahy; Ary Izay Miezaka
Mosalahy Dia Ho Diso Lalana. » (Ohabolana 19:2)
Ny fandraiketanao an-tsaina
izay rehetra voarakitra amin’ity boky ity dia ho tombo-pahalalana ho anao
amin’ny Fanjakana, nomanin’i Jehovah ho lovainao miaraka amin’i Jesosy Kristy
rahatrizay.
« Ringana Ny Oloko Noho Ny Tsi-Fisian'ny Fahalalana. Satria Ianao Efa
Nandà Ny Fahalalana, Dia Mba Holaviko Kosa Tsy Ho Mpisoroko Intsony; Ary Efa
Nanadino Ny Lalan'Andriamanitrao Ianao, Ka Dia Mba Hohadinoiko Kosa Ny
Zanakao. » (Hosea 4:6)
FIANGONAN’ANDRIAMANITRA
MIRAY (FIAMI)
UCG MADAGASCAR
FARITRA AFRIKA ATSINANANA
Fitoriana ny Filazantsara
Fikatsahana ny Fanjakan'Andriamanitra
Fanomanana ny Ankohonan'Andriamanitra
Asa
Fanompoana
INONA NY
FANJAKAN’
ANDRIAMANITRA ?
Inona marina ilay Fanjakan’Andriamanitra notorin’i Kristy? –
Dia rahoviana izany no haorina eto an-tany? Ny fiangonana maneran-tany ve
izany? Ny fanjakana arivo taona ve izany? Ao ampon’ny olona rehetra ve no hita izany sa tsorina fotsiny hoe izay
rehetra “tsara ao anatin’ny tsirairay”?
Ireo hevitra ireo no inoan’ny olona an-tapitrisany, nefa fahadisoana avokoa
izany rehetra izany! Miteraka fifanjevoana sy tsy fifanarahana amin’ny tsy
antony izany. Inty ary ny fanazavana tsotra atolotry ny Baiboly.
Loholona RAKOTONDRAVONY
Daniel
UCG
MADAGASCAR
FARITRA
AFRIKA ATSINANANA
Edition
Août 2019
INONA NY
FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ?
FIZAHANA PEJY
FAMPIDIRANA
Nirahin’Andriamanitra teto an-tany Jesosy Kristy, hitory
ny fanjakan’ Andriamanitra ary hampianatra sy hamonjy ny olombelona
amin’ny fahotany.
Nampinatra: Jaona 3:3, 8: 3 « Tsy maintsy ateraka* indray ny olona, vao
mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy any
ambony] » 8 « Ny rivotra
mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany
na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. »
Namonjy: Jaona 6:54: « Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako
no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. »
Jaona 13:15: « Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo
araka izay nataoko taminareo. »
Ireto teny ireto no
mampahatsiaro ny nanirahina Azy hitory ny Fanjakan’ Andriamanitra.
ð Marka 1:1: Ny niandohan'ny
filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra. Marka 1:14-15:
« Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny
filazantsaran'Andriamanitra », « ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana,
ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny
filazantsara. »
ð Lio. 4:43: « Fa hoy Izy
taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no
nanirahana Ahy. » Lio. 8:1: « Ary taoriana kelin'izany, dia lasa
Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny
fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy. »
ð Lio. 9:1: « Ary Jesosy
niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana
hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina. » Lio. 9:2: « Ary
Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny
marary. » Lio. 10:1: « Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia
fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny
tany rehetra izay efa halehany. »
ð Asa 1:3: Rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesosy dia «
niseho tamin’ny mpianany tamin'ny famantarana maro fa velona Izy, ka niseho
taminy efa-polo andro ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » Marka
16:15-16: « Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao
ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra. Izay
mino sy atao batisa no ho vonjena; fa izay tsy mino kosa no hohelohina. »
ð « Ary
izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako
izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; » (Marka 16:17)
« handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy
hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana
ireny » (Marka 16:18).
èFanamarihana: Izay mino ny
fanjakan’Andriamanitra sy
mibebaka ary atao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy no hovonjena
hiditra ao sy handova izany
fanjakana izany!
Tsy izay mino fotsiny hoe
Jesosy no Zanak’Andriamanitra, Mpamonjy ny olombelona, na hoe iray ihany no
Andriamanitra! Fantaro fa ny devoly koa mino izany, ary dia mangovitra izy:
« Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao
izany, - ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. » (Jak. 2:19).
Ohatra: « Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory
izahay sy Hianao, ry Zanak'Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay
alohan'ny fotoana? » (Matio 8:29)
Fehin’izany: Ny olona mino ny Fanjakan’Andriamanitra sy mibebaka
amin’ny fahotany ary manaiky hateraky ny rano sy ny Fanahy (atao batisa) no
hatsangan’i Jesosy Kristy hanana fiainana mandrakizay amin’ny andro farany, ary
hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy handova izany miaraka amin’i
Kristy.
INONA NO ATAO
HOE FILAZANTSARA?
Jesosy
nilaza hoe: « Efa tonga ny fotoana,
ka efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny
Filazantsara. » (Marka 1:15).
Fa inona ilay Filazantsara?
Ny ankamaroan’ny olona tsy dia mihevitra an’io resaka
io mihitsy. Ny fahamarinan’ny Filazantsara dia voafina amin’ny masom-panahin’ny
ankamaroan’ireo milaza ho Kristiana. Hatramin’ny taonjato voalohany, dia nisy
teti-dratsy hamitahana ny lovatsofina Kristiana mikasika ny atao hoe
Filazantsara. Na dia mampikorontan-tsaina aza io fanambarana io, dia izany
indrindra anefa no niseho.
Mino ny ankamaroan’ny olona fa ny Filazantsara dia
miresaka ny tenan’i Kristy. Tsy mahagaga mihitsy izany satria lehibe ny anjara
asan’ny Kristy, nefa dia tsy Izy akory no ilay Filazantsara. Ny Baiboly mampiseho
fa tsy afa-misaraka amin’ny Filazantsara i Jesosy Kristy.
Ny
olona sasany mitory « Filazantsaram-pamonjena », na « Filazantsaran’ny
famelan-keloka ». Ny hafa kosa mino « Filazantsaram-pahagagana », na «
Filazantsara sosialy », na « Filazantsaran-tsakafo », na « fanasitranana », na
« finoana ».
Izany
rehetra izany dia hevitr’olona ihany izay tsy hita ao anaty Baiboly. Famantarana manaraka izay mino ireo, na dingam-pamonjena
fa tsy Filazantsara akory! (Marka 16:17-18).
Mariho anie izay lazain’ny Lioka: « Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesosy
nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny Filazantsaran'ny
Fanjakan’Andriamanitra, ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy. »
(Lio. 8:1). Io Filazantsara io no notoriny. Araka izany no nilazany hoe:
« … mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara. » (Marka 1:15).
Filazantsara inona? Ilay
amin’ny FANJAKAN’ANDRIAMA-NITRA. Arak’izany koa ny Marka 1:1 hoe: « Ny
niandohan’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy ». Ny Filazantsaran’i Jesosy
Kristy dia miresaka ny FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ary tsy misy hafa! Tokony hino
sy hahazo io Filazantsara io isika raha te ho voavonjy. Tsy mila hosoka na
solony.
Ny Filazantsaran’i Jesosy
Kristy dia manazava ny fizotry ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny zava-boahary
rehetra sy ny fomba hametrahan’Andriamanitra ny Fanjakany eto an-tany. Amin’io
no hampianarany ny fomba hahatongavantsika ho zanak’Andriamanitra,
miara-manjaka amin’i Jesosy Kristy, mandova ny Fanjakany mandrakizay amin’ny
zavatra rehetra noforoniny. (Marka 1:14-15; 16:15-16; Matio 25:34)
« Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany
Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra » (Marka 1:14)
« ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny
fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Marka
1:15)
« [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao
tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona
rehetra] » (Marka 16:15) « [Izay mino* sy atao batisa no hovonjena;
fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Marka 16:16) (*Mino ny filazantsaran’ny
Fanjakan’Andriamanitra).
« Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza
amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko,
mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo
izao; » (Matio 25:34)
Fanamarihana:
Ny fikasan’Andriamanitra hanome fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona dia
efa hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao. Noho izany, ny tanjon’ny
famoronana ny olombelona dia ny hahatonga azy ho zanak’Andriamanitra manana
fiainana mandrakizay sy miara-manjaka aminy. (Apokalypsy 21:3)
« Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza
fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny
olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no
hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » (Apokalypsy 21:3)
Ny Fotoam-pivavahana
voatendrin’i Jehovah no mampianatra ny Planin’Andriamanitra hahatongavana
amin’izany Fanjakany izany, satria mirakitra ny dingam-pamonjena rehetra (“fa
ny tenany dia an’i Kristy”; Kol. 2:16-17). Naverin’i Jehovah in-telo ny fandidiana fiantsoana
fivoriana masina amin’ny fotoany avy amin’ireo fotoam-pivavahana notendreny
ireo:
[Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny
fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah] « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Lev.
23:1, 2, 4, 37)
ü « Mitenena
amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah,
izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy. » (Lev. 23:2)
ü « Izao
no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo
amin'ny fotoany avy. » (Lev. 23:4)
ü « Ireo
no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina
… samy amin'ny fotoany avy izy rehetra, » (Lev. 23:37).
Zava-dehibe izany satria i
Jehovah no manamasina ny andro firavoravoana ary mandidy azy ireo ho lalàna
mandrakizay, araka ny nanolorany azy ireo tamin'i Mosesy, hotehirizin'ny
zanak'Israely mandritra ny taranaka rehetra mifandimby, ary avy eo dia
ampitaina amintsika, ny kristiana ny Testamenta Vaovao. « Ary izany andro izany dia ho
fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i
Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho
andro firavoravoana, ho Lalàna mandrakizay. » (Eks. 12:14)
INONA NO TANJON’NY TENA KRISTIANA?
Mety
ho vofitaka ve ianao? Saika ny olona rehetra milaza ho Kristiana no mino fa
raha vao maty izy dia miakatra any an-danitra ny fanahiny, tsy hanao na inona
na inona, fa « hihantona » na hidonana-poana any fotsiny mandrakizay!
Ny fanambarana toy izany,
izay tena mivaona tanteraka, dia mahatonga anao hihevitra fa ny kristianisma
dia hevitra tsy matotra ary tsy mandaitra ary tsy marina. Ny fomba fijery tsy
voafaritra toy izany momba ny ho avy dia manakana ny olona tsy hanaparitaka
fitiavana an'Andriamanitra, eny fa na dia eo amin'ny mpino tsotra aza.
Na inona na inona miseho,
ireo hevitra ireo dia tena diso tanteraka.
Tsarovy fa ny hany
loharanon-kevitra azo itokisana momba ny ho avin’ny Kristiana dia tsy misy
afa-tsy ny Baiboly. Andriamanitra no ilay mpiadidy izay nanome ny Baiboly
antsika, ary efa tanteraka ny
faminaniany, mandraka ankehitriny! Tsy mampianatra mihitsy ny Baiboly fa
"ny fanahin'ny maty dia mandeha any amin'ny toerana rehetra na miantona
eny an-danitra." Ny eritreritra toy izany dia mamorona sary diso momba ny zavatra notorin'i Jesosy
Kristy, ary ny sary diso amin'ny tena "fiantsoana" ho an'ny
Kristiana: manafina ny tena tanjon'ny
kristianisma izany!
Tonga mba hitory ny "Filazantsaran'ny
fanjakan'Andriamanitra" i Jesoa Kristy (Marka 1:14). Indraindray ity
Evanjely ity dia antsoina hoe "Fanjakan'ny lanitra", indrindra ao
amin'ny Matio; na izany aza dia tsy midika akory izany fa ny "fanjakana
dia any an-danitra." Ny lanitra dia misy ny seza fiandrianan'Andriamanitra,
ary avy ao Izy no manjaka amin'ny zavatra rehetra! Ity no voasoratra ao amin'ny Salamo 115: 16: « Ny lanitra dia an'i Jehovah: fa ny
tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona. »
Ny
Kristiana tany am-boalohany dia nazava tsara tamin'ny hevitra, satria voalaza
ao amin'ny bokin'ny Asa sy ny Epistily rehetra. Na izany aza, maro ny Kristiana
tany am-boalohany no nanantena fa handroaka ireo mpanjanaka romana i Jesosy
Kristy ary hanangana ny "Fanjakany" na ny governemantany. Na izany aza dia nolazain'i Jesosy mazava fa mbola
tsy tonga ny fotoany. Na izany aza, tsy nilaza mihitsy Izy fa ny fanjakany na
ny fitondrany eto an-tany dia tsy ho governemanta
ara-bakiteny. Mariho izay nolazain'ireo mpianatra taorian'ny nananganany Azy
tamin'ny maty: « Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy
hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny
Isiraely? » (Asa 1:6).
Inona no navalin’i Jesosy azy ireo?
« Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny
hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany
ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] » (Asa 1:7).
Tsy isalasalana,
ny valin-teniny dia manamafy fa
hiverina i Jesosy hanangana fanjakana eto
an-tany. Taty aoriana, rehefa niakatra tany an-danitra i Jesosy, dia hoy ny
anjely tamin'ny mpianatra: « Ry
lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny
Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy
tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. » (Asa 1:11).
Ao amin'ny Evanjelin'i Lioka, dia nanome famantarana
maro i Jesoa mikasika ny zavatra hitranga amin'ny Andro Farany, alohan'ny
fiaviany faharoa eto an-tany. Rehefa avy nilaza ny fikorontanana hiseho manerantany
Izy dia nanambara hoe: « Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao
hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny
fanjakan'Andriamanitra. » (Lio. 21:31). Jesosy dia tsy nilaza fa ny Fanjakany dia efa
mipetraka eto an-tany, na "ao am-pon'ny olona"; ny mifanohitra
amin'izay kosa, nambarany fa ny "Fanjakana" tsy maintsy ho “tonga”
ety ambonin'ny tany.
Ny ankamaroan'ny
manam-pahaizana momba ny Baiboly dia mahafantatra momba izany, na dia saika tsy
nitory momba izany mihitsy izy ireo. Izy io dia indrindra satria ireo hevitra
diso toy izany, izay milaza fa ny fanahy dia hidonanam-poana na hihantona any
an-danitra aorian'ny fahafatesana, dia matetika no itoriana amin'ny olona
fandevenana ny "kristiana." Noho izany, mahalana ny mpitory ny
miresaka momba ny fiavian'i Jesosy Kristy eto an-tany mba hanorina fanjakana
ara-bakiteny!
Tahaka
Ny Inona Moa Ny Fanjakan’i Kristy?
Rehefa tafapetraka ny
fanjakan 'Andriamanitra - eo ambany fitantanan'i Jesosy Kristy,
Zanak'Andriamanitra - dia hanao ahoana izany? Ho lasa inona ireo Kristiana nahatoky izay hatsangana
amin’ny maty (1 Korintiana 15:51-52)? Manao ahoana no
firafitr’ilay Fanjakana? Manao ahoana no fifandraisan’ireo olona masina
natsangana tamin’ny maty sy ireo olona tsy niova fo izay mbola velona eto
an-tany?
Ny Baiboly dia manome andalana maro be momba ny
Fanjakan'i Kristy ho avy. Ny fanjakana dia misy ambaratongam-pahefana izay tapahin’i
Jesosy Kristy hatrany ambony ka hatrany ambany, amin’ny maha-Mpanjakan'ny
mpanjaka Azy. (Apokalypsy 19:16) Azontsika vakiana koa ny Apokalypsy 11:15: « Ary
ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny
fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny;
ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. » !
Amin’izany fotoana izany, ireo olo-masina dia hanao
« hira vaovao » ho an’i Kristy manao hoe : « Ary
nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy
hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao* ho
an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa
fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; » (Apokalypsy 5:9) « Ary
efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka
ambonin'ny tany izy. » (Apokalypsy 5:10).
Araka izany, amin’ny andro farany, ny Fanjakan’i
Kristy dia tsy hapetraka any an-danitra fa eto
an-tany. Izany no ninoan’ny fiangonana voalohany sy nampianariny. Tsy
hevitra vaovao mahagaga izany!
Mifanohitra amin’izany anefa, io fahamarinana io dia
« voafafa » tsikelikely, vokatry ny nampidiran’ny fiangonana Katolika
hevitra tsy Kristiana, mikasika ny lanitra, ny afobe sy ny fomban’ny fanahy.
Koa rehefa tafapetraka tsara ny fiangonana Katolika, dia navela tanteraka any
ivelany ireo fahalalana ny fahamarinana nisy teo amin’ny Fiangonana Voalohany izay
naorin’i Kristy. Ny foto-pinoana momba ny Fanjakan’i Jesosy Kristy eto an-tany
dia nolazaina aloha fa fanoharana lalina, avy eo dia hoe tsy azo antoka, tsy
ilaina, ary nolavina sy nariana tamin’ny farany, satria nolazaina fa
famoronan-kevitra fanoherana (herezia)
sy firehidrehetana amin’ny hevi-diso (fanatisma).
Raha nanoratra ho an’ny Kristiana tany Korinto ny
Apostoly Paoly, dia nilaza ny valisoa homena ny Kristiana marina : « Sa
tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha
hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra
madinika indrindra va ianareo? » (1 Korintiana 6:2) « Tsy
fantatrareo va fa hitsara anjely isika? Mainka fa izay zavatra momba izao
fiainana izao. » (1 Korintiana 6:3).
Hitantsika amin’izany fa ny olo-masina dia hitsara
« izao tontolo izao » - fa
tsy hidonanapoana any an-danitra tsy manao na inona na inona akory
aorinan’ny fitsanganany!
Tamin’ny andron’i Kristy,
ireo mpianany dia « nino fa hiseho haingana ny Fanjakan’Andriamanitra »
(Lio. 19:11). Koa mba hanitsiana ny tsy fahafantaran’izy ireo, Jesosy nanome
azy ny fanoharana momba ilay andriandahy nankany an-tany lavitra handray
fahefana hanjaka dia hiverina. Ao anatin’io fanoharana io, Jesosy mitantara ny
fomba handraisan’ny mpianany sasany valisoa arakaraky ny fahaizany nampiasa ny
talentany.
Rehefa tonga ny iray
tamin’izy ireo nilaza hoe: « Tompoko, ny talentanao iray nahazoako tombony
talenta folo » Jesosy namaly hoe : « Tsara izany, ry mpanompo
tsara, satria nahatoky tamin’ny kely ianao, dia manapaha tanàna folo ». Tonga koa ny mpanompo
faharoa nilaza hoe nahazoany tombony talenta dimy ny talentany iray, dia hoy
Jesosy taminy hoe: « ianao koa, manapaha
tanàna dimy » (Lio.
19:16-19).
Mazava hoazy, ny
teolojianina moderna sasany miezaka « manazava ara-panahy » ireo
fanoharana ireo. Nefa, hatrany amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy,
ny Soratra Masina mampivohitra mazava fa hametraka Governemanta ara-bakiteny eto an-tany Andriamanitra, eo ambany
fitantanan’i Jesosy Kristy!
Ny mpanjaka Davida, izay hatsangana amin’ny maty miaraka amin’ireo olona masin’Andriamanitra
hafa, dia hanapaka ny firenena roa ambin’ny folon’Isiraely, eo ambany fahefan’i
Kristy mivantana! Rehefa mitantara ny fomba hamerenana an’Isiraely avy tany
amin’ny fahababoany aorian’ny fiverenan’i Kristy ny dia nanoratra toy izao i
Jeremia:
« Fa amin'izany andro izany, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao sy hotosako
ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao* intsony; [Heb.
azy] » (Jeremia 30:8) « Fa ianao hanompo an'i Jehovah
Andriamanitrao* sy Davida Mpanjakanao*, Izay hatsangako ho anao. [Heb.
Mpanjakany] » (Jeremia 30:9).
Tadidio fa ny Mpamorona dia nanolo-tsaina ny mpaminany
Hosea koa hitantara io fahamarinana fototra momba ny firafitry ny Governemantan’i
Kristy izay ho avy io:
« Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i
Diblaima; ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy. » (Hosea
1:3) « Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia
hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro
ny fanjakan'ny taranak'Isiraely. » (Hosea 1:4) « Ary amin'izany andro
izany dia hotapahiko ao amin'ny tany lemaka Jezirela ny
tsipìkan'Isiraely. » (Hosea
1:5).
Governemanta
Voalamina Tsara
ð Andriamanitra
nanolo-tsaina ny mpaminany Ezekiela koa hanipika izany rafitra izany, ka nilaza
hoe : « Amin’ny andro farany»,
ny firenen’Isiraely rehetra hitambatra ho firenena iray :
« Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary
hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina
ny lalàko sy hankatò izany. » (Eze. 37:24).
ð Ny
mpanjaka Davida ve hanapaka mivantana ny firenena roa ambin’ny folon’Isiraely –
ny firenena – taranak’i Jakoba?
Tsia. Hisy fitsinjaram-pahefana mirindra,
tantanan’ny mpitondra fidin’ny mpanjaka lehibe sy tendreny, fa tsy mivoaka avy
amin’ny vatom-pifidianana, na vokatry ny kajikajy politika. Araka izay
nolazain’i Jesosy tamin’ny Apostoliny tamin’ny faran’ny fiainany teto an-tany
hoe :
« koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo
tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy, » (Lio. 22:29) « mba
hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako ianareo sady
hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen'Isiraely roa ambin'ny
folo, » (Lio. 22:30).
ð Ny
fanjakana amin’izao tontolo izao amin’ny ho avy dia hapetrak’i Kristy,
Mpanjakan’ny mpanjaka. Eo ambany fahefany, ny mpanjaka Davida dia hanjaka
amin’ny firenen’Isiraely manontolo. Eo ambany fahefan’i Davida kosa, ny Apostoly
roa ambin’ny folo hatsangana amin’ny maty dia samy hanjaka hitantana tsirairay
ny firenena roa ambin’ny folon’Isiraely.
ð Ireo
« olo-masina » marin’Andriamanitra nino izay ampianarin’ny Baiboly, dia
hanana anjara amin’ny fitantanana ny tanàna samy hafa eto amin’izao tontolo
izao araka ireo rafi-pitantanana ireo. Koa satria ilay rafi-pitantanana dia
mifantoka voalohany indrindra amin’ny
Jiosy, dia vao amin’ny Jentilisa, koa matoky isika fa io karazan-drafitra io ihany no hapetraka
amin’ny firenena Jentilisa manerantany. Araka izany dia governemanta ara-bakiteny tantanan’i Jesosy Kristy, ilay
« Mpanjakan’ny Fiadanana », no handidy fiadanana maharitra, sy fomba
fiaina feno fifaliana amin’ny tany
rehetra.
ð Isika
tsirairay, raha maharitra ho Kristiana mahatoky, dia handray anjara amin’ny
fametrahana izany fifaliana izany amin’ny firenena rehetra amin’ny fiverenan’i
Jesosy Kristy! Hoy Izy: “Izay maharesy
ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana amin'ny
jentilisa; ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny
fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko » (Apokalypsy 2: 26-27).
ð Izany
rehetra izany no Vaovao Mahafaly tsy mampino !
Io no Filazantsara marina,
tantarain’ny Baiboly. Izany indrindra no fototry ny nandrotsahan’i Jesosy
ny rany, nanaovany sorona ny tenany hisolo ny fahotantsika,
hampihavanana antsika indray amin’Andriamanitra. Ireo Kristiana marina, vita
fihavanana amin’Andriamanitra sy nandray ny fanomezana saro-bidin’ny Fanahy
Masina, dia miomana hanampy ny Mpamonjy azy ireo hitantana ny tany rehetra.
ð Mandritry
ny Fanjakana arivo taona tantanan’i Kristy, ny tany dia ho afaka amin’ny
herin’i Satana, ary fotoana feno fiadanana,
fandrosoana sy fifaliana no hameno ny tany. Ny fomba fiaina marin’Andriamanitra
dia hapetraka indray eto an-tany. Ny Soratra Masina manazava fa Andriamanitra
handefa indray an’i Jesosy Kristy araka ny voasoratra hoe :
« ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho
anareo, dia Jesosy, » (Asa 3:20) « Ilay tsy maintsy horaisin'ny
lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay
nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany
indrindra. » (Asa 3:21).
ð Hitantsika
fa ny mpaminany masina rehetra dia nilaza ny Vaovao Mahafaly momba ny « andro fampodiana ny zavatra
rehetra » – izany hoe ny Fanjakan’i Jesosy
Kristy izay ho avy. Izany tokoa, ny Testamenta Taloha dia feno filazana momba
ny Mesia, izay ho avy hanjaka amin’ny tany
rehetra!
Inona No Hataon’ny
Olona Masina Aorian’ny Fitsanganany?
Efa hitantsika fa ny
olo-masina natsangana tamin’ny maty dia ho « mpanjaka sy mpisorona » ao amin’ny
Fanjakan’Andriamanitra izay hapetraka eto an-tany. (Apokalypsy 5:10). Azontsika
vakina koa fa eo am-piandohan’ny Fanjakana arivo taona (Milenioma), Satana dia « ho fatorana » mandritry ny
“arivo tona” […] « mba tsy hamitahany ny firenena intsony,
mandra-pahatapitry ny arivo taona » (Apokalypsy 20:2-3). Manaraka izany,
hitantsika fa ireo izay nanana anjara tamin’ny fitsanganana voalohany dia ho
« mpisoron’Andriamanitra sy Kristy,
ary hanjaka miaraka aminy mandritry ny arivo taona » (Apokalypsy 20:
6).
Ny Soratra Masina
mampahatsiaro antsika mandrakariva fa ireo mpisorona, teo amin’Isiraely fahiny,
dia mpampianatra ny olona. Izy ireo
no nampianatra ny lalàn’Andriamanitra
sy ny fomba fiainan’ny
vahoakan’Isiraely. Miharihary izany fa ny Kristiana, izay ho tonga mpisorona ao
amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay ho avy, no hampianatra ny mponin’ny tany araka ny fombam-piainan’Andriamanitra. Rehefa « voafatotra » i Satana,
dia hiala ny fahajambana izay nandrakotra ny tany. Ny olona dia hahazo
ny fahamarinana ary ho tonga mora ampianarina. Azo tsoahana amin’izany fa
hihamora kokoa ny asantsika noho ny amin’izao fotoana izao izay mbola
ipetrahan’i Satana amin’ny maha « mpanjakan’izao tontolo izao azy ».
(2 Korintiana 4 :4).
Im-betsaka, ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra no
miteny amintsika hoe : « amin’ny andro
farany » – izany hoe amin’ny fiverenan’i
Kristy – Jesosy sy ireo olona masina no hampianatra ny lalàn’Andriamanitra
Tsitoha eto amin’ny tany rehetra.
Handeha hojerentsika ohatra ireto
voalaza manaraka ireto: « …Mba
hampianarany antsika ny amin'ny lalany, ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa
avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna,
ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. » (Mika 4:2).
Dia toy izany koa : « Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy ka
hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho
fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga
sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony. » (Mika 4:3).
Marina izany, “tsy hianatra” miady intsony ny tanora
lahy sy vavy.
Ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny, eo ambany fahefan’i Satana, dia mandany ny
ankabeazan’ny hareny amin’ny ady sy ny fitaovam-piadiana. Raha ampiasaina
amin’ny tanjon’ny fandriam-pahalemana ny haren’ny firenena iray, tsy sarotra ny
mieritreritra ny fahatsaran’ny tanàna sy ny valan-java-boahary ary ny tontolo
iainana hananan’izao tontolo izao, amin’ny ho avy! Ho hita koa ny tsy fitovian’ny
tontolo ho avy amin’ny ankehitriny izay ahitana olona tsy manana na trano, na
izay ilainy. Ny Soratra Masina manambara amintsika, fa amin’izao tontolo izao
tantanan’i Jesosy Kristy, ny tsirairay dia samy ho tompon’ny fananany, araka ny
voasoratra hoe:
« Samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy
ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny
maro, no efa niteny. »
(Mika 4:4).
Izao no voasoratr’Isaia mpaminany:
« Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny
tendrombohitra* misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny
tendrombohitra, ary hasandratra ho avo noho ny havoana**; [Ny *Fanjakan’Andriamanitra dia ho ambony noho ny
fanjakana** rehetra]. Ary ny jentilisa
rehetra hitanjozotra hankany. » (Isaia 2:2) « Eny, maro ny firenena
no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah,
ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin'ny
lalany, ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny
lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. » (Isaia 2:3).
Inona ireo lalàna nolazain’Isaia ireo ? - Ny lalàn’Andriamanitra ara-panahy ireo, dia
ny Didy Folo ! Marina izany satria mandritra ny Fanjakan’i Kristy eto
an-tany, ny rehetra dia hianatra ny fombam-piainan’Andriamanitra
manontolo, izay miankina amin’ny Didy Folo !
Teolojianina maro no
mampiasa hevi-petsy hilazany fa efa « nofoanana »
ny didin’Andriamanitra. Nefa io Didy ara-panahy lehibe io dia ho fototra
iorenan’ny fiaraha-monina rehetra tsy ho ela intsony. Misy ny boky fianarana
momba ny Didy Folo izay ho dinihina amin’ny manaraka raha ilaina izany.
Hanao ahoana ny fiainana any amin’ny tontolo izay
hahafantaran'ny tsirairay sy hampiharany ny lalàn’Andriamanitra? Ny Fanjakan’i
Kristy dia ho taom-piadanana hahitana fa na ny bibidia aza dia ho malemy
fanahy, araka ny voalaza hoe:
« Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny
zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy
ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka
azy.[lopa] » (Isaia 11:6) « Ary ny ombivavy sy ny bera
hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny
omby; » (Isaia 11:7) « Ny
zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra
ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na: voamason'] » (Isaia
11:8).
Noho izany:
« Tsy handratra na hanimba eran'ny
tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah,
tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. » (Isaia 11:9).
Ny Soratra Masina
manambara fa tsy handao na hahafoy ny olony intsony Andriamanitra, rehefa
voavonjy amin'ny fahababoana sy fahoriana mahatsiravina izy ireo, izay
hozakainy mandritra ny Fahoriana Lehibe, ateraky ny fifandringanan’ny olona sy
ny Andron’ny Tompo famaliana:
« … Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra
anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao; » (Isaia 30:20) « Fa na
mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao
dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano. »
(Isaia 30:21).
Fotoana tapahin’ny
lalàn’Andriamanitra, feno fiadanana sy fahasambarana, ny Fanjakan’i Jesosy
Kristy izay ho avy:
« Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby
masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy. » (Isa 35:9)
« Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy
faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana. »
(Isaia 35:10).
Ho Lasa Mpampianatra Ireo Olo-Masina
Amin’izany fotoana izany,
ny « olo-masina » natsangana tamin’ny maty hampianatra ny mponina rehetra eto an-tany ny
amin’ny fombam-piainan’Andriamanitra, mifototra amin’ny Didy Folo. Izany dia
hiteraka tontolo feno fiadanana sy fifaliana
mandrakizay. Koa satria Kristy no « santatra amin’ny
voaloham-bokatra », ho azontsika atao ny maka Azy ho ohatra mba
hahafantarana ny fomba hisehoan’ireo olona masina atsangana amin’ny maty sy
hiasany mandritry ny Fanjakana arivo taona (Milenioma).
Amin’izao fotona izao, Jesosy Kristy dia velona amin’ny voninahitra tsy hay
lazaina. Nandritra ny fahitana, ny Apostoly Jaona dia nahita Azy tamin’ny
voninahiny:
« Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka
ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny
lelafo; » (Apokalypsy 1:14) « ary ny tongony tahaka ny varahina
manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony
toy ny firohondrohon'ny rano be. » (Apokalypsy 1:15).
Ny Apostoly Jaona nanoratra toy izao koa:
« Ry
malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho
izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy
isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. » (1 Jaona 3:2).
Marina izany, fa « ho
tahaka an’i Jesosy Kristy » tanteraka isika! Ho feno « voninahitra » isika
amin’ny fitsanganana amin’ny maty satria zanak’Andriamanitra amin’ny
fahafenoany, rahalahin’i Jesosy Kristy amin’ny fahafenoany ! Ary izany dia
satria ny Baiboly manambara fa Kristy tsy maintsy ho « Lahimatoa amin’ny rahalahy maro » (Rom. 8:29).
Manao ahoana no
nampianaran’i Kristy ny olona rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy? (nandray voninahitra). Taorian’ny
nitsanganany, niseho im-betsaka tamin’ny Apostoly sy olona hafa Jesosy. Nefa izy ireo tsy nahalala Azy avy hatrany –
Niova ny toetrany, miohatra noho ny tamin’ny naha-nofo aman-drà Azy. Na izany
aza, Kristy tafatsangana tamin’ny maty niseho saika toy ny olombelona hatrany, niresaka toy ireny, koa dia azon’izay
rehetra nifampiresaka taminy izay nolazainy, tsy nisy natahotra Azy.
Tsarovy ilay tantaran’i
Maria-Magdalena, izay tsy nahafantatra Azy tamin’ny voalohany, tsy nahatsapa fa
nahita an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty izy. Fotoana vitsy taorian’izay,
rehefa niresaka tamin’ny feo natoraly sy nampahafantatra ny tenany Jesosy, dia
vao nanatona Azy i Maria, nefa Jesosy nilaza taminy hoe: « Aza manendry Ahy » (Jaona 20 :14-17).
Taorian’izany, Jesosy niseho tamin’ny mpianany tao
amin’ny toerana izay nivorian’izy ireo: « Ary nony afaka
havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana,
ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. » (Jaona 20:
26) « Ary hoy Izy tamin'i Tomasy:
Atehefo eto ny rantsan-tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny
tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa
minoa. » (Jaona 20: 27)
Mazava tsara fa ireo
rehetra izay « maharesy » sy ho isan’ny olo-masina tafatsangana
amin’ny maty, dia ho mendrika ny hampianatra ny mponina maneran-tany,
amin’ny fisehoan’ny tenany manokana, toy izay nataon’i Jesosy Kristy tamin’ireo
Apostoliny.
Azo antoka fa ireo
Kristiana atsangana amin’ny maty, hiasa eo ambany fahefan’i Kristy mandritry ny
Milenioma (Fanjakana arivo taona), dia hiseho indraindray amin’ny voninahitra lehibe, fa amin’ny fotoana
hafa kosa dia hohenon’ny olona, nefa tsy hita maso toy izay voatantara ao
amin’ny Isaia 30. Kanefa, matetika, izy ireo hiseho amin’ny bikan’olombelona,
toa an’i Jesosy Kristy niseho teo afovoan’ireo Apostoly, na koa toy izay
niarahany nisakafo tamin’izy ireo teo amoron’ny ranomasina Galilia (Jaona 21 :12-15).
Tsy isalasalana fa hisy
fotoana hifanenan’ny olombelona amin’ny olo-masina natsangana tamin’ny maty,
ary hilaza amin’ny namany amim-paha-talanjonana izy, manao hoe: « Iray
tamin’izy ireo izay »!
Mety ho ianao ve ny
« iray amin’izy ireo »? Anjaranao ny mamaly izany sy maniry izany,
rehefa nanomboka nahazo ny Planina marin’Andriamanitra. Raha
antsoin’Andriamanitra ianao ho isan’ireo voaloham-bokatra, dia homeny anjara
mahagaga tsy ampoizinao. Satria izao no nolazain’i Jesosy Kristy :
« Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako
hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; » (Apokalypsy
2:26) « ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny
fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. »
(Apokalypsy 2:27) « Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. »
(Apokalypsy 2:28)
Ny Kristiana ankehitriny tsy maintsy « mandroso »
marina, mba hampiseho amin’Andriamanitra fa mitady ny Fanjakan’Andriamanitra
mialoha ny zavatra rehetra izy ireo. Izany no tsy maintsy tarigetra voalohan’ny Kristiana iray ! Tadidio ny didin’i Jesosy manao hoe : « Fa
katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany
rehetra izany. » (Matio 6:33).
Ny Fanjakan’Andriamanitra tena misy tokoa. Ho avy tsy ho ela izany. Tsy maintsy fantarintsika
lalina ny momba azy, ary miomana isika handray anjara ao, satria hanana anjara
hampianatra an’ity izao tontolo izao mijaly ity, rovitry ny ady: hampianatra ny
làlan’ny fiadanana sy fifaliana
lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.
Tsy maintsy mankatò tanteraka an’i Kristy isika,
mba hamelantsika Azy hiaina ny fiainany misy fankatoavana ato anatintsika, sy
hamela Azy hametraka ny « fanekena vaovao » ao amintsika, noho ny maha-Isiraely
ara-panahy antsika, araka ny voatantaran’ny teniny manao hoe :
« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny
taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao
an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary
izy ho oloko. » (Jeremia 31: 33).
Enga anie hampahafantarin’Andriamanitra
anao ny Planiny sy ny fikasany mahagaga izay tanterahiny ankehitriny. Enga anie
Izy hanome antsika ny fahazotoana hanomana ny fotoam-panjakan’i Jesosy Kristy
eto an-tany, hananantsika anjara hanampy Azy, hanompo Azy, sy hampianatra ny
didin’Andriamanitsika. Ny tarigetran’ny Kristiana marina tsirairay dia ny ho tonga
zanak’Andriamanitra ateraky ny Fanahy indray andro any, ary ho mpikambana ao
amin’ny Fanjakan’Andriamanitra – na governemantan’Andriamanitra
– izay hapetrak’i Jesosy Kristy tsy ho ela eto an-tany !
Handeha Hamboatra Fitoerana Ho anareo Aho
Jesosy Kristy nilaza hoe : « Aza malahelo ny fonareo; minoa
an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa*. [*Na: mino an'Andriamanitra ianareo, dia
minoa Ahy koa] » (Jaona 14:1) « Ao
an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza
taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. » (Jaona 14:2)
Jesosy
Kristy milaza ny fomba hiarovana ny fontsika tsy halahelo. Marina fa mety misy
ny olona hanana eritreritra mandà ny filazantsara sy mamoy fo indraindray; nefa
tsy maintsy miady isika na oviana na oviana, raha toa ka sendra izany. Ireto
andininy manaraka ireto dia manome antsika ny fomba azo antoka ho amin’ny
fahatoniana, izay mitarika ny fametrahana ny tanjontsika ao amin’ny tranon’i
Jehovah.
Aiza Ny Tranon’ny Ray?
Teo
Amin’ny Zanak’Isiraely
Jesosy
niteny foana hoe: ny Tranon’ny Ray dia ny Tempoly ao Jerosalema. Ohatra: Isaia
56:7; Lio. 2:49; Marka 11:17; Jaona 2:16.
« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao
an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia
hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano
fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isaia
56:7)
« Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy
ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon*'ny Raiko Aho?[*Na:
eto amin'ny raharahan'] » (Lio. 2:49)
« Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny
tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? (Isaia 56. 7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jeremia 7.
11). » (Marka 11:17)
« dia hoy Izy tamin'ny
nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano
fivarotana ny tranon'ny Raiko. » (Jaona 2:16)
Mandritry Ny Milenioma
Mandritra ny Milenioma
(Fanjakana arivo taona), ny Tranon’ny Ray dia ho ny Tempoly ao Jerosalema. Nefa raha niteny
i Kristy hoe “Ao an-tranon’ny Raiko misy
fitoerana maro”, dia nilaza momba ny fotoana aorian’ny Milenioma, satria ny asa hataontsika mandritry ny Milenioma dia haharitra mandrakizay! Ny
Apokalypsy 3: 12 milaza fa “tsy hiala amin’io tempoly io intsony” isika. Hiasa mandrakizay avy ao amin’ny tranon’ny Ray
isika!
Ny
tempoly izay narafitry ny olon’Andriamanitra dia nalaina ohatra avy amin’ny
tempoly any an-danitra. Ny Ezra 8: 29 miteny momba ny efitrano na birao ao
anatin’ny tranon’ny TOMPO. Jeremiah 36: 10 miteny momba ny efi-tranon’i Gemaria
izay mampiseho fa nanana fiandrianana izy, sy efi-trano na birao mifanandrify
amin’io fiandrianany io ao amin’ny tranon’i Jehovah.
Jeremiah
35: 2 miteny momba ireo efi-trano, na birao ao anatin’io Tranon’i Jehovah io.
Ny 1 Mpanjaka 6: 5 koa mampahatsiaro an’ireo efi-trano manodidina ny Tempoly
nataon’i Solomona--dia birao manodidina ny Tempoly.
Aorian’ny Andro Lehibe Farany
Ny
tranon’i Jehovah Ray dia miorina any an-danitra. Hampidinina eto an-tany izany
miaraka amin’i Jerosalema vaovao aorian’ny fotoana tsy hisian’ny olona nofo
aman-dra intsony ety an-tany. Izany dia fotoana tsy hisy afa-tsy fanahy intsony
ety an-tany, aorian’ny andro Lehibe Farany.
Jerosalema
vaovao dia ho feno BIRAO TENA IZY ho an'ireo olon'Andriamanitra! Hiaina sy
hiasa mandrakizay ao anatin’io trano tsara tarehy, mahagaga sy kanto io isika,
miaraka amin’ny Raintsika sy ny Vadintsika!
Kristy
nilaza fa « handeha hamboatra fitoerana ho anareo », ho an’ny
TSIRAIRAY ! (Jaona 14:3). Tsy maintsy samy mandray izany mitokana isika.
Andriamanitra miantoka fa samy hanana toerana – birao sahaza - ny tsirairay. NY
TRANON’I JEHOVAH DIA VOAVOATRA, HO ANTONONA ANTSIKA HIARA-MIASA AMIN’I JESOSY
KRISTY ! Ny toerana hotazomin’ny tsirairay dia miankina amin’IZAY ATAONTSIKA.
Isika dia HOMENA VALISOA mifanaraka amin’ny ASA vaovao IANDRAIKETANTSIKA SY
IZAY NATAONTSIKA taloha NANAMPIANA NY ASAN’ANDRIAMANITRA. Tena izany mihitsy no
fomba fanao. Hevero tsara izany eo am-panampianao amin'ny asan’Andriamanitra
ankehitriny.
Ny Tempoly Amin’ny Andro Ho Avy
Ny Apokalypsy 21:1-4 milaza momba
io tempoly amin’ny andro ho avy io.
[Ny amin'i Jerosalema vaovao] « Ary nahita lanitra vaovao sy tany
vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny
ranomasina dia tsy misy intsony. » « Ary nahita aho fa, indro, ny
tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra
tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny
vadiny. » « Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana
aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary
Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo
aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » « Ary hofafany
ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy
hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. »
Izany
no karazana birao izay omanin’Andriamanitra ankehitriny ho antsika rehefa miasa
isika! Nanomana birao ho an’ireo voaloham-bokatra nandritry ny fotoana rehetra
Izy. Ny ANDRAIKITRA HOTAZONINAO DIA
MIFANARAKA TSARA AMIN’NY TOLONA NA ADY VITANAO SY NY FANDRESENAO, ary Andriamanitra hanendry
andraikitra ho anao arakaraky ny talentanao. Tena fitsarana ara-drariny
tanteraka izany.
Araka
ny lazain’ny 1 Korintiana 15:41 hoe: SAMY HAFA NY KINTANA ARAKA NY VONINAHINY,
dia toy izany koa ny voninahitra hananantsika amin’ny ho avy satria samy hafa
araka ny asantsika izany. Hifanaraka amin’ny fahazotoan’ny fontsika tamin’ny
nanaovana ny asan’ Andriamanitra ny voninahitra hananantsika amin’ny ho avy.
Ny
voninahitrao mandrakizay dia ambony indrindra noho ny zava-drehetra amin’izao
tontolo izao. Aza mety ho voafitaky ny hatsaran-tarehy na ny zavatra hita maso.
Ny hatsaran-tarehy izay hiantefan’ny fientanam-ponao dia ny “HATSARAN-TAREHY
MANDRAKIZAY!” Tamin’izany no namonosan’i Kristy ny fanahiny. Izany no
zava-drehetra ho Azy!
Kristy nilaza toy izao koa ao
amin’ny Jaona 14:3 « … Ho avy
indray Aho, ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo
koa. » Handray
antsika Izy – isika tsirairay.
Nalahatra Indray Ny Planin’ny Famoronana
Nalahatra
indray ny planin’ny famoronana manontolo taorian’ny fotoana nikomian’i
Losifera. Rehefa izany dia nifototra tamin’ny famoronana ny olombelona ny
planin’ny onivera* manontolo (*“univers”)! Ireo zanak’Andriamanitra
indray ankehitriny no ivon’ny fiahiana.
Ny
famoronana manontolo – izay rehetra hitanao – dia halahatra manodidina ny
tranon’Andriamanitra ! Hivelatra manerana ny onivera ny fitantanan’ny tranon’Andriamanitra. Tsy ho hitantsika
intsony ireo fahasimbana misy eto an-tany amin’izao fotoana izao. Ny tany ho
foibem-pitantanana mandrakizay.
Ny
loza faran’izay lehibe dia ny miamboho ny zavatra ho avy!
Kristy
miteny momba ny tranon’ny Ray. Koa zanak’Andriamanitra miandry fahaterahana
isika, ary Andriamanitra nanome zo antsika ho teraka ao anatin’ny fianakaviany
sy honina miaraka aminy ao an-tranon’ny Raintsika!
Famintinana: Hafatra Momba Ny Fianakavian’ Andriamanitra
Tsy
maintsy mitazona ny tanjon’ny Fanjakan’Andriamanitra isika, toy izay nataon’ny
Teny (Jesosy Kristy). Ny Teny dia tonga nofo, ary tamin’ny fotoana nonenany
teto an-tany, dia nifantoka mandrakariva tamin’ny Ray Izy, sy tamin’ny fomba
nanitaran’ny Ray ny Fianakaviany, ka nampidirany ny olombelona ho amin’ny
ankohonany. Hafatra momba ny Fianakavian’Andriamanitra izany! Hafatra momba ny
Ray koa! Tsy maintsy manakaiky an’i Jesosy Kristy toy izany koa isika mba
hahatsapantsika ny maha zanak’Andriamanitra antsika! Fantaro sy ampiharo avokoa
ny antsipirian’ny dingan’ny Planin’ny famonjeny antsika, dia ho ao an-tranon’ny
Ray mandrakizay isika. Kristy no vavahady.
Ny
maha-voaantso azy amin’ny fanjakan’Andriamantra no anjara faran’izay tsara
indrindra sy mahagaga ananan’ny olombelona iray! Raha tsy tsapan’ireo izay
nahafantatra ny Ray izany, ka tsy notanterahiny ny zavatra ilaina momba izany,
dia hahita loza amin’antambo izy ireo!
Jesosy
Kristy niezaka namerimberina io fahamarinana io tao amin’ny fanahintsika mba
tsy hahavery izany mandrakizay! Miezaka manorina ny fitiavany amintsika Izy mba
hahafahantsika maka faka sy manalavitra ny fireharehana sy fanoherana, mba
hifantohantsika amin’ny asany, sy HIJANONANTSIKA MIARAKA AMINY HATRAMIN’NY
FARANY!
Ny biraontsika ao amin’ny
tranon’Andriamanitra dia tena marina sy mandrakizay noho ny efitra ao
an-tranontsika eto an-tany. Ny loza voajanahary iray mety hanapotika ny
tranonao natao tanana, fa ny biraonao ao an-tranon’Andriamanitra dia tsy ho
rava mandrakizay, raha mijanona mahatoky an’Andriamanitra ianao
mandra-pahatonga any.
Misaora
an’Andriamanitra isan’andro noho ny maha zanak’Andria-manitra sy maha vadin’i
Kristy anao ! Tsy misy zavatra azo ampitahaina amin’izany.
FAMPITANDREMANA ENTITRA MBA TSY HANOVANA NA
HAMADIHANA NY FILAZANTSARA
Ny marina momba izany resaka izany dia tena
zava-dehibe tokoa, ka nahatonga an’Andriamanitra hampanoratra an’i Paoly ho
an’ny Galatianina tamin’izany – sy ho antsika amin’izao andro anio izao koa
hoe : « Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa
niantsoana anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara
hafa ; izay tsy Filazantsara akory*, fa saingy misy ny sasany
mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny Filazantsaran'i Kristy. Fa na izahay,
na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy
izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. Araka ny voalazanay
fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa
aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy » (Gal.
1:6-9).
Io
fanambarana iray io dia tena hentitra mihitsy! Eo amin’ny toko manaraka (2:5),
Paoly milaza fa niaritra izy « … mba hitoeran'ny
fahamarinan'ny Filazantsara aminareo. » Misy
mihitsy izany ny Filazantsara tena izy, fa ny hafa kosa diso.
Amin’ny
fomba fiteny hafa, Paoly tsy mba nampianatra filazantsara hafa na
filazantsara famenony, hoatr’izay tian’ny hafa hampianarina sy ho lazaina.
Nampiasain’Andriamanitra kosa izy mba hanoherana ny fampianaran-diso tahaka
izany. Manambara ozona mihitsy izy ny amin’izany: « Fa na
izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo
afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. » (Gal.
1:8)
Nanazava koa i Paoly fa Andriamanitra nametraka ny
fitahirizana ny Filazantsara tena izy tamin’ny Apostoly. Jereo ny 1 Tes. 2:4: « Fa tahaka
ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny Filazantsara ho adidinay
izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona,
fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay ». Andraikitra iray tsy
tokony ho hamaivanina mihitsy ny fandraisana izany.
Ny minisitra tena izy dia
mampianatra foana izay rehetra andidian’Andriamanitra azy ireo, fa tsy manao
izay « mahafinaritra ny olona » na izay mahafinaritra ny « mpandalina » Baiboly
akory. Noho izany, ny hevitra milaza hoe Paoly nampianatra filazantsara hafa (izay
heverina fa ho mikasika an’i Kristy) dia tsy misy ilana azy, fa toy ny hoe
nanambara fanozonana ho an’ny tenany ihany izy raha manao izany!
Izay
rehetra mitory Filazantsara tsy izy dia efa tonga voaozona avy hatrany. Nefa maninona ny olona ankehitriny no tsy matahotra hanao
zavatra tahaka izany? Nahoana no misy olona maro mivonona mampianatra karazana
filazantsara tsy izy? Rehefa noheverina ny zavatra rehetra, ny lovantsofin’ny Fiangonana
Kristiana ankehitriny dia tena tsy mifanaraka mihitsy amin’ny atao hoe
“Filazantsara”.
Nahoana ?
Araka ny efa
nambaran’i Kristy fa mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra ny Filazantsara,
sy araka ny tsy fahafantaran’ny zanak’olombelona ny atao hoe
Fanjakan’Andriamanitra, dia mihevitra ny olona fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia
mety ho antokom-pinoana amin’ny lafiny iray na ny fitambaran’ny maha Kristiana.
Amin’ny hafa, tsorin'izy ireo fotsiny amin’ny hoe « hatsaram-po » hita ao «
am-pon’ny olona » no atao hoe filazantsara. Ny sasany indray mino fa ny « Arivo
taona » izay ho avy no filazantsara. Ny sasany aza moa manambara avy hatrany fa
ny Filazantsaran’ny Fanjakan’ Andriamanitra dia tsy natao ho an’ny
zanak’olombelona ankehitriny mihitsy.
Izany rehetra
izany dia tena tsy fahalalana lehibe!
Izay
rehetra tsy mitory afa-tsy ny filazantsara malaza mikasika ny tenan’i Kristy
dia voafitak’ilay andrianan’izao tontolo izao sy ireo mpanompony (Apokalypsy
12:9), satria tsy mitory ny hafatra mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra izay
nentin’i Kristy ho antsika. Izao no voasoratra ao
amin’ny 2 Korintiana 4:4: « Izay
nohajambain'ny andriama-nitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba
tsy hiposahan'ny fahazavan'ny Filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay
endrik' Andriamanitra. »
Vakio koa ny 2 Korintiana 11:13-15, izay nanoratan’i
Paoly hoe : « Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa
mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. Ary tsy
mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny
mazava. Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba
mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho
araka ny asany ihany. »
Tena mivantana be izany, sady mahasosotra mihitsy
aza. Nefa marina fa i Satana dia manana minisitra ohatry ny minisitr’
Andriamanitra.
Ireto andininy manaraka lazain’i Paoly ireto dia
manome sy manoritsoritra ny asa ataon’ireo minisitra sandoka ireo: « Fa
matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny
fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny
fihendreny. » (2 Korintiana 11: 3) « Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo
mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo
amin'izany? » (2 Korintiana 11: 4).
Raha Kristy no ILAY
Filazantsara, nahoana indray àry isika no mihevitra « ny fisian’ny Jesosy
hafa » sy « ny fisian’ny filazantsara hafa » ho loha-hevitra
roa samy hafa eto?
Tokony
hifoha amin’ny fandrebireben’izy ireo ny olona – amin’ny hadisoan-kevitra faobe
- izay lazaina fa hoe Kristiana nefa mandà ny FAHAMARINANA MAZAVA REHETRA
ampianarina ao amin’ny Baiboly ! Ny planin’Andriamanitra ho an’ny
zanak’olombelona dia tena mampitolagaga; ary tsy misy azo ampitahaina aminy
izay noforonin’ny olona hanoloana izay efa nolazain’Andriamanitra. Izao tontolo
izao dia misafidy ny tsy hiraharaha ny làlana mazava, tsotra sady miharihary ao
amin’ny Baiboly mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ity
boky ity ary no manazava ny fahamarinana mahavariana izay tsy fantatry ny
ankamaroan’ny olona.
NY HAFATR’I
JESOSY: FILAZANA MIALOHA
Toy ny mpampita vaovao
mialohan’ny fotoany, Kristy tonga nanao ny filazana mialoha tamintsika ny
fanovana tanteraka, eo amin’ny fomba hitondrana izao tontolo izao indray andro
any. Izany fanovana tsy manampaharoa izany dia arahana filaminana maneran-tany,
fiadanana, firindrana, fahasalamana ary fahasambarana maneran-tany. Ary ny
hitondra ny fanovana dia Jesosy Kristy sy ny olo-masin’ny Avo Indrindra. Koa
izany fanovana izany no fototry ny Fanjakan’Andriamanitra izay ambaran’ny
Filazantsara.
Tamin’izay
toerana rehetra nalehan’i Kristy, dia niresahany ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary
izany no fototry ny ankamaroan’ireo fanoharana nataony. Rehefa naniraka ny
Apostoly roa ambiny folo Izy sy nandefa azy nitory, dia nandidy ny fitoriana
mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra. « Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy
hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy
hahasitrana aretina. Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny
Fanjakan’Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. » (Lio. 9:1-2).
Rehefa
taty aoriana, nandefa ny mpianany fitopololahy koa Izy. « Ary nony
afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka
azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa
halehany. » (Lio. 10:1).
Tamin’izany dia nilaza tamin’izy ireo koa Izy mba
hitory ny «Fanjakan’Andriamanitra ».
« Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny
olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan' Andriamanitra.» (Lio. 10:9).
Tamin’izay rehetra nalehan’i
Paoly dia io hafatra io ihany no notoriny. (Asa 19:8; 20:25;
28:23, 31).
« Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana,
dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny Fanjakan’Andriamanitra. »
(Asa 19:8) « Ary, indro, ankehitriny
fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako
nitoriako ny fanjakana. » (Asa 20:25) « Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao
an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny
Fanjakan’Andriamanitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, ary ny teny
eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an'i Jesosy. »
(Asa 28:23) « Dia nitory ny
Fanjakan’Andriamanitra ka nampianatra ny amin'i Jesosy Kristy Tompo tamin'ny
fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana. » (Asa 28:31).
Ny teny hoe Fanjakana sy
Fanjakan’Andriamanitra dia hita miverina in-dimapolo ao amin’ny Testamenta
Vaovao. Nefa ny zavatra mahavariana, dia azo heverina fa ny Kristianisma
amin’ny ankapobeny, saika tsy ankanavaka, dia manadino ny fahalalana, na tsy
mahalala akory, sy tsy mitory io tena Filazantsaran’ny
Fanjakan’Andriamanitra io.
Ny
teny hoe « Filazantsara » dia avy amin’ny teny Grika hoe “euaggelion”, izay midika hoe « vaovao mahafaly ». Ny teny
hoe « Fanjakana » dia avy amin’ny teny Latinina hoe “regimen”, izay midika hoe Fitondrana. Raha tsorina izany,
Kristy nitory ny « vaovao
mahafalin’ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra ». Ny filaminana
maneran-tany, ny fahasalamana sy ny fahampiana amin’ny lafiny
rehetra dia ho hita fa ho vaovao mahafaly ho an’ny zanak’olombelona izay
tsy nahalala an’izany nandritra ny enina arivo taona.
Ny
mpianatr’i Kristy nanontany Azy ny FAMANTARANA ny amin’ny fotoany ary ny
fahatongavan’ny faran’izao tontolo izao. « Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva
Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay
andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny
fahataperan'izao tontolo izao. » (Matio 24:3).
Ary Izy nampitandrina ny amin’ny
mpamitaka maro ho avy amin’ny Anarany: « Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro
no ho voafitany. » (Matio 24:5).
Nilaza
i Jesosy teto fa ireo mpamitaka ireo hitory ny TENAN’i Kristy, fa tsy ny
HAFATRA izay nentiny. Nefa naminany koa Izy hoe: « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity Filazantsaran'ny Fanjakana ity
ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. »
(Matio 24:14)
Isika izao tena
miatrika ny fotoan’ny andro farany. Tsarovy fa raha notorina nandritry ny
taonjato maro lasa ny Fanjakan’Andriamanitra, hatramin’ny vanim-potoan’i Kristy
ka mandraka androany, ny fanambarana azy ankehitriny dia tsy ho midika intsony
hoe famantarana ny faran’izao tontolo izao. Ny mpisandoka sy ny mpitondra
mamitaka nanempotra ny fitoriana ny Filazantsara tena izy
mandra-pahatongan’ny taonjato faha roapolo. Teo amin’ny fiandohan’ny taona 1934
no nanokafan’Andriamanitra indray ity faminaniana ity, ary dia eo
an-dàlam-pahatanterahana hatrany izy izao. Amin’izao andro iainantsika izao dia
torina ao amin’izay tena fiangonan’Andriamanitra marina hatrany izany Filazantsaran’ny
Fanjakan’Andriamanitra izany.
Ny Fiainana
Aorian’ny Fahafatesana
Rehefa niresaka ny
Fanjakan’Andriamanitra i Kristy, inona marina no tiany ho lazaina? Ity
Filazantsara ity dia manana ny mampiavaka azy.
Ny ankamaroan’ny
mpitory miresaka Filazantsaran’ny famonjena, izany hoe finoana fa mbola misy
fiainana aorian’ny fahafatesana. Ny sasany nandroso hevitra fa ny Filazantsara
dia tsy miresaka afa-tsy ny «fandraisana ny fiainana mandrakizay», na koa
miaraka amin’ny hevitry ny be sy ny maro hoe « mankany an-danitra » aorian’ny
fahafatesana. Ny marina dia izao: ny famonjena dia endrika iray amin’ny
Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, mifandray mivantana aminy, saingy tsy
mahafeno izay Vaovao Mahafaly notorin’i Jesosy Kristy izany.
Ny ankamaroan’ny olona
koa mihevitra fa mitady ny fomba rehetra hamonjena izao tontolo Andriamanitra
ankehitriny, ary amin’izao no hany fotoana sisa azo amonjena ny
zanak’olombelona. Tsy fantatr’izy ireo akory ny anton’ny nahaterahany - izany
hoe ny antom-pisiany eto an-tany. Tsy fantany koa hoe: maninona no tsy mety
mahita filaminana, fiadanana, fahasalamana sy fahampiana amin’ny lafiny rehetra
ny zanak’olombelona? Ny olona rehetra dia voafitaka amin’izay antsoina hoe
famonjena sy ny fanontaniana lehibe momba ny fiainana. Ity boky ity no manome
valiny amin’ny ankabeazan’ireo fanontaniana ireo.
Ny lafiny iray mikasika
ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny FITONDRAM-PANJAKANA na FANAPAHANA. Araka ny
efa nambara tetsy aloha, midika hoe “fitondrana”
ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa tafaorina eto an-tany ny
Fanjakan’Andriamanitra, dia hanjaka amin’izao tontolo izao izy, izany hoe:
MITONDRA FANJAKANA NA MANAPAKA IZAO TONTOLO IZAO. Manome fanazavana amin’ny
an-tsipiriany momba izany ny Baiboly.
Hafatra Mikasika Ny “Fitondram-Panjakana”
Ny
tohin’ity boky ity dia manazava ny lafiny « fitondrana » amin’ny
Fanjakan’Andriamanitra.
Talohan’ny nahaterahan’i Jesosy dia nisy anjely
niseho tamin’i Maria reniny. Ireto andininy manaraka ireto no mampiseho izany
fihaonana izany sy izay nolazain’ilay anjely:
« Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely
Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, ho any
amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa,
avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria. Ary
nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay
nohasoavina, ny Tompo momba anao*. Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra
izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. Ary hoy ilay anjely taminy:
Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra
ianao. Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany
dia hataonao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo
Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida
rainy; ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny
fanjakany tsy hanam-pahataperana. » (Lio. 1:26-33)
Ao amin’ny Jao 18:36, Jesosy
nilaza tamin’ny Pilato hoe: « Jesosy
namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy
amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho
voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny
fanjakako. Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly
hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako
amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jaona 18:37)
Jesosy Kristy Dia Nateraka Ho Mpanjaka!
Izao
ny faminaniana ao amin’ny Isaia mikasika an’i Kristy: « Ny handrosoan'ny
fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin'ny seza
fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy
amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny
fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany. Ny
Tompo mandefa teny ho an'i Jakoba, ka mihatra amin'ny Isiraely izany. »
(Isaia 9:6-7)
Rehefa haorin’i Kristy
eto an-tany ny fitondran’ Andriamanitra (governemantan’ Andriamanitra), dia
hitokana ny filaminana ho an’ny firenen-drehetra Izy.
NITORY NY
FILAZANTSARA NY MPAMINANINY REHETRA
Nandritra
ny toriteniny tamin’ny Fetin’ny Tabernakely, ny Apostoly Petera dia nanao
filazana mahavariana izay toa tsy fantatry ny maro ao amin’ny tantara
ara-Baiboly. Niresaka fotoana iray miavaka izy, nanao
hoe :
« Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba
ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, ary mba
hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, Ilay tsy maintsy
horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra
rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny
voalohany indrindra. » « Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i
Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro
izao. » (Asa 3:19-21, 24).
Efa rentsika, fa noraisina any an-danitra i Kristy.
Nefa ny fiverenany dia mbola tsy tonga, mahatonga ny fitenenana hoe « mandra-pihavin'ny
».
Hevero izao: Izay
mpanompon’Andriamanitra tena izy dia nitory fa manakaiky ny fotoana fiavian’i
Kristy sy ny « fanavaozany ny zavatra rehetra ». Talohan’ny fikomian’i Satana
dia efa nisy teto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra.
Nandritry ny arivo taona
maro, ireo mpanompon’Andriamanitra dia naminany tamin’ny an-tsipiriany ny
amin’io hanavaozana ny tany io. Ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha dia
manambara ny fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanavaozana ny zavatra
rehetra.
Ity misy tantara ao
amin’ny Testamenta Vaovao izay maka ohatra amin’ny anankiray amin’ny mpitondra
hafatr’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta TalOhabolana Ohatra, ny bokin’ny
Joda dia mampahatsiaro ny faminanian’i Enoka, ilay Dadaben’i Noa. Olona niaina
tamin’ny 4500 taona tany aloha, izany hoe talohan’ny safodrano i Enoka, fa
naminany ny amin’ny Fanjakan’i Jesosy Kristy izay hiseho eto an-tany. Izao no
soratan’i Joda momba izany: « Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i
Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro,
tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina » (Joda 14) « hitsara
ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny
haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny
sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy. »
(Joda 15).
Fantaro
tsara ny dikan’io andininy io. Manambara io fa ny olona Masina rehetra (ny tena
Kristiana) miaraka amin’i Jesosy dia hitsara izao tontolo izao, « hampihatra ny
fitsarana amin’ny “rehetra”… noho ny asan’ny haratsiam-panahiny rehetra ».
Milaza zavatra maro mikasika
ny Fanjakan’Andriamanitra ny Baiboly, ary tsy araka ny eritreretina aza.
Averina eto indray fa ny marina dia tena mahavariana, toa mampikorontan-tsaina
aza, nefa azonao fantarina izany.
Daniela Dia Nahazo Tsara
Daniela mpaminany,
tahaka an’i Enoka, dia nahazo tsara fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia
fitantanana ara-bakiteny izay hanjaka indray andro any amin’ny olona tena izy
sy firenena tena izy eto an-tany. Tsy nino izy fa karazana « fahatsapana
tsy fantatra mazava », na « fahatsapana manome fifaliana » ao « am-pon’ny olona
» fotsiny izany. Tamin’ny karaza-nofy sy fahitana no nampisehoan’Andriamanitra
taminy ny fomba hampiorenany ny Fanjakany eto an-tany sy ny fotoana
hahatongavan’izany (Daniela 1:17).
Izay teny rehetra nambara tamin’ny Daniela dia tsy
maintsy ho tanteraka: « Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa
voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin'ny andro farany. »
(Daniela 12:9). Isika izao dia ao anatin’io andro farany io mihitsy
ankehitriny, sady misy porofo maro ny amin’izany. Vakio ny boky manao hoe: « Ao
anatin’ny ANDRO FARANY ve isika izao?
» izay hahafantarantsika tsara fa ny faminanian’i
Daniela dia nosoratana ho an’izao VANINANDRO IAINANTSIKA izao! Ny hafatra
nomena an’i Daniela dia natao ho antsika! Nitondra vaovao lehibe i Daniela –
MAMPIVARAHONTSANA – izay hampisy fiantraikany amin’ny fiainanao! Ndeha ho
jerentsika fa azony sy nampianariny koa ny Filazantsara izay notorin’i Kristy.
Mila fantantsika tsara ny zavatra rehetra izay nolazainy.
Daniela dia tonga saina
fa mpitondra teny sy mpitondra hafatra ihany izy, ary tamin’ny maha
mpanelanelana azy no nanambaran’Andriamanitra ny planina mahagaga izay
nataon’Andriamanitra. Ao amin’ny andininy faharoa, dia hitantsika fa niresaka
tamin’ny mpanjaka Kaldeanina (Babyloniana) Nebokadinezara izy, mikasika ny nofy
izay nataon’ny mpanjaka. Nebokadinezara dia filohan’ny fanjakana lehibe iray ambony
firenena maro tamin’ny faha enin-jato taona teo talohan’ny vanim-potoan’i
Kristy.
Ny mpisikidy sy ny
mpanandron’ny Mpanjaka dia tsy nahay namantatra izay hain’Andriamanitra nambara
tamin’ny mpaminany Daniela. Sary nasehon’Andriamanitra izany, tamin’ny
alalan’ny nofin’ny mpanjaka, fa misy Andriamanitra velona sy mahefa ny zavatra
rehetra izay manjaka amin’ny zavaboary rehetra, sy amin’ny mpanjaka rehetra, sy
amin’ny fitondrana rehetra ary amin’ny mponin’ny tany rehetra, ary izy rehetra
dia manaiky Azy. Ny zavatra fantatry ny mpanjaka Nebokadinezara, dia ny
fisian’ny mpanjaka hafa sy ny andriamani-kafa maro inoan’izy rehetra. Ilay Andriamanitra tena izy anefa te-haneho
aminy ny fisian’ny fitondrany sy hampahafantatra azy fa manjaka amin’ny
zavaboary rehetra Izy. Te haneho amin’i Nebokadinezara amin’ny fahafenoana koa
Izy ny amin’ny FIKASANY LEHIBE hametraka io FANJAKANY io eto an-tany « any
am-parany any ».
Manokàna fotoana
hamakiana amin’ny faharetana ny bokin’ny Daniela 2:28-44. Ity faminaniana
mahavariana sy amin’ny an-tsipiriany ity dia manambara amintsika ny fikasan’Andriamanitra
hanavao ny fitantanana eto an-tany, sy ny ho tohin’ny fotoana kasainy hatao.
Ireo andininy voalohany mampiseho antsika
sarivongan’olona lehibe. Ny andininy 32-33 milaza hoe: « Ny
lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia
volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, ny ranjony dia vy, ary ny tongony
dia vy sy tanimanga. » (Daniela 2: 32-33)
Hita aloha izany io fa sariolona, fa misy fizarany
efatra samihafa izy io. Ny andininy 34 -35 milaza avy eo fa misy vato nandrava
ilay sarivongana ka nanorotoro sy namotipotika azy mandra-pahatongany ho toy ny
vovoka, ary avy eo dia ho tonga tendrombohitra lehibe ilay vato ary nameno ny
tany. Mariho fa ny andininy faha 34 dia milaza hoe: «… ambara-paha-nisy
vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny
tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy. » (Daniela 2:34), satria
Andriamanitra no nahatonga izany tamin’ny fomba tsy takatry ny saina, fa tsy ny
olona.
Namotika ilay
sarivongana ilay “vato” sy nisolo azy, mba tsy hisy afa-miala ny mponina
rehetra fa tafiditra avokoa – ny tany rehetra. Ity dia tsy inona fa ny
Fanjakan’Andriamanitra izay hapetraka eto an-tany. Daniela nilaza sy nanambara
fotsiny ihany izany hafatry ny Filazantsaran’ny Fanjakana izany, izay hotorin’i
Jesosy aty aoriana.
Tsy mila mino akory ianareo, satria ny Baibolinao ihany dia efa milaza
izany. Tsy
mila olon-kafa akory handika sy hanavaza ireo andininy ireo amin’ny toeranao.
Raiso fotsiny ny andininy Daniela 2:37, izay milaza mazava
tsara hoe: « Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady
nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary
voninahitra; » ary koa ny Daniela 2:38 manao hoe: « … dia ianao izany loha volamena izany ».
Tokony ho ny Baiboly foana ihany no avelantsika hanazava izay ao aminy.
Ny andininy 39 – 40
nanohy ny fanazavana ny fanjakana telo mifanesy, izay hanarakaraka ny an’i
Nebokadinezara sy Babylona. Izany dia fahalalana izay tsy fantatry ny olona
ankehitriny mihitsy na azony ny fampiharana azy.
Ireo andininy ireo
mampiseho ny fifandimbiasana ara-tantara eo amin’ny FANJAKANA MANERANTANY,
aseho amin’ny alalan’ny karazana vy samihafa mandrafitra ilay sarivongana.
Ireo dia fanjakana tena
izy: (1) fanjakana Kaldeana-Babyloniana no volamena, (2) fanjakana Persiana no volafotsy,
(3) ny fanjakana Makedoniana no varahana, sy ny (4) fanjakana Romana, vita avy
amin’ny vy, ary vy mifangaro tanimanga amin’ny fotoana hipoirany indray. Ny
hafatr’ilay TANTARA tamintsika dia nampita fa efa nanjaka ireo fanjakana efatra
ary ilay farany dia mbola hanjaka indray
mandram-pametraka ilay FANJAKAN’ANDRIAMANITRA eto an-tany.
Asehon’Andriamanitra
amintsika ankehitriny fa Izy no manangana sy manongana fitondram-panjakana, ary
avy eo manangana indray izy ary handrava fanjakana; noho izany, ny fanjakana
(na fanjakana) an'ny olombelona dia miverimberina hatrany.
Famaritana Ny Atao Hoe “Fanjakana”
Maro
ny mifanontany hoe « inona marina no tena famaritana ara-Baiboly ny fanjakana? » Ireo mpitory sy
teolojianina dia nanandrana nanao azy ara-panahy satria izy ireo tsy nandinika
tsara ny famaritana izay nomen’Andriamanitra.
Hitantsika ny valiny any amin’ny faran’ny Daniela 2:39 izay milaza fa ilay
fanjakana dia «… hanam-pahefana amin'ny
tany rehetra. » Hita izany fa tsy mety hoarina amin’ny hevitra manjavozavo
hoe “fanjakana ao am-pon’ny olona rehetra” ilay Fanjakan’Andriamanitra.
Araka izay ambaran’io
tantara amin’ny bokin’i Daniela io, dia azo tarafana toy izao ny famaritana ny
atao hoe Fanjakan’Andriamanitra:
Misy:
ü Mpanjaka mitantana
ü Lalàna mifehy
ü Vahoaka entina
ü Tany ipetrahany
Tsy mety amboamboarintsika
amin’izay fomba ahazoantsika azy ny famaritana, na araka ny fiangonana iray na
maro amin’ny lafiny manokana. Isika eto miresaka governemanta manam-pahefana
amin’ny mponina tena izy amin’ny tany sy ny olona tena misy. Ekenao ve hoe hisy
olon-kafa hanambara aminao izay mifanohitra amin’izany, sa hino ny famaritana
ny fanjakana ara-Baiboly ianao? Tsarovy ny hoe: ireo farany ireo dia “manjaka
amin’ny tany rehetra”!
Mariho
tsara sy tazomy ireto lafiny roa lehibe ireto ny amin’ilay sarivongana vy etsy
ambony:
Voalohany,
miha midina ny teti-bidin’ilay vy, miala avy eo amin’ny lohany mankany amin’ny
tongotr’ilay sarivongana. Izany midika fa ny teti-bidin’ilay fanjakana dia
mihakely noho ny an’ilay teo alohany.
Faharoa,
ilay vy mihamafy hatrany arakaraky ny fidinan’ny teti-bidiny.
Amin’ny
fiteny hafa, ny tanjaka sy ny fivelarana isaky ny fanjakana mifandimby dia
mihangeza noho ilay teo alohany.
Farany,
mariho fa ireo tongotra roa mampiseho fanjakana voazara. Ny fanjakana romana
dia hita tena voazara tokoa, nisy ireo renivohitra roa: Roma sy Constantinople.
Ny rantsan-tongotra folo amin’ny farany, ny ampahany dia vy ary ny ampahany
taminanga. Izy roa ireo dia tsy mety mifangaro. Mampiseho fiovaovana izany
amin’ny fotoana farany. Rehefa potika ireo tongotra ireo, mirodana ilay
sarivongana manontolo. Tokony hisy fianarana tsara atao mihitsy mikasika ny toko
telo mba hahazoantsika tsara ny fifandimbiasan’ireo fanjakana efatra ireo, sy
hijerena mazava tsara, fa ireo rantsan-tongotra folo ireo dia tsy inona fa
mpanjaka folo samy hafa izay mitondra amin’ny fotoana mifanitsy amin’ny andro
farany.
Ampitahao amin’ny Daniela 7 ny ny voalazan'ny
Apokalypsy 13 sy 17. Izy roa miaraka ireo dia manambara faminaniana lehibe
mikasika ny andro farany sy ny zava-mitranga izay hisy fiatraikany aminao sy
amiko mandritra ny fiainantsika! Ny Apokalypsy 17:8 dia manazava “bibidia”, izay miakatra avy ao amin'ny “lavaka tsy
hita noanoa”, izay taingenana “vehivavy” iray. Ny andininy faha roa ambiny
folo midika fa ny bibidia dia mpanjaka folo izay tsy maintsy handray
fahefana sy hiray hina amin’ny mpitantana mahasarika, izay tsy maintsy hanao ny
anjara asan’ilay « bibidia ». Izany dia mampiseho fiverenan’ny fanjakan’ny
“Emperora Romana”, izay mandray endrika ao afovoan’ny Eoropa ankehitriny, ary
tsy tokony haharitra ela.
Ny Firenena Mikamban’i Eoropa dia hiforona ao anatin’ny
fotoana fohy. Tonga dia hita tsara avy hatrany eto ny dikan’ilay
faminaniana.
Hisy
tranga tsy mampino ho avy amin’ny vanim-potoanan’ireo «mpanjaka folo» ireo (ny
rantsan-tongotra folo dia mampiseho ireo mpanjaka folo faran’ny Apokalypsy
17:12). Ireo zava-mitranga ireo no manambara ny fiavian'i Kristy, izay
hanaisotra tanteraka ny fisalasalana mikasika NY FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA. Ary
fanampin’izany, Andriamanitra dia milaza amintsika hoe RAHOVIANA izy no ho
tonga: « amin’ny andron’ireo mpanjaka folo ». Daniela 2:44 dia manambara
amin’ny fomba tsy miafina hoe: « Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo
Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay;
ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra
ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay. »
Izany
mihitsy! Andriamanitra – fa tsy ny olona – no hametraka ny fanjakana farany,
izay lehibe manerana izao tontolo izao hatramin’izay nisian’ny lanitra sy ny
tany. Ary Andriamanitra dia tsy hamela ny olona hisosoka indray amin’izany,
satria ny Fanjakany dia « hitoetra mandrakizay ». Io fampanantenana io dia tena
azo antoka. Izany dia tsy
maintsy ho tanteraka, na mino ny olona na tsy mino!
Ilay VehivavY ao Amin’ny Apokalypsy 17
Ny
fampitahana ny Daniela 7 amin’ny Apokalypsy 13 sy 17 dia milaza marina fa misy
fahaterahana im-pito amin’ny Fanjakana MASINA Romana.
Apokalypsy 17: 9 – 14:
“9 Indro ny
hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay
ipetrahan-dravehivavy.”
“10
Ary mpanjaka
fito ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola
tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.”
“11 Ary ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao,
dia izy no naman'ny fito mahavalo ary ka lasa ho amin'ny
fandringanana.”
“12 Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka
folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray
ora miaraka amin'ny bibi-dia izy.”
“13 Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny
fahefany ho an'ilay bibi-dia.”
“14 Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny
Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy
Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay
momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.”
Aseho
amin’ny endrika bibidia ireo Fanjakana ireo ao amin’ny Apokalypsy 13 sy Daniela
7.
Apokalypsy
13: 1-7:
“1 [Ny amin'ny biby roa izay
mpanompon'ny dragona] Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia
niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo
sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany
dia nisy anarana fitenenan-dratsy*. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. IX, 3]
2 Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny
leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny
liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary
fahefana lehibe.
3 Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa
ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany
rehetra nanaraka ilay bibi-dia.
4 Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo,
satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo
anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza
no mahay miady
aminy?
5 Dia nomena lela* miteny zavatra
mihoapampana sy fitenenan-dratsy** izy, ary nomena fahefana mba hiasa*** roa
amby efa-polo volana. [* Gr. vava] [** Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
[* Na: haharitra]
6 Ary nanokatra ny vavany hiteny
ratsy* an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy* ny anarany sy ny tabernakeliny,
dia ireo mitoetra any an-danitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3]
7 Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka
haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokompirenena sy ny olona sy ny samy
hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.
8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina
ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny
fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo
izao.”
Daniela 7: 2 – 12:
“2 Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin'ny
fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry
ny lanitra nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe.
3 Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy
tamin'ny ranomasina.
4 Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny
voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany,
ary natsangana avy tamin'ny tany izy ka najoro
tamin'ny tongony roa toy ny fijoron'ny olona, sady natao
manana fon'olombelona izy.
5 Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera,
izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolantehezana telo teo am-bavany
anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.
6 Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy
hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io
biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.
7 Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana
tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka
sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy,
ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary
hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
8 Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka
iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan'io ny tandroka telo
tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason'olona sy vava miteny
zavatra mihoa-pampana izy.
9 Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza
fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny
fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia
lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
10 Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany;
arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany;
nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
11 Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny teny
mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka
nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy.
12 Ary ny amin'ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny
fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin'ny andro
sy ny fotoana.”
Ny
enina amin’ireo Fanjakana voalaza ireo dia efa tanteraka, ka ireto avy izy
ireo:
1.
Emperora Justinien, taona 554,
2.
Emperora Charlemagne, taona 800,
3.
Emperora Otton 1er le Grand, taona 962,
4.
Charles Quint, (Habsbourg), taona 1530,
5.
Napoléon Bonaparte, taona 1804,
6.
Mussolini, (sy Hitler), taona 1935.
Ary
ny iray sisa ambiny dia eo andalam-pahatanterahana, ka haharitra telo taona sy
tapany eo izany, mandritry ny vanim-potoana antsoin’ny Baiboly hoe “Fahoriana
Lehibe” (Matio 24, 21-22), sy ilay antsoiny hoe « andro fahoriana ho an’i
Jakoba » (Jeremia 30:1-7). Aorian’io fitsanganan’ny fanjakana Romana farany io
no hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Zava- dehibe ny mahazo
ny fifandraisan’ireo fahaterahana fito ireo (na fitsanganana) amin’ny
fitondrana Romana.
Ny Apokalypsy 17 dia manoritsoritra tsirairay izany
fahaterahana fito izany, arahana « …vehivavy
nitaingina bibidia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha
fito sy tandroka folo. » (Apokalypsy 17:3). Ireo loha fito ireo dia ilay
fahaterahana fito misaraka ary ny tandroka folo dia mampiseho ny fahaterahana
farany izay arafitry ny mpanjaka folo.
Mikasika ilay vehivavy, ny andininy faha 5 sy 6
milaza hoe: « ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny
handriny nanao hoe:
ZAVA-MIAFINA,
BABYLONA LEHIBE,
RENIN'NY MPIJANGAJANGA
SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY. »
(Apokalypsy 17:5)
« Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran’ny olona masina sy ny
ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra. »
(Apokalypsy 17:6). Ny andininy 1 miantso azy amin’ny anarana hoe « ilay vehivavy janga (dia Babylona),
izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro » (Apokalypsy 17:1). Ny
andininy 15 manazava fa “ny rano maro” dia “ny mponina”, “ny vahoaka”, “ny
firenena”, “ny samy hafa fiteny”.
Ity dia famariparitana
amin’ny antsipiriany ny fahalebiazana sy ny herin’ny fiangonana iray “manompo
sampy” izay nidina avy eo amin’ny rafi-pitondran’i Babylona. Izy dia renin’ny
Fiangonana-zanany maro “mpanompo sampy”. Ireo Fiangonana-zanany ireo dia
nivoaka avy tao aminy satria tsy nanaiky ny zava-mahatsiravina sy tsy fampiseho
masoandro sasany izay ataony. Fantaro tsara fa izy io dia tsy Fiangonana
madinika na Fiangonana zandriny fa tena Fiangonan-« dehibe » mihitsy, izay
manjaka amina « vahoaka maro » sy « mponina » maro. Ny andininy 2 dia miresaka
ny «fahavetavetany» miaraka amin’ireo « mpanjaka amin’ny tany ». Ary ny
andininy faha-18 miresaka ilay vehivavy tahaka ny « renivohitra lehibe izay
manana ny fiandrianana amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra».
Ilay
vehivavy ao amin’ny Apokalypsy 17 dia maneho fiangonana mpanompo sampy iray. Ny
fanazavana amin’ny antsipirihany momba io vehivavy io dia voalazan’ny
Apokalypsy 17: 1 - 6:
Endrika
sy toetr’ilay vehivavy ao amin’ny Apokalypsy 17
|
Fanazavana
|
Soratra
Masina ahitana izany
|
Ravehivavy
dia tanàna lehibe, izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.
|
Ravehivavy = fiangonana
Tanàna lehibe izay manjaka
amin'ny mpanjakan'ny tany = fiangonan-dehibe misy manerantany.
|
Apoaklypsy 17: 18; Efesiana
5: 22;
Kolosiana
3:18
|
Mipetraka eo ambonin’ny loha
fito eo amin’ny rano maro ravehivavy.
|
Loha
fito = tendrombohitra fito na Fanjakana Lehibe Fito.
Rano = firenena sy olona na
vahoaka betsaka, ary ny samihafa fiteny.
=
firenena maro manerantany no mivavaka amin’ilay Eglizy.
|
Apoaklypsy
17: 9; Apokalypsy 17:1;
Apokalypsy
17:15;
Isaia
17:12-13
|
Misy anarana voasoratra eo
amin'ny handriny manao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE,
RENIN'NY
MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY.
|
Babylona lehibe: RENIN'NY
MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY
“Renin’ny mpijangajanga”:
midika fa manana zanaka maro ravehivavy.
|
Apokalypsy
17: 5
|
Ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky.
|
Vehivavy = fiangonana
Loko jaky na mena midorehitra =
rà mandriaka,
|
Apokalypsy 17: 4
Efesiana
5:22-2
Isaia 63:2-3
|
Miravaka volamena sy vato soa ary perila izy
|
Voaravaka volamena sy perla ny trano fiangonana na
ny fitaovana ao.
|
Apokalypsy 17: 4
|
Ravehivavy
mitana kapoaka volamena eny
an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany
|
Mitana kapoaka volamena =
mitana kapoaka volamena ny mpisorona ao amin’ilay fiangonana. Ny kapoaka
volamena eny an-tànany dia feno
zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany.
|
Apokalypsy 17: 4
|
Leon’ny
divain’ny fijangajangany ny mponina amin’ny tany
|
Vehivavy janga na mpijangajanga
= fiangonana mpanompo sampy, mivavaka amin’ny andriamanikafa maro, miankohoka
amin’ny sarin-javatra anidina sy ny maty.
Ny teny hoe “Leo”
eto dia azo faritana hoe sady “mamo tampona” ary tsy afaka misaina na
mandinika tsara intsony, indrindra noho ny fitiavana diso tafahoatra, na
fimamoana diso tafahoatra, na vokatry ny fiantraikan’ny hery sy fahefana
iray.
Ny mponina amin’ny tany no
mamon’ny divain’ny fijangajangana ampisotroin-dravehivavy azy ireo.
|
Apokalypsy 17: 2
|
Bibidia no mitondra an-dravehivavy; ka ny bibi-dia mitondra azy dia manan-doha fito
sy tandroka folo.
|
Bibidia = mpanjaka na fanjakana
na empira
Tandroka = fanjakana na empira; tandroka 10 =
mpanapaka na mpitondra fanjakana na mpanjaka 10
|
Apokalypsy 17: 7-12
Apokalypsy 17: 9
|
Ijangajangan’ny mpanjakan’ny
tany ravehivavy
|
Vehivavy ijangajangan’ny
mpanjakan’ny tany = fiangonana manaiky fomban-tsampy isankarazany avy amin’ny
fombam-panjakana samihafa
|
Apokalypsy 17: 2; Daniela 7:
1-3; Daniela 7: 17;
|
Ary
ravehivavy dia leon'ny ran’ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy
|
Izany hoe, efa namono ny olona masin’ny Avo
Indrindra maro dia maro ravehivavy; izany dia ireo sahy nijoro tamin’ny
finoana an’I Jesosy Kristy. Nahatonga martiora ara-pivavahana tsy tambo
isaina izany famonoana izany; vokatr’izany, leon’ny ran’ny olona masina ravehivavy..
|
Apokalypsy 17: 6
|
Ity vehivavy janga lehibe ao amin'ny Apokalypsy 17 ity dia mampiseho vehivavy iray, izay tena samy hafa amin'ny ilay iray ao amin'ny Apokalypsy 12.
Ny Apokalipsy 12: 1 dia
mampiseho ny filazalazana ny tena Fiangonan'Andriamanitra: “vehivavy
mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy
satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,”
Hampakarina ho vadin'i Jesosy Kristy izy rehefa tafaverina Izy.
(Apokalypsy 19: 7; Matio 25: 1-10; Efesiana 5: 2).
Ilay vehivavy ao
amin'ny Apokalypsy 12 dia nampijalin'ilay vehivavy tao amin'ny Apokalypsy 17 na
fiangonana mpanompo sampy nandritra ny 2000 taona. “6 Ary
hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran’ny olona masina sy ny ran'ny
martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.”
(Apokalypsy 17: 6). Nefa Jehovah dia handrava an'ity Andriamanitra mpanompo
sampy lehibe sy ireo zanany maloto ity, ary hampitanjaka azy sy handany azy ny
bibidia izay ipetrahany. “6Ary ny
tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay
vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny
nofony ary handevona ny tenany amin'ny afo.” (Apokalypsy 17:16).
Tsy misy fotoana
betsaka intsony alohan’ny ahatanterahan’izany fitsanganana farany izany. Ny
zavatra rehetra dia eo an-dalam-piforonana izao! Avy eo, dia hanaraka izany
ilay Fanjakan’Andriamanitra mahafinaritra (Apokalypsy 19: 11-16). Ireo
governemantan’olombelona rehetra — ireo firenena kely sy lehibe eto an-tany amin’izao
andro izao — ho potika sy hosoloin’ilay FITONDRAN’ANDRIAMANITRA MANERANTANY.
Afaka kelikely, izao tontolo izao hahita ny
fahatanterahan’ny Apokalypsy 11:15 manao hoe: « …Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa
lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay
mandrakizay. ».
Tahaka ny tsy isian’ny
fisalasalana fa misy fanjakana marina amin’ny firenena rehetra amin’izao andro
izao, dia tsy tokony hisy fisalasalana koa, raha mifototra amin’io andininy io
isika, fa ny Fanjakan’ Andriamanitra hapetraka eto an-tany hisolo azy dia tena
marina sy ara-bakiteny!
Jesosy Kristy dia nateraka ho mpanjaka — mba hanjaka
amin’ny mponina rehetra amin’ny tany mandrakizay ary miaraka amin’ny
fanampian’ireo mpanjaka maro izay nateraka ho Fanahy (ireo olom-boavonjy). Izany dia lohahevitra fototry ny Baiboly.
Vakio indray:
« Ary misy sabatra maranitra mivoaka
avy amin'ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny
tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny
fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. Ary manana anarana voasoratra amin'ny
lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY
TOMPO. » (Apokalypsy 19:15-16).
Nisy olona ve efa nanazava
toy izany tamintsika ireo andininy ireo? Tsy mbola naheno izany zavatra izany
mihitsy aho tamin’ny fiangonan’ny fahatanorako; nefa ireo izy, asehontsika
mazava tsara!
Miditra Amin’ny Fanjakana
Ny Baiboly dia
mampianatra antsika fa ilay Fanjakan’Andriamanitra hanjaka amin’ny vahoaka
rehetra sy ny mponina rehetra amin’ny tany. Tsy isan’ny fanjakan’olona tsotra
amin’ny firenena mitondra ny governemanta intsony izany. Isika dia tokony
hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mba ho isan’izany. Ndeha ary
hanontany tena isika hoe: Iza avy ireo rehetra ao amin’ny Fanjakana izay
mitantana ny olona hafa rehetra? Raha ho isan’izay mpanjaka ao isika, inona no
tsy maintsy tandremantsika sy ataontsika ary iainantsika ankehitriny, satria olona notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina isika,
mitombo ao “an-kibon-dreniny”, dia ny Fiangonana, mandra-pahaterany ho Fanahy
amin’ny fitsanganana amin’ny maty? Amin’izay isika vao ho
mpikambana amin’ny Fanjakana manjaka mandrakizay! Amin’izao fotoana izao isika
dia olon’ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa tsy mbola ety
an-tany ety io Fanjakana io, toy ny “ambasadaoron’ny firenena iray", dia
ny any an-danitra.
Na izany aza, amin’izao fotoana izao, olona efa
nafahan’Andriamanitra tamin’ny « herin’ny maizina » isika, NANTSOINY hivoaka
tamin’izao tontolo izao (Apokalypsy 18:4). Koa efa ivelan’izany rafitra avy
amin’ny Satana izany (Efe. 2:2-3) isika, sy
ireo fomba fiainany sy ny governemantany. Ary Andriamanitra « nitondra antsika
ao amin’ny fanjakan’ilay Zanany malalany (Governemantany) ». Izy manafaka
antsika amin’ny fanapahana sy ny lalànan’i Satana, mba ho any amin’ny Fanapahan’ny
Zanany malala, dia Jesosy Kristy, mandritra ny fiovam-po.
Jereo ny fanazavana
fanampiny, any amin’ny p. 57 manao hoe “Ahoana ary ny Filazan’ny Kolosiana
1:13?”
Kristiana maro araka ny
lovan-tsofina no mandika amin’ny fomba diso ny hevitra hita ao amin’ny Lio.
17:21 sy Kol. 1:13, ka milaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny Fiangonana,
na hoe ao « am-pon’ny olona ». Avy eo dia mamintina mihitsy izy fa
« adidin’ny kristiana » ny mampahafantatra izany amin’ny fitiavana,
ary amin’ny fandeferana, sy ny sisa sy ny sIsaia
Na dia matotra
tahaka ny inona aza izany finoana izany, dia tsy ara-Baiboly. Noho izany,
ahoana no mahatonga ny olona hanao famintinana diso toy izany?
Ireto misy antony
lehibe anankiroa:
- Voalohany, tsy avelan’izy ireo
hanazava ny tenany ny Baiboly. Raha tokony hanaraka ny
fandidian’ny 2 Pet 1:20 izy ireo, manao hoe:
« fa fantatrareo voalohany
indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina
dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany », dia ny
hevitr’izy ireo araka ny fisainany no ampihariny amin’ny Baiboly.
Fanampin’izany, tsy avelany « hampianatra sy handresy lahatra ary hanabe
azy » ny Baiboly.
- Faharoa, ferany ho amin’ny
famakiana andininy iray na roa rehefa manao fandinihana ny votoatin'ny
foto-kevitra iray; noho iz any,
sintominy any ivelan’ny fehezan-teny resahana ilay foto-kevitra. Tsy
fantar’izy ireo koa ny andininy maro tokony hahazo mitambatra, izay
tian’ny Baiboly hampianarina. Raha tiantsika ho azo ny foto-pinoana
ara-Baiboly iray, dia tokony ho tadiavina avokoa ireo andininy mikasika
ilay foto-kevitra resahana. Tena tsy ampy hahazoana ny fahafenoan’ireo
hevitra voasoratra mihitsy ny fifotorana amina-andininy iray ihany.
Ny Isaia 28: 9-10 dia milaza hoe: « Iza no
hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao
notazana va? Ny vao nitsaha-nono va? Fa didy anampy didy, didy anampy
didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely ety, ary
kely ery; ». Arak’izany, Andriamanitra dia nanao ny Baiboly tahaka «
ny zavatra tsy maintsy mifameno.
Tsy maintsy akambana daholo
ny hevitra ara-baibolin’ilay resaka iray resahana. Ndeha ho dinihantsika
ankehitriny ireo porofo fito izay ahitana fa tsy mbola eto an-tany ny
Fanjakan’Andriamanitra.
1. Ny Fanjakan’Andriamanitra dia « ao
Anatinareo »
Lioka
17:20-21 dia mivaky toy izao : « Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny
Fanjakan’ Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny
Fanjakan’Andriamanitra. Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa,
indro, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo* ». [*Na: efa eo
aminareo]
Maro ny mamaky io
andininy io ary mandray avy hatrany hoe: «Hay! Ato anatiko ny
Fanjakan’Andriamanitra». Dia izany tokoa ve no lazain’io andininy io?
Iza no niresahan’i
Kristy teto? Ilay tapany voalohany amin’ny andininy faha-20 dia manome antsika
ny valiny: « Ary Jesosy, nony
nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny Fanjakan’ Andriamanitra:…».
Hitantsika
tsara fa ireo Fariseo no niresahany — fa tsy tamin’ny mpianany! Nanontany Azy
izy ireo hoe : rahoviana no ho tonga ny fanjakanao?
Ity no valin-tenin’i Kristy: « ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo ». Dia azo
heverina ary ve fa ny Fanjakan’Andriamanitra izay nolazain’ny Kristy io dia tao
anatin’ireo Fariseo raha izany? — ireo olona ireo izay efa nantsoiny hoe «
mpihatsaravelatsihy » sy « mpitantana jamba », izay nanome fahalalahana « fa ny
zava-dehibe indrindra dia izay ao amin’ny lalàna », « feno fanaovana an-keriny
» sy tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy ivelany, nefa
ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra » (Matio
23: 21, 23-27).
Araka ny zava-misy,
tsia! Tsy ao anatin’ny Fariseo ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny fandalinana bebe
kokoa dia mampiseho fa ilay teny hoe « ao anatinareo » dia fandikan-kevitra
diso. Ireo Baiboly Frantsay dia mandika azy hoe « eo afovoanareo » na « eo aminareo
». I Kristy dia tena nanambara tamin’ireo olona mpanevateva ireo fa ny
FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ilay manatrika azy ireo amin’io fotoana io.
Kristy dia tena nanao
fanambarana ny tenany mihitsy teto, noho izy tonga nofo aman-dra, sady izy
ihany koa no Mesia. Izy dia nateraka ho Mpanjaka, Izy dia tsy mba nanota, Izy
dia tsy mba nandika ny sitrapon’ANDRIAMANITRA. Izy ilay tena maneho tsara ny
Fitondrana ny Fanjakan’Andriamanitra.
2. Famaritana ny: “ Fanjakan’Andriamanitra”
Ny fanjakana
rehetra dia arafitry ny zavatra efatra: Ny faritany, ny Mpanjaka (mpitondra),
ny vahoaka sy ny lalàna.
Raha
ohatra ka efa ety an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’ny fiangonana na «ao
am-pon’ny olona maro», dia tokony ho eo ambanin’ny Fanjakany ny tany rehetra,
araka ny voasoratra hoe: « Ary
Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no
Jehovah, sady iray no anarany. » (Zak 14:9)
Raha ohatra ka efa ety
an-tany ety ny FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA, Kristy ilay MPANJAKANY, dia tokony
hitoetra eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida: « Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia
tsy hanam-pahataperana eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany,
mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao
ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no
hahatanteraka izany. » (Isaia
9:6-7); ary hanjaka avy ao Jerosalema (Zakaria 8:3).
Mariho
fa “Jerosalema” dia midika hoe « toerana andrian’ny fiadanana». Nefa,
ankehitriny izy dia isan’ny tanàn-dehibe anjakan’ny tsy filaminana, iharan’ny
fampihorohoroana sy rotiky ny ady maneran-tany. Azo tsorina mazava fa tsy
manjaka avy ao mihitsy i Kristy amin’izao fotoana izao.
Raha efa eto an-tany ny FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA,
ireo olony (ny olombelona rehetra) dia hiaina araky ny sitrapon’i Kristy. Na
dia ireo firenena jentilisa toa an’i Egypta aza dia tokony hanaiky Azy – na
hianjadian’ny vokatry ny fanjakany, araka ny voasoratra hoe:
« Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra,
izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona
hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina
ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. » (Zakaria 14:16)
« Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa
amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny
Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra
any aminy. » (Zakaria 14:17)
« Ary raha ny firenen'i Egypta tsy mba miakatra
ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana
izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro
firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. » (Zakaria 14:18)
« Izany no fampijaliana an*'i Egypta sy
fampijaliana* ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro
firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. [na: fahotana] » (Zakaria 14:19).
Tsy mbola izany anefa ny zava-misy amin’izao andro
iainantsika izao.
Raha efa eto an-tany ny
FANJAKAN’ANDRIAMANITRA, ireo lalànany dia tokony ho fantatry ny olona tsirairay
avy, ny vehivavy ary ny ankizy eto ambonin’ny tany rehetra. Farafaha-keliny, ny
olona rehetra mba ho eo amin’ny làlan’ny fankatoavana avokoa. Tsy misy olona
afaka hilaza intsony hoe tsy mahafantatra ireo lalàna ireo (Isaia 30:21; Jeremia
31:34). Izany rehetra izany nefa dia mbola tsy mitranga!
3. Mahita ny Fanjakana
Ao
amin’ny Jaona 3:3, Kristy dia nilaza tamin’ny Nikodemosy fariseo fa, « Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny
Fanjakan’Andriamanitra ».
« Hoy Nikodemosy
taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra
any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? » (Jaona 3:4)
« Jesosy namaly hoe:
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy
ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny Fanjakan’Andriamanitra izy. » (Jaona
3:5)
Raha te hahita ilay Fanjakan’ANDRIAMANITRA sy te
hiditra ao, dia tsy maintsy miova ho fanahy. Arak’ilay voasoratr’i Paoly hoe : « Fa izao
no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny
Fanjakan’Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. »
(1 Korintiana 15:50)
KRISTY nanazava mihitsy
fa ny fanahy dia tahaka ny rivotra, izay tsy hita maso, tsy hay jerena. Ny
olombelona anefa dia nofo aman-drà avokoa sady hita maso daholo.
Ireo izay efa « nateraka indray » no hanahaka an’i
KRISTY. « Ry malala, ankehitriny aza dia
zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay.
Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy,
dia izay tena endriny tokoa. » (1 Jaona 3:2).
Ny marina dia
“notorontoronin’ny Fanahy” isika, toy ny zaza ao an-kibon-dreniny, ka ny
Fiangonana no renintsika. Ny fahaterahana avy amin’ny renintsika dia amin’ny
“fitsanganana amin’ny maty ho Fanahy” rehefa miverina i Kristy.
Tsy misy olona fizika
manahaka an’i KRISTY amin’izay tena toetrany any an-danitra amin’izao andro
iainantsika izao. Vakio anie ity voasoratra manaraka ity e!
Apokalypsy 1:13-17: 13« ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy
Anankiray tahaka ny Zanak'olona* niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady
nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. [Na: toa zanak'olona] » 14« Ary ny lohany sy ny
volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny
masony tahaka ny lelafo; » 15« ary
ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny
fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. » 16« Ary nitana kintana
fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka
avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra
amin'ny heriny. » 17« Ary
raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony.
Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra;
Izaho no Voalohany sy Farany. »
Mahafantatra olona
manahaka an’io voasoratra etsy ambony io ve ianao amin’izao andro ankehitriny
izao?
Tokony ho heverintsika
koa ny fitsanganana voalohany (rehefa hateraka indray ireo mpanompon’i Kristy)
izay tsy misy raha tsy efa tonga aloha Izy (1Kor 15:50-54; 1Tes 4:16–17). Raha
nitranga izany dia nahalala avokoa ny tany iray manontolo. Tsy hisy olona iray
tsy hahalala izany tranga lehibe izany (Mat 24: 23-27).
4. Ny Fiandrianana Maneran-Tany Amin’Izao
Androntsika Izao?
Isaia 9:5–6 dia milaza ny amin’i Kristy hoe: « Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany
atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay,
Andrian'ny fiadanana. [*Na: mpanolo-tsaina mahagaga] » (Isa 9:5)
« Ny handrosoan'ny
fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin'ny seza
fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany,... » (Isa 9:6)
Jereo ny fahitalavitra, vakio ny gazety sy ny
magazinina nasionaly. Milamina ve ny tany? Mino ve ianareo fa hankasitrahan’i
Kristy ny vono-olona, ny fanolanana, ny fanararaotana ny ankizy, ny fikomian’ny
vahoaka, ny fampihorohoroana sy ny ady maro rehefa manjaka Izy?
Tsy hisy intsony izany! Ny marina dia izao – Ilay
Mpanjakan’ny fiadanana - dia tsy mbola manjaka eto an-tany amin’izao andro
ankehitriny izao.
5. Ahoana ary ny Filazan’ny Kolosiana 1:13?
Mba
hanaporofoana fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia efa eto an-tany dia maro no
mitanisa io andininy io, izay manao hoe: Izy (ny Ray) dia « nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika
ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, » (Kol. 1:13)
Andeha
hohalalinintsika tsara io andinin-tSoratra Masina io ary havelantsika ny
Baiboly hanazava ny tenany ihany. Inona ny hoe « herin’ny maizina » izay
hanafahan’Andriamanitra ny olony?
Asa
26:15-18 dia milaza hoe: 15« Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary
hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao. » 16« Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa
izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona
ny amin'izay efa nahitanao Ahy* sy izay hisehoako aminao, [*Na: (izay efa
hitanao)] » 17« Hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako
anao, 18« hampahiratra
ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i
Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay
nohamasinina noho ny finoana Ahy. »
Satana sy ireo devoliny dia manjaka amin’ny firenena
rehetra amin’ny izao androntsika izao. Izany no nanoratan’ny Paoly hoe: ny
Kristiana dia tsy mba « … mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny
fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao,
dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] » (Efe.
6:12); ary izany koa no nilazan’i Kristy hoe: « Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao
tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra
tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. »
(Jaona 18:36)
Rehefa manafaka ny olony amin’ny « herin’ny maizina
» Andriamanitra, dia ANTSOINY izy ireo hivoaka tamin’izao tontolo izao
(Apokalypsy 18:4), ivelan’izany rafitra avy amin’ny Satana izany (Efe 2:2-3), sy ireo fomba fiainany sy ny governemantany. Ary IZY «
nitondra antsika ao amin’ny fanjakan’ilay
Zanany malalany (Governemantany) ». Andriamantitra manafaka antsika amin’ny
fanapahana sy ny lalànan’i Satana, mba ho any amin’ny Fanapahan’ny Zanany
malala, dia Jesosy Kristy, mandritra ny fiovam-po.
Ireo Kristiana
dia olon’ny Fanjakan’Andriamanitra, na dia tsy mbola ety ambany ety aza io
Fanjakana io. Ohatra, raha
Kanadiana mandeha any ivelany ianao, na dia tsy any Canada aza, dia mitoetra ho
kanadiana foana. Ny maha-ponin’ny firenena anao dia ao Kanada. Mitovy
amin’izany koa, ny maha mponin’ny firenena ny Kristiana (Filip 3: 20), dia
any an-danitra, na dia tsy mivelona any aza izy.
Ndeha ho raisintsika
ankehitriny ny Rom. 4:17 izay miteny momba an’i Abrahama: « Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy
ny misy… ». Rehefa nilaza Andriamanitra tamin’i Abrahama hoe: «…, satria efa nataoko ho rain'ny firenena
maro ianao » (Genesisy 17:5), Isaka dia tsy ho teraka alohan’ny taona
manaraka (ampitahao ny 17:1-5 amin’ny 21:5). Ireo taranany dia tsy lasa
firenena tsotra talohan’ny
fandehanana tany Egypta, taonjato maro taty aoriana. Andriamanitra nahalala fa
ho tonga firenena miadana mandritra ny taonjato maro izy ireo. Ary satria tsy
misy mahasakana an’Andriamanitra hanatanteraka ny PLANINY, dia tahaka ny efa
tanteraka avokoa izay nalahany. Na dia tsy mbola teraka amin’ny
Fanjakan’Andriamanitra aza ny olony, Andriamanitra mahalala fa tsy maintsy ho
tonga izany. Tsy misy mahasakana izany. Ao an-tsainy dia zavatra tsy maintsy
tanteraka izany.
6. Ho Tonga Anie ny Fanjakanao
Raha ohatra efa
eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ka amin’ny endriky ny fiangonana, na «
ao ampon’ny olona », nahoana ary KRISTY no nandidy ireo mpianany mba hivavaka «
ny amin’ny HATONGAVAN’NY FANJAKANY? » (Matio 6:9-10; Lioka 11:2). Raha ohatra
efa ety an-tany ny fiandohan’ilay Fanjakana, na ny Fiangonana no ilay
Fanjakana, tsy nampianatra hivavaka toy izao ve izy: « Ampitomboy sy aparitaho
ny Fanjakanao? »
7. Tadiavina Ilay Fanjakana
Raha tety ambany
masoandro tety ilay Fanjakan’Andriamanitra, maninona i KRISTY no milaza indray
amin’ireo izay manaradia azy hoe « katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra? »
(Matio 6: 33)
Raha
ireo mpikambana ao amin’ny FIANGONANA no efa ao anatin’ilay Fanjakana, nahoana
no mbola tadiavina indray? Averiko indray, tokony holazain’i KRISTY tsotra
tamin’izy ireo fotsiny hoe: « Aparitaho aloha ilay Fanjakan’Andriamanitra!
»
FISAINAN-DISO
Ny
Baiboly dia manambara fa i Satana no andriamanitr’izao fiainana an-tany izao (taon-jato)
(2 Korintiana 4:4). Raha ohatra ka maharesy lahatra anao fa ilay
Fanjakan’Andriamanitra dia efa eto an-tany, arak’izany dia mino ianao fa efa «
teraka indray ». Ary raha efa « teraka indray » ianao, midika izany fa efa «
voavonjy » ianao. Raha « voavonjy » ianao dia midika izany fa tsy afaka manota
intsony. Ary raha tsy afaka manota intsony ianao sy tsy mandika ny
lalàn’Andriamanitra (1 Jao 3:4), dia midika izany fa tsy ilainao intsony ny
mandinika ny lalàn’Andriamanitra satria ny fitsarana anao dia efa tapahin’i
Kristy.
Romana 13: 10 milaza fa ny
lalàn’Andriamanitra dia mifototra amin’ny fitiavana, ary izany no mamaritra ny
fomba fiaina araka an’Andriamanitra: « Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa
dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. » Ankoatr’izany
koa, Jaona 15, andininy 4-10 sy 14 milaza fa ilaina ny mitandrina ny
didin’Andriamanitra sy mitoetra amin’ny fitiavany mba ho tonga Kristiana marina
sy ho voavonjy:
Jaona 15:
4-10, 14: « Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay
mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo,
raha tsy miray amiko. » « Izaho no voaloboka, ianareo no sampany.
Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko
kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. » « Raha misy
tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary
angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may. » « Raha miray amiko
ianareo, ka mitœtra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na
inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. » « Izany no ankalazana
ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo. »
« Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny
fitiavako ianareo. » « Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra
amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itœrako
amin'ny fitiavany. » « Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay
andidiako anareo. »
Rehefa tsy mitandrina ny didin’Andriamanitra isika, dia
mandà ny Baiboly ary tsy mitoetra ho Kristiana. çè Nefa, izany indrindra no tanjon’i Satana, ilay fahavalo sy
mpamitaka ny olombelona rehetra, ary izany koa no tadiavin’ny olona hatao.
Manaova
fandalinana ny Baiboly mba hitadiavana izay lazainy rehetra momba ny
lohahevitra manokana izay resahany. Avelao ny Baiboly hanazava ny heviny, fa
amin’ny alalan’izany no afahanao mampitombo ilay tena fahalalana ara-Baiboly.
Ao amin’ny 1 Korintiana 15:50-51, Paoly milaza hoe: « Fa izao
no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny
Fanjakan’Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. Indro,
zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra. »
Tsy isalasalana fa ny olona
dia hita fa natao nofo aman-drà ary tsy mahazo miditra ao amin’ilay
Fanjakan’Andriamanitra izay feno zava-miafina ho an’ny ankamaroan’ny olona.
Ilaina noho izany ny mamaky « ny toko iray manontolo ny amin’ny fananganana ny
maty» ao amin’ny 1 Korintiana 15. Amin’ny fananganana ny tena Kristiana (olombelona)
amin’ny maty vao hovana ‘ho Fanahy’ izy (ateraka indray ‘ho Fanahy’) ho tonga
zava-manan’aina ara-panahy (vita amin’ny fanahy), ary tafiditra ho
ankohonan’Andriamanitra.
Azonao
ve ankehitriny hoe nahoana no tsy misy Fiangonana afaka hatao hoe Fanjakan’Andriamanitra?
Ny Fiangonana rehetra dia mbola vatana avokoa (Fizika). Izany dia sakana tsy
maha Fanjakan’Andriamanitra ny Fiangonana rehetra. Minoa ny fahamarinana tsotra
avy amin’ny Baiboly.
Ny
Fanjakan’Andriamanitra tsy afaka mampiditra olona nofo aman-drà!
Andininy maro ao amin’ny Jaona 3 no tsy azon’ireo
izay mino satria sady afaka « ateraka indray » amin’ity fiainana ity izy, no
mahita ny Fanjakan’Andriamanitra (Tsy mazava amin’izy ireo ny hevitra
ambaran’izany satria mbola nofo aman-drà izy ireo).
Ao anatin’ity fanambarana ity, Nikodemosy, izay
Fariseo, dia miteny amin’i Kristy sy miaiky ao anatin’ny andininy 2 hoe: « … Raby ô,
fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona
mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy. »
(Jao 3:2). Niaiky mihitsy izy ary fantany ilay tena Kristy sy ilay nandefa azy
ety an-tany. Mariho fa Nikodemosy dia niresaka tamin’ny anaran’ny maro, satria
izy nilaza hoe; « fantatray fa ». Izy niteny ho an’ny tenany sy ho an’ireo
Fariseo maro izay nahafantatra hoe iza Jesosy. Izy ireo tsy afa-mandà ny
zava-misy noho ny herin’Andriamanitra ny amin’ny fahagagana izay vitan’i
Kristy.
Ireo mpitarika
fivavahana maro sy ireo Fariseo nahazo tsara fa JESOSY dia « mpampianatra avy amin’Andriamanitra
», izay tonga nitondra ny fahamarinana. Nefa nomen’izy ireo anarana hoe mpiteny
ratsy an’Andriamanitra izy, mamolava, olona nolavina, mpandika lalàna, teraka
tamin’ny fijangajangana, tsy mivaky loha, manana demonia, mpaminany sandoka,
etsetra…, sady izy ilay mendrika ho fantsihana.
Maro ny olona afaka
mahita fa tsotra ny fahamarinan’ny Baiboly, nefa na izany aza dia misafidy ny
tsy te hahalala izany izy mba hitazomany ny fomban-drazany (Marka 7:7) sy ny
heviny.
Kristy nilaza tamin’ny Nikodemosy hoe: « Raha tsy
ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny Fanjakan’Andriamanitra.
[*Na: ateraka avy any ambony] » (Jaona 3:3). Noho izany, tsy ny olona
rehetra no afaka mahita ny Fanjakan’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izay anefa,
ny olona rehetra dia afaka mahita ny fiangonana na ny fanjakana misy amin’izao
tontolo izao. Izy roa ireo, satria azo tsapain-tànana (fizika), dia mety
hitan’ny olona rehetra na inona na inona fiangonany na finoany.
Fantaro tsara ireo
teboka lehibe izay tsipihan’i Kristy mazava ireo.
Ao amin’ny andininy fahadimy Izy manao fanambarana
hoe: « Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny
Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny Fanjakan’Andriamanitra izy. » (Jaona
3:5). Eny, afaka « miditra » ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona, nefa
hazavain’i Kristy ao amin’ny andininy fahenina izay lazainy hoe « ateraky ny
rano (izany hoe, ny Batisa) sy ny Fanahy »: « Izay ateraky ny nofo DIA nofo; ary izay ateraky ny Fanahy DIA fanahy. »
Ny nofo aman-drà tsy mahazo
miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa izay fanahy ihany no afaka. Mba
tsy hisian’ny fifangaroana, dia noharin’i Kristy amin’ny rivotra ny Fanahy. Ny
rivotra, tahaka ny Fanahy, dia tsy hita maso. Tsy hitantsika izy. Noho izany
izay mpikambana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tokony ho fanahy tahaka
an’Andriamanitra, araky ny fanahy.
Ny
Fanjakan’Andriamanitra Ao Am-Pon’ny Olona?
Betsaka
ny olona mino fa hiditra ao am-pon'ny olona ny Fanjakan'Andriamanitra;
nolaviny ary inoany ny fahamarinana ara-Baiboly milaza fa ny mpino
voavonjy no hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
Miharihary
fa ny finoana tsy miorina toy izany dia vokatry ny tsy fahaizany mihaino ny
fanambarana nataon'i Kristy ao amin'ny Baiboly. Misy olona sasany mihevitra ny
fahatongavan'ny Fanjakan'Andriamanitra ho finoana ara-panahy fotsiny; tsy afaka
mino ny fahatanterahan’izany izy ireo; vokatr'izany dia nanova ny
filazantsaran'ny Fanjakana ho fihetseham-pon'olombelona fotsiny ihany izy ireo.
Ireo
"manam-pahaizana", very amin'ny fisainany, dia tonga amin'ny
fiheverana fa ny Fanjakan'Andriamanitra dia "ao am-pon'ny olona".
Ireo mpihatsaravelatsihy ireo dia mino mafy fa ny fahazoana ny Fanahy
Masin’Andriamanitra dia midika hoe manana ny Fanjakan’Andriamanitra. Ireo
fandikana diso ireo dia efa nisy nandritra ny taonjato maro ary nahatonga olona
an-tapitrisany maro hino ny fampianaran-diso toy izany, izay nahatonga ny maro
ho voafitaka. Afenina tanteraka ny fahamarinan'ny Baiboly, vokatr'izany.
Araka
izany, lasa fahita matetika ny mandre olona milaza zavatra tahaka izao: ny
Fanjakan'Andriamanitra dia afaka miorina ao am-pon'ny olona raha toa ka
miara-miasa sy mikatsaka fitiavana sy fiadanana ary fandeferana ny kristiana maneran-tany.
Avy taiza no nahazoan'izy ireo izany hevitra izany? Izany
dia avy amin'ny fandikana diso ny Lioka
17, andininy faha-20-21. Ao amin’io andininy io, Kristy dia ohatry ny
milaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia « ao anatinareo »; nefa izany dia
tena mifanohitra amin'ireo andinin-teny hafa rehetra efa nodinihintsika teo
aloha. Nefa, raha toa ka misy andalan-tsoratra sasany ao anaty Baiboly toa
manohitra amin’ny didin'Andriamnitra, dia afaka mandà izany isika fa tsy ny fahamarinan’ny
Tenin'Andriamanitra akory no holavintsika!
Ny Fanjakan’Andriamanitra Tao Am-Pon’ireo
Fariseo?
Ndeha hodinihantsika kokoa ny Lioka 17:20-21, manao
hoe: “Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro
hihavian'ny Fanjakan’Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no
fihavin'ny Fanjakan’Andriamanitra”. “Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na
ery ! fa, indro, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo*”. [*Na: efa eo aminareo]
Raha
tsy te handika vilana izay ambaran’io andininy io ianao, dia fantaro tsara izao
manaraka izao: Tamin’io fotoana io Kristy dia niresaka tamin’olona
mpaniratsira, ireo Fariseo izay sady mpandainga no mpihatsaravelatsihy. Na dia hekena
aza izany hevitra maivana sy manjavona izany, izay milaza hoe: “ny
Fanjakan’Andriamanitra dia ao am-pon’ny olona”, dia tsy azo inoana mihitsy fa
hiorina ao am-pon’ireo Fariseo ireo ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ireo
Fariseo dia tena nihevi-tena ho olona marina sy tsy miovaova teo imason’i
Jesosy. Nitady fomba hamandrihana sy hiampangana an’i Jesosy izy ireo ary
niandry kendry tohina azy tamin’ny fomba rehetra. Tena biby fisainana sy tsy
misy fotony mihitsy ny milaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tao anatin’ireo
olona ireo. Tsy tokony ho very ny fijerintsika fa namaly i Kristy :
« Izy namaly an’izy ireo ». Ny Fariseo no teneniny. Tokony ho
azontsika fa ireo Fariseo ireo dia tsy tao am-piangonana, ary ny
fiangonan’Andriamanitra dia azo antoka fa tsy tao amin’izy ireo mihitsy. Raha
ny zava-misy, mbola tsy nisy akory ny fiangonan’ny Testamenta Vaovao tamin’io
fotoana io.
Tsara
ny mandray izay TSY NOLAZAIN’I KRISTY tao amin’io andininy io. Izy tsy nilaza
hoe « ny Fanjakan’Andriamanitra dia hapetraka ao am-pon’ny olona »,
na « ao am-ponareo ». Izay nolazainy dia hoe: « ny
Fanjakan’Andriamanitra dia … ». Isika tokony hahazo tsara fa teto i Kristy
dia tsy namaritra ilay Fanjakan’Andrimanitra toy ny zavatra ho avy, fa milaza
ny zava-misy tamin’io fotoana iteneny io Izy.
Fa nahoana
ary?
Efa
hitantsika fa io andininy io dia tena niova tanteraka miohatra amin’ny teny
Grika nandikana azy. Ny teny Grika nampiasain’i Lioka teto dia midika hoe
« eo afovoany » (tahaka ny amin’ny Frantsay) na « eo
amin’ny ». Maro ireo mandika azy tahak’izany ary ny Baiboly rehetra dia
ahitana ireo teny ireo avokoa amin’ny fanamarihana an-tsisiny na eny ambany.
Ny
dikatenin’ireo Frantsay dia mampiasa ilay teny hoe « eo afovoany = au
milieu ». Ny dikanteny Moffat (Anglisy) dia manome fijery tsara ihany koa.
Izao no lazainy: « Izy namaly an’izy ireo, ny Fanjakan’ Andriamanitra dia
tsy ho tonga tahaka ny fijerinareo azy, tsy misy olona hilaza hoe, « ity
ilay izy » na « itsy ilay izy » satria ny Fanjakan’Andriamanitra
dia eto afovoanareo ankehitriny »
Ndeha
hanontany tena isika hoe inona, na iza no tian’i Kristy resahana eto? Iza ilay
teo afovoan’ny Fariseo, teo amin’izy ireo?
Ilay
Zanak’Andriamanitra, Jesosy Kristy mihitsy, dia tena nijoro teo afovoan’ireo
andian’ny Fariseo ireo. Jereo araka izao ny zava-misy: Izy ireo dia teo
anoloan’ilay solo-tena ofisialy izay « hanjaka » amin’ny
Fanjakan’Andriamanitra ho avy. Jesosy dia nijoro teo anivon’izy ireo. Tena mazava
tsara fa nanao modely ny tenany i Kristy amin’ny maha solo-tenan’ny Fanjakan’Andriamanitra Azy, teo afovoan’izy ireo
tamin’ilay toerana niresahany.
Fantaro
tsara fa ny Fariseo dia nahalala tsara ny andininy maro mikasika ny faminaniana
ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy ireo
nahafantatra tsara ireny andininy nianarantsika tao amin’ny Daniela ireny. Izy
ireo koa nahazo izay nolazain’i Apostoly Petera taoriana, niresaka ny
« Mpaminany Masina » sy ny « hampodiana ny zavatra rehetra »,
mifanaraka amin’ny faminanian’Isaia, Jeremia, Ezekiela, i Daniela sy ireo hafa
koa. Ireo Fariseo kosa tsy niraharaha ireo andinin-tsoratra naneho ny
fahatongavan’i Jesosy voalohany satria izy ireo nifantoka loatra tamin’ilay
maneho ny fisehoany faharoa.
Mazava
tsara amin’ny lafiny rehetra, ireo Fariseo ireo tsy nino fa ny
Fanjakan’Andriamanitra dia ho Fiangonana. Tsy nino koa izy ireo fa ho
fihetseham-po ao am-pon’ny olona izany. Fantatr’izy ireo tsara fa Manapaka (gouverner), sy Manjaka (régner) no zava-kendren’ny
Fanjakan’Andriamanitra!
Ny
olana anefa dia tsy fantatr’izy ireo hoe RAHOVIANA io Fanjakana io no ho tonga,
ary tsy azon’izy ireo koa fa tsy handroaka ny fanjakana Romana tao Palestinina
no tanjon’izany Fanjakana izany. Raha azon’izy ireo tsara ilay fahatongavan’i
Kristy voalohany, dia tokony ho azon’izy ireo kokoa ny « FOTOANA »
fiaviany fanindroany sy ny antony tsy maintsy hitrangany aty aorina. Noho izany
tsy fahalalany izany, izy ireo dia miandry Mesia Mpanafika izay hanampy azy
amin’ny fanalana ny fifehezan’ny Romana izay ho soloan’ny fanjakana Jiosy
manokana.
Nohazavain’i
Jesosy tamin’izy ireo ny fahadisoan-keviny. Nasehony mazava tsara fa ny
fihavian’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy fahatongavana amin’ny toerana kely,
voafetra ao amin’ny faritr’i Palestina izay iainan’ny Jiosy.
Nanantena
Fanjakana ara-bakiteny amina foko iray ny Jiosy, dia ny an’izy ireo ihany!
Izany indrindra no nilazan’i Jesosy tamin’izy ireo mba tsy hieritreritra
voafetra hoe “etỳ” na “erỳ”.
Tadidio
fa ao amin’ny Jao 18:37, Kristy nilaza fa nateraka ho Mpanjaka Izy. Fantany fa
ho tonga Mpanjaka avo indrindra amin’ny Fanjakany Izy. (Dan 7:17-18 sy 23 dia
maneho fa ny teny hoe “Mpanjaka” sy “Fanjakana” ao anaty Baiboly dia teny afaka
mifanolo).
Raha tohizantsika ny famakiana ny teny voasoratra ao
amin’ny Lioka 17, dia tsy misalasala intsony isika ny amin’izay noresahan’i
Kristy. Vakio ny andininy 24 izay mitovy ami’ny Matio 24:27 miresaka
hoe: « Fa tahaka ny
helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny
fihavian'ny Zanak'olona ».
Kristy eto dia tena maneho fihaviana mampitolagaga mihitsy, izany hoe
maneran-tany, izay hitan’ny maso rehetra tahaka ny fahitana ny fahazavana eny
amin’ny lanitra. Nefa, mariho ny teny hoe « amin’ny androny », izay
maneho fa zavatra mbola ho avy izany. Manokàna fotoana hamakiana ny
andininy ao amin’ny Matio 24:26-30 sy ny fomba famaritany « ny andro izay hampisehoana an’i Kristy ».
Tena
tsy azo heverina mihitsy izany hoe Kristy nilaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra
dia tao am-pon’ireo Fariseo tsy marina ireo, mpieboebo sy mpankahala; izy ireo
izay tsy nitsahatra nisaina sy nitady fomba hamonoana an’i Kristy. Tsy azo
heverina koa hoe nilaza Izy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny
fiangonana.
Nampitandrina ny Fariseo tamin’ny fomba hentitra i
Kristy teo aloha Tsy misy isalasalana fa izany dia nahatonga fahatezarana
tamin’izy ireo, ary nanosika azy hiandry vava latsaka amin’izay resak’i Jesosy
momba ny Fanjakan’Andriamanitra, na ny zavatra hafa, mba hiampangany Azy. Ao
amin’ny Lioka 13:28-29 dia nampitandrina azy ireo Jesosy hoe: « Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha
mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny
Fanjakan’Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.
Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy
avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny Fanjakan’Andriamanitra ».
Nilaza
mazava tsara tamin’ny Fariseo i Kristy fa izy ireo dia tsy ho ao amin’ny
Fanjakan’Andriamanitra. Tsy nomena alàlana hiditra ao izy ireo; tsy tahaka an’i
Abrahama, Isaka ary Jakoba, izay fantatra tsara fa mbola tsy tafiditra any
amin’izao fotoana izao (Heb. 11: 13, 39-40).
NY
FANJAKAN’ANDRIAMANITRA DIA « EFA AKAIKY »?
Ho tsiahivina avy hatrany ny Marka 1:15 izay
ampianaran’i Jesosy hoe: « Efa
tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra… ». Tsarovy
tsara fa tamin’io fotoana io Izy nilaza koa hoe: « … mibebaha ianareo ka
minoa ny Filazantsara ». Ny sasany dia mino fa rehefa mibebaka ary mino ny
Filazantsara, sy tonga mpikambana ao amin’ny Fiangonana, dia tafiditra ao
amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay efa miandry azy ireo eo
« akaiky » eo.
Tahaka
izay niseho tao amin’ny Lioka 17:21, ny olona mamaky ny andininy izay tiany.
Kristy tsy nilaza fa efa tafapetraka ny Fanjakan’Andriamanitra, na hoe ny
Fiangonana no ilay izy. Ireo zavatra ireo dia finoan’ny olona avy amin’ny
lovan-tsofina (Marka 7:7), izay tandremany fa tsy ny tena tenin’Andriamanitra
mivantana mazava tsara. Hoy Jesosy tamin’izy ireo: « Koa foana ny
ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana
izy » (Marka 7:7).
Lioka 16:16 dia maneho amintsika, fa “ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary
hatramin'izany no efa nitoriana ny Filazantsaran'ny Fanjakan’Andriamanitra, ary
misesika izay rehetra miditra eo”. Mbola tsy tonga teo anefa ilay Fanjakana fa
dia efa notoriany. Ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra (1) sy ny fahafahana
ho voaray hiditra ao (2), tamin’izany andro izany no « akaiky »
(tahaka ny amin’izao andro izao), izany hoe zavatra roa azo arahina tsara.
Ireo Olona
Masina Hiara-Manjaka Amin’i Kristy
Alohan’ny
hiverenantsika any amin’ny Lioka, ndeha ho dinihana aloha izay nolazain’ny
Daniela mikasika ny FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA.
Tadidio fa Kristy ho avy tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany
andrefana (Matio 24:27). Tena
fisehoana ho hita maneran-tany io, izay tsy azon’ny olona handosirana. Ho tonga
hanjaka irery ety ambonin’ny tany ve Izy sa hisy hafa koa hiara-manjaka Aminy? Afaka
manontany isika hoe: rehefa tonga Izy hampitoetra io governemantany manerantany
io, iza avy no hiaraka aminy amin’ny rafitra izay hapetrany? Raha mitaky ny
ezaky ny maro ny governemantan’ olombelona ho fanampiana ny mpitondra, ho hafa
noho izany ve ny Fanjakan’Andriamanitra? Ny valiny dia: TSIA!
Ny Daniela 7:13 miresaka
an’i Kristy izay ho avy eny amin’ny « rahon’ny
lanitra ». Alohan’ny hahatongavany, Andriamanitra nanome Azy fahefana
mba hanjaka amin’ny toerana izay hiverenany indray. Ny and.14 milaza hoe:
« Ary nomena fanapahana sy
voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena
ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay
ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava » (Daniela 7:14).
Ndao hanontany tena indray
isika hoe: hanjaka irery ve i Kristy, sa hisy hafa koa hiara-manjaka Aminy?
Fomba manao ahoana no hitantanan’Andriamanitra ireo mponina sy firenena amin’ny
tany?
Tokony ho azontsika tsara ireo
andininy maro hafa ao amin’ny Daniela 7. Tadidio fa nolazain’ny faminaniana
hoe: ilay Fanjakan’ Andriamanitra dia tokony hanolo ireo fanjakana efatra
lehibe maneran-tany izay voasoratra ao amin’ny Daniela 7. Vakio indray ny
andininy 17 sy 18 manao hoe: « Ireo biby
lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany. Nefa ny
olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana
mandrakizay alaovalo. ».
Minoa izay lazain’io
andininy io! Ny tanjon’ny fiantsoana lehibe ho an’ny Kristiana dia
hiara-manjaka ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra eo amin’ny fokom-pirenena
rehetra sy ny vahoaka rehetra. Kristy dia tena « MPANJAKAN’NY mpanjaka sy
TOMPON’NY tompo ». Ianao mety ho anankiray amin’ireo mpanjaka sy tompo
hafa ireo, tahaka ny olon-kafa izay nanaiky ny fepetra rehetra
napetrak’Andriamanitra mba hidirana ao amin’ny Fanjakany.
Ny Daniela 7:19-20
manazava bebe kokoa ny amin’izay tsy maintsy mitranga rehefa tonga miaraka
amin’ny Kristy ireo Olona Masina. Ny adidin’ireo voalohany dia ny hanolo ilay
antsoina hoe « biby faha-efatra », izay manjaka amin’ny alalan’ny
« tandroka kely ». Io tandroka kely io dia FANJAKAM-PINOANA sy ilay
vehivavy mitaingina bibidia ao amin’ny Apokalypsy 17. Io fanjakam-pinoana io
(izay mifototra ao Roma) dia nanjaka tamin’ireo fitsanganan’ny Empira Romana
tamin’ny maty na fahaterahany indray taloha nanomboka tamin’ny taona 554
taorian’i Jesosy Kristy.
(Daniela 7:19): « Dia naniry hahalala izay
fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra
sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana
sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; » (Daniela
7:20): « ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa
izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso
sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny
namany. »
Vakio indray ny Daniela 7:21-22 manao
hoe: « Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany
nanoto ny olo-masina ka naharesy azy,
» ambara-pihavin’ny Fahagola, ka nomena
rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny
olo-masina ny fanjakana ». Mazava tsara izay asain’ilay vehivavy janga
Babiloniana atao ao amin’ny Apokalypsy 17:5-6.
Amin’ny farany, ilay
faminaniana lavan’i Daniela dia mifintina amin’ny andininy faha 27 izay
manamafy indray ny fahafahana mahafinaritra miandry ireo tena
olo-masin’Andriamanitra. Izao no lazainy: « Ary
ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny
lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia
fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy ».
Inona no tsotra indrindra
mihoatra an’izany? Tsy mahagaga raha nilaza i Kristy hoe : « Ary izay
maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny
jentilisa; ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny
fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko »
(Apokalypsy 2 : 26-27). Eo amin’ny andininy lavi-davitra, nampiany hoe: « Izay maharesy dia havelako
hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko
kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany »
(Apokalypsy 3:21).
Ireo teny hoe « eo
amin’ny seza fiandrianako » dia nampiasaina satria Kristy nahalala fa ny
seza fiandrianany dia ho eto an-tany, raha any an-danitra kosa ny
an’Andriamanitra Rainy. Ny Lioka 1:32 mampiseho hoe: “Izy dia ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary
Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy”.
Tsy isalasalana fa
rehefa miverina i Kristy, ireo olo-masina dia hiara-manjaka aminy eto
AMBONIN’NY TANY!
(Ohatra, vakio ny Apokalypsy
5:10 sy ny Apokalypsy 20:4, ny Matio 5:5, ny Salamo 25: 12-13 ary ny Salamo
37:11).
« Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho
an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. » (Apokalypsy
5:10)
« Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary
nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny
fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny
tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibidia na
teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo
amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo
taona. » (Apokalypsy 20:4)
« Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova
ny tany.» (Matio 5:5; Sal. 37: 11)
« Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy
no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. » (Sal. 25: 12) « Ny
fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany. » (Sal 25:
13)
« Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka
hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana. » (Sal 37: 11)
Ndeha hodinihantsika
ankehitriny ny amin’ny fanoharana lehibe izay nomen’i Kristy mba ho fantatry ny
olona tsara izay fihavian’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fepetra takiana mba
hahafahana manana anjara amin’izany.
Fanoharana Ny
Amin’ny Farantsa
Lioka
19:11-27 dia maneho fanoharana mampisongadina izay ho fizotran’ny fiavian’ny
Fanjakan’Andriamanitra. Ao anatin’io fanoharana io, Kristy mampitovy ny tenany
amin’ny Andriandahy izay nandeha any « an-tany lavitra » (mariky ny
fiverenany any amin’ny Ray any an-danitra, mandritry ny 2000 taona eo,
mandra-piveriny eto an-tany). Tamin’izany, nino ireo mpianatra fa ny Fanjakan’
Andriamanitra dia « ho avy eo noho eo »; noho izany, te hampiseho
taminy i Kristy fa mbola fotoana maro no handalo vao ho tonga izany.
Ao amin'ity fanoharana ity dia tian'i
Kristy ny hamaritana ny fahadisoana ankapobeny sy ny tsy fahatakarana izay
vokatry ny fiheverana fa hatsangana ny fanjakan'Andriamanitra rehefa naorina ny
fiangonana. Raha ny marina, ilay fanoharana dia natao hanampiana ny olona
hahatakatra fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy hapetraka eto an-tany
mandra-pahatongan'i Jesosy Kristy fanindroany.
Ao amin'ity
fanoharana ity dia "miantso" ny "mpanompony folo" (araka ny
fiantsoana ny Kristiana) ilay andriandahy. Handeha ho any an-tany lavitra ny
tompo. Talohan'ny nandehanany, dia nomeny vola na farantsa ny mpiasany ary
nanafatra azy ireo izy mba hampiasa tsara ny volany mandra-piverin. Rehefa
mamaky ity tantara ity ianao dia tsarovy fa fanoharana ity; izany hoe, i Kristy
tsy nanome vola ny mpanompony akory talohan'ny niakarany tany an-danitra.
Talohan'ny nandehanany, dia mety nangataka ny mpanompony ny tompony, nanao hoe
"ampiasao tsara ny vola," na "ampio ny sandan'ny fananako
nankiniko taminao" mandra-piveriko eto. Saingy rehefa tsy teo izy dia nisy
ny mpanompo sasany nilaza hoe: "Tsy
manaiky hanjakan'ity lehilahy ity izahay" (Lioka 19: 14b); noho izany
dia tsy nataon'izy ireo izay nasain’ny tompony hataony. Ary ilaina ny
mahatakatra ny hevitra ambadik’izany.
Ireo
"tompon-tany" ireo dia nahalala tsara fa mbola "hiverina
hanjaka" eto an-tany ilay andriandahy (Kristy). Na izany aza, tsy
te-hirotsaka amin’izany fitondrana izany izy ireo ary nolaviny mihitsy ny
fahefan'ny governemanta (na ny fanjakana); izany hoe, tsy eken'izy ireo koa ny
handray anjara amin'izany fanjakana izany (and. 27). Fantatr'izy ireo fa ny
Fanjakan'Andriamanitra no fanjakana mahery indrindra manerana an'izao tontolo
izao. Aza adino fa ny fanoharana dia nanomboka tamin'ny fialàn'ny andriandahy
ho any amin'ny tany lavitra; ary rehefa niverina izy dia nanombatombana ny
fitantanana ny teti-bola nataon'ny mpiasa na ny mpanompony. Izany dia oharina
amin'i Jesosy Kristy Tompo, izay niakatra tany amin'ny Ray any an-danitra, ka
nomena fahefana hanjaka amin'ny firenena sy ny olona eto an-tany alohan'ny
fiaviany indray. (Ao amin'ny Daniela 7: 14-15, 27, efa hitantsika fa alohan'ny
fiavian’i Kristy fanindroany, Andriamanitra dia hanome Azy ny fahefana ambony
indrindra hanjaka eto ambonin'ny tany miaraka amin'ireo olo-masina rehetra).
Rehefa miverina
i Kristy dia hiantso ny mpanompony tsirairay izy ary hanombatombana ny
andraikiny sy ny asa vita mifanaraka amin'ny fomba nampiasan'izy ireo ny
talentany sy ny vola azony mba hahazoana tombony tsara. Ny sasany tamin'ireo
mpanompo dia nampiasa tsara ny farantsa nomena azy ireo ary nahazo valisoa
tsara. Vokatr'izany, ny mpanompo mahatoky dia nahazo tombony dimy, tombony folo
ary maro hafa aza. Anefa, ny iray tamin'ireo mpanompo dia tsy natoky ka
nandevina ilay talenta tokana nomena azy, fa tsy nanao izay hampitomboana izany
tamim-pahendrena mba hahazoana tombony. Vokatr'izany dia nandiso fanantenana ny
tompony izy ary voasazy mafy.
Nampiasa ity
fanoharana ity i Kristy mba hampisehoana mazava fa manantena ny mpanompony ho
mahatoky koa Izy ary hampiasa am-pahendrena ny talenta nomeny azy. Manantena
azy ireo hanao tsara ny asany Izy ary hahazo vokatra betsaka amin’izany.
Amin'ny lafiny hafa, tian'i Jesosy hitombo ara-panahy ny mpanompony; ary rehefa
miverina Izy, dia homena valisoa ny mpanompo mahatoky tsirairay avy.
Ilay mpanompo voalohany dia nahazo
tombom-barotra avo folo heny, ka nanao hœ: « Tompoko, ny
farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo. » (Lioka 19:16)
Ary
Kristy dia naneho ny fahafaham-pony taminy, ka nanao taminy hoe: « Ary hoy izy taminy:
Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao,
dia manapaha tanàna folo. » (Lioka 19:17)
Ny mpanompo faharoa dia nahazo
tombom-barotra avo dimy heny, nanao hoe: « Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga
farantsa dimy. » (Lioka 19:18) Ary izy dia nomena fahefana hanapaka
amin'ny tanàna dimy. Satria nahazo tombony kely kokoa izy, dia kely kokoa noho
ny an’ilay ny mpanompo tsara voalohany ny anjara fanapahana nomena azy. Amin'ny
lafiny rehetra, ny mpanompo mahatoky dia homena "hery" sy fahefana
hitantana na hanapaka "tanàna". Izany hoe, izy ireo dia manan-jo
hiara-hanjaka amin'i Kristy (Joda 14) sy hanapaka tanàna maro manerana izao
tontolo izao. Ilay fanoharana ny amin’ny farantsa dia manampy antsika hahafantatra
mazava tsara ny drafitry ny famonjena nataon'Andriamanitra ho an'ny olombelona!
Ireo mpanompo
ireo dia nahatoky tamin'i Kristy ary nahazo tombony farantsa betsaka. Lazaina
fa mpanompo tsara izy ireo ary nahazo valisoa tsara avy tamin'ny tompony rehefa
niverina avy tamin'ny diany izy. Nomena fahefana hanjaka amin'ny tanàna maro
izy ireo satria nahavita nampitombo ny vola nankinin'ny Tompony taminy. Noho ny
fahatokian’izy ireo tamin’ny andraikiny dia nahazo valisoa avy tamin’ny tompony
izy ireo, ary nomena anjara hanjaka amin'ny tanàna sy vahoaka maro ireo
mpanompo mahatoky ireo.
Mifanohitra amin'izany, ny iray
amin'ireo mpanompo dia tsy nahatoky ary malaina miasa. Nafeniny tao anaty
mosara ny farantsa mba "tsy ho very" satria tsy teo ny tompony. « Tompoko,
indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin'ny mosara. » (Lioka 19:20) Raha tokony niezaka
nitady tombony tamin'ny vola na ny talentany izy, dia naleviny tamin'ny tany
izany. Izy dia misolo tena ny mpanompon'Andriamanitra izay mitondra ny
fitondrany mafy tokoa amin'ny tsy fampiasana ilay talenta nomena azy. Voasazy
izany mpanompo izany ary tsy mahazo na inona na inona avy amin'i Kristy. Kristy
dia haka ny anjarany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. « Ary
hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy:
fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary
mijinja izay tsy nafafiko. » (Lioka
19:22)
Ny mpanompo
farany tao amin'ilay fanoharana dia tsy nahatoky ary nanamavo ny tompony. Tsy
nanandrana nampitombo ny fananan'ny tompony izy. Tsy hendry izy tamin'ny
fitantanany ny vola napetraka taminy. Izany hoe, tsy tapa-kevitra ny hitady
ilay tanàna lehibe ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. Noho ny tsy
fahatomombanan'ny andraikitr’ilay mpanompo tsy nahatoky, dia tsy mitady
mpanompo hafa i Kristy mba handray andraikitra. Noho ny tsy fahatomombanan'ilay
mpanompo tsy nahatoky dia tsy maintsy nahita mpanompo hafa i Kristy mba handray
andraikitra. Noho izany, ny mpanompo hafa azo itokisana no hotendrena hitantana
ireo tanàna sy firenena tsy nisy mpanapaka na governora. Ny mpanompo mahatoky dia hamonjy ireo
tanàna ireo amin'ny fanjakazakan'ny fanjakana sy ny fanapahana ataon’ny
fitondram-panjakana ratsy. Raha tsy izany dia tsy hahazo fikarakarana na toro
lalana tsara izy ireo.
Jesosy dia nampiasa ny fanoharana momba ny
Farantsa hanampiana ny mpianany hahatakatra ny fanjakan'Andriamanitra. Tamin'ny
voalohany, dia nieritreritra ny mpianatra fa, avy hatrany dia ho avy ny
fanjakan'Andriamanitra. Nohazavainy fa hisy fotoana sy famantarana alohan'ny
hahatongavan'ny fanjakana eto an-tany. Araka izany, ny fanoharana dia maneho
an'i Kristy mandeha any an-tany lavitra ary miverina mametraka ny fanjakany eto
an-tany. Nomen'ny tompony vola ny mpanompony; ho setriny dia nangatahana ny
hampitombo ny lanjany izy ireo ary mahazo tombony betsaka avy amin'ny vola.
Manazava ny fanoharana fa ny mpanompo tsy mino, izay tsy mankatò ny tenin'ny
tompony dia hosazin'ny Tompo mafy tokoa. Mifanohitra amin'izany, ny mpanompo mendri-pitokisana
na olo-masina dia homena fahefana miaraka amin'ny fahefana hiara-manjaka
amin'ireo tanàna maro miaraka amin'i Jesosy Kristy. Ireo olona ireo dia ho
mpitantana ny tanàna maro toa ny isan'ny tombony azony, rehefa miverina ety
an-tany Kristy.
Kristy dia Jiosy izay nampiasa fanoharana
maro tao amin'ny toriteniny fony izy tao an-tanànan'i Joda. Jerosalema dia
renivohitr'i Joda. Joda dia anisan'ireo foko 12 tamin'ny Zanak'israely. Ny folo
tamin'izy ireo dia nanjary tsy hita tamin'ny taona 700 talohan'i Kristy, raha
nanohitra an'i Rehoboama, Zanak'i Solomona izy ireo. Nentin'ireo Asyrianina izy
ireo, ary nifindra monina tany avaratra andrefan'i Eropa, ary lasa foiben'ny
firenena demokratika Etazonia (Amerika Avaratra), «Britain», «Canada», «Australia»,
«New Zealand», "Alemana. "ary ny sasany tany Eoropa. Ny taranak'i
Levy sy i Benjamina ihany no mbola nijanona tamin'ny Jiosy.
Tao amin'ny fanoharana hafa dia niresaka momba ny
olona sasany izay mankahala ny Printsy iray izy ary tsy nanaiky azy hanjaka
aminy, ka ilazany hoe: "Tsy mila ny
hanjakan'ity lehilahy ity izahay." Ny olona ao amin'ity fanoharana ity
dia maneho ny Jiosy. Ny tantara dia mampiseho fa nanamavo ny fahefan'i Jesosy
Kristy ny Jiosy, ary nolaviny ny fahefany hanapaka azy ireo. Ity no hafatra ao
amin'ny Jaona 1:11, izay milaza hoe: « Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy
nandray Azy ».
Mampalahelo fa betsaka ny olona
tsy mihaino ny antson'Andriamanitra sy ny teniny. Tsy mihaino ny
didin'Andrimanitra izy ireo ary tsy mamela ny Baiboly hitarika ny lalany.
Imbetsaka ny olona no tsy namela an'i Jesosy hanitsy ny fitondran-tenany sy
hitarika ny fiainany. Na izany aza, mahagaga raha manantena ny ho voavonjin'i
Jesosy izy ireo. Raha ny tena izy dia miankina amin'ny safidy malalaka ny mino
an'i Jesosy sy ny fanekena ny teniny. Ary tahaka ny jiosy, maro ny olona
nisafidy ny handà ny tenin Andriamanitra.
Raha ny voalazan'ny fanoharana
momba ny farantsa, ny hafatra navelan'i Jesosy dia tsy misy afaka ny ho lasa
mpitondra mahay raha tsy voaporofo fa olom-pirenena mankatò, manaja ireo
mpitarika ary manana ny fahaiza-mitantana amin'ireo talenta nankinina taminy.
Tsy misy olona handray anjara amin'ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany raha
tsy hoe nankato ny baikon'Andriamanitra ary nanaiky hotarihin'i Jesosy. Andriamanitra
irery no afaka hanome fahefana ny olo-mahatoky mba hiara-manjaka amin'i Kristy.
Raha lazaina amin'ny teny hafa dia tsy hisy handray andraikitra eo amin'ny
fanjakan'Andriamanitra raha tsy nanaiky ny fahefan'Andriamanitra izy ireo. I
Jehovah Andriamanitra irery ihany no afaka manendry mpitondra ao amin'ny
fanjakany, ary ireo mpitondra ireo dia nanaiky sy nitandrina ny teniny.
Tao amin'ilay fanoharana dia
niantso ny mpanompony ireo tompony mba hanome fitantarana momba ny
zava-bitan'izy ireo sy ny tombony azony nandritra ny dia nataony. Toy izany
koa, ny tsirairay avy dia hitatitra ny asany tamin'ny Andro Fitsarana. Amin'io
andro io, sahala amin'ireo Apôstôly izay homena valisoa ho mpanjaka noho ny
zanakalahy roa ambin'ny folo amin'ny Isiraely (Matio 19: 27-28), ireo
olo-masina mahatoky dia hovaliana ary handray hery lehibe hanjaka amin'ny
tanàna maro, ary i Kristy dia hipetraka eo amin'ny "Seza Fiandrianan'ny
Voninahiny."
Izany no mamarana ny lesona
mahafinaritra momba ny fanjakan'Andriamanitra, avy amin'ny fanoharana tamin'ny
farantsa nataon'i Jesosy.
Rahoviana
no hapetraka ny Fanjakan'Andriamanitra?
Ny ankamaroan'ny
kristiana dia te hahafantatra hoe rahoviana no hiverina i Jesosy Kristy.
Nanontany azy ny mpianany hoe: « Ary nipetraka teo
an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao
hœ: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny
fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Matio 24:3)
Ireo andininy 48
manaraka ao amin'ny Matio 24 dia manome ny valin'io fanontaniana io, izay
hanomezan'i Kristy ny an-tsipiriany momba ny zava-hitranga sy ireo famantarana
hita maso amin'ny andro farany. Ao amin'ny andininy faha-36 dia miresaka momba
ny fotoana hiverenany i Kristy, hoy izy: « Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy
misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,]
afa-tsy ny Ray ihany. » (Matio 24:36)
Herinandro
vitsivitsy taty aoriana, ao amin'ny Asan’ny Apostoly 1:6-7, talohan'ny
niakaran'i Kristy tany an-danitra, dia nanambara ny mpianatra fa mbola tsy
azon'izy ireo tsara na nanaiky ny fanazavana nomeny azy ireo. Noho izany dia
nanontany an'i Jesosy indray ny mpianany: « Koa izay
tafangona teo dia nanontany Azy hœ: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny
fanjakana ho amin'ny Isiraely? » (Asan'ny Apostoly 1:6)
« Fa hoy kosa Izy
taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray
amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] » (Asan'ny
Apostoly 1:7)
Zava-dehibe
ny manamarika fa folo andro monja taorian izay dia niorina ny fiangonan 'ny
Testamenta Vaovao (Asa. 2: 1). Ka nahoana ary i Kristy no nilaza hoe "Tsy
anjaranao ny mahafantatra ireo fotoana na vanim-potoana" raha toa ka
Fanjakan'Andriamanitra ny Fiangonana? Ary tamin'izany andro izany dia niorina
avy hatrany ny fiangonana taorian'ny niakarany, (tamin'ny Pentekosta), folo
andro taorian'ny resaka nifanaovany tamin'ny mpianany.
Toy izany koa, ankehitriny,
tsy misy afaka milaza marina ny fotoana hahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra;
nefa, na izany aza, dia azo fantarina ihany ny fotoana mety hahatongavan’izany
amin’ny alalan’ireo famantarana nomen’i Kristy. Jesosy dia nilaza toy izao teo
am-pamaranana ilay faminaniana momba ny andro farany sy ny fiaviny indray: « Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany,
dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy*.[*Na:
izany] » (Matio 24:33)
Ny
faminaniana momba ny andro farany sy ny fiavian’i Kristy dia voalaza koa ao
amin’ny Lioka 21: 25-31.
Ankoatr’izany, dia tian’I Jesosy
Kristy koa ny hahafantaran’ny mpianany momba ny Fanahy Masina, ka hoy Izy: « Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny
Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia
sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8)
Na izany aza, ny
Fanjakan'Andriamanitra dia tsy mbola niorina teto an-tany. Toy
izany koa, izay rehetra niova fo ankehitriny dia tokony hanana fahatakarana
mazava ny fahamarinana toa izany. Tsy fantatsika hoe rahoviana no hiverina i
Kristy; na izany aza, fantatsika fa ho avy ny fanjakany; ary ny fahalalana toy
izany dia manome hery antsika hitombo ara-panahy sy handresy an'i satana;
manome aingam-panahy antsika koa izany hitory ny Filazantsaran'ny
fanjakan'Andriamanitra mandra-piverin'i Jesosy.
NY EZAKA ATAON’NY OLONA TSY MAHAPETRAKA NY
FANJAKAN’ANDRIAMANITRA
Ny tena kristiana dia
tsy nantsoina hanandrana "hanatsara an'izao tontolo izao", na
"mitady fomba hametrahana ny fanjakan'Andriamanitra eto ambonin'ny
tany". Fa nomen'Andriamanitra ho an'ny tongony kosa ny "Filazantsara
fiadanana", izay mahatonga azy ireo ho tia ny olombelona rehetra. Ny tena
kristiana dia miatrika fiainana miaraka amin'ny fahalalana ny "Filazantsara
marina" notorin'i Jesosy Kristy, izay miorina amin'ny
Fanjakan'Andriamanitra. Ny Filazantsara marina dia manome azy ireo ny zavatra
ilaina rehetra eo amin'ny fiainan'ny olombelona; noho izany dia mifikitra amin
ireo fitsipika sy didin 'Andriamanitra izy ireo. Ny tena kristiana dia mikatsaka
ny fanjakan'Andriamanitra ary fantatr'izy ireo fa ho avy izany. Fantatr'izy
ireo ihany koa izay hiandry izao tontolo izao amin'ny farany. Ny Kristianina
marina dia tsy hanova ny lalàny sy ny didin'Andriamanitra mihitsy.
Ankoatr'izay, ny tena kristiana dia tsy manompo eo ambany sainam-pirenena, ary
tsy mitady ny ho mpitarika eo amin'ny fitantanana ny tontolo ankehitriny. Tsy
handray anjara amin'ny vonoan'olona sy ny ady tsy mitombina izany izay mitranga
amin'ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao (Efesiana 6:15). Raha fintinina
dia tena mifantoka betsaka amin'ny fikatsahana ny fanjakan'Andriamanitra ny
tena kristiana marina.
Betsaka ny kristiana matetika tsy manaiky
hanatanteraka sy manaraka izay nandidian'i Kristy azy; nefa lazain'izy ireo fa
"mampiely ny Fanjakan'Andriamanitra" izy ireo. Izy ireo dia sahy manamavo
sy mandà ny drafitry ny famonjen'Andriamanitra, ary io toe-tsaina io dia
mampiseho fa tsy hahavita hifehy ny olona rehetra ny zanak'olombelona.
Mariho ny antony nanoratan'i Paoly hoe: « Satria
ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny
andron'ny Tompo. « Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry
fahizay, dia hanjò azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy
raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy. Fa ianareo, ry rahalahy,
tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro
izany. » (1Tesaloniana
5:2-4)
Na
iza na iza mahatakatra ny fahamarinan’ny Baiboly, izay hazavain’ity bokikely
ity, dia tsy ho ao amin'ny "haizina", satria hanana fahalalana tsara
momba ny "hery" maha-olombelona "sy ny drafitr'Andriamanitra.
[ny olombelona tsy manam-paharoa = "herin'olombelona mahagaga, tsy
manam-pahalalana na tsy mampino, izay hatolotra azy rehefa tonga ny fotoana."]
Raha mampahatsiaro ny Isaia 52:7 i Paoly, dia nilaza
hoe: « Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy
nirahina? Araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra
teny soa mahafaly! » Eo amin’ny andininy faha 16 amin’ny Rom. 10, izy
manohy ny an-dalana avy ao amin’ny Isaia: « Nefa tsy izy rehetra no
nanaiky ny teny soa mahafaly*. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny
nampitondraina anay? (Isaia 53:1.) [*Na ny Filazantsara] »
Marina tokoa fa ny ankamaroan'ny olona dia tsy mino
ny Tenin'Andriamanitra izay mahakasika ny sivilizasiona ho avy. Tsy mino ny
olona fa ny herin'olombelona dia tsy afaka mitazona ny filaminana eo amin'ny
vahoaka. Maro no mihiaka
hoe: « Fiadanana,
fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona! » (Jeremia 6:14; 8:11-14-15),
ary ny ankamaroany dia mbola manam-paharetana mino sy
manantena ny filazantsara diso notorina taminy na dia efa miatrika tsy
fahombiazana lehibe aza izy ireo.
Ny Kristiana
mirazotra eto amin’izao tontolo izao manohy sy misasatra amin’ny fanandramana
mametraka ny Fanjakan’ Andriamanitra, sy ny Filaminana Manerana Izao Tontolo Izao
amin’ny alalan’ny ezak’izy ireo. Ireo mpitondra fivavahana voafitaka manohy
misarika azy ireo, milaza fa « adidin’ny Kristiana izany ». Maro
mihitsy aza no manao izany ho asa voatokana ho an’ny ministeran’izy ireo. Olona
an-tapitrisany maro no mitady hatraiza hatraiza ny fiadanana, ny fahampiana, ny
filaminana ary ny fiarovana. Tsy ho ela akory, dia tena ho diso fanantenana
mihitsy izy ireo. Ny anton’izany dia ny zava-misy amin’izao tontolo izao, izay
mitondra antsika mankany amin’ny vanim-potoana mandoza farany maneran-tany, ary
mbola mitombo amin’ny faharatsiana vao hivoatra amin’ny tsara, raha hety.
« Ho
Tonga Anie Ny Fanjakanao »
Zatra
manao ilay vavaka antsoina hoe « Vavaka nampianarin’ny Tompo » (na
hoe Rainay any an-danitra) ny sasan-tsasany amin’ny olona. Maro ny olona
mahavita mitanisa tsian-jery izany vavaka izany tsy misy ezaka akory, satria
tsy azon’izy ireo fa napetraka ho modely fanaingana ny fanahy ihany izany. Fony
mbola efatra taona aho dia nahay ilay vavaka. Izy dia manomboka amin’ny hoe
« Rainay izay any an-danitra ! Hohamasinina anie ny Anaranao; ho
tonga anie ny fanjakanao, hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any
an-danitra… » (Mat 6:9-10). Io vavaka fohy io dia mitohy amin’ireo
andininy telo manaraka.
Nefa,
firy amin'ireto an-tapitrisany ireo, izay mahalala sy mitanisa ilay vavaka no
mieritreritra ilay andian-teny hoe "Ho tonga ny fanjakanao", sa
"Ny sitraponao hatao eto an-tany?" Nandritra ny 2000 taona mahery dia
maro ny olona izay nanandrana nanaiky ny fitarihan'i Kristy ary "nivavaka
ho an'ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy", tsy nieritreritra ny dikan'ny
faran'izay kely indrindra fa ny fehezan-teny sarobidy indrindra ao amin'ny vavaka.
Eny, tsy mbola eto an-tany ny fanjakan'Andriamanitra; koa mivavaha mba ho tonga
izany!
Efa
noeritreretinareo ve izany?
Ao amin'ny andininy tsy
lavitra loatra, ao amin'io toko io ihany, dia nilaza i Kristy hoe: “Fa katsaho
aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany; ary hanampy anao izany
rehetra izany. (Matio 6: 33).
Ao amin'ny andininy
manaraka izay tsy mifanalavitra amin'izany, fa ao anatin'io toko io ihany, i
Kristy dia nanampy hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany; ary
hanampy anao izany rehetra izany. (Matio 6: 33).
Ny kristiana dia tokony
hikatsaka voalohany indrindra ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany
mihoatra ny zavatra hafa rehetra amin'ny fiainany andavanandro. Saingy ahoana
no fomba itadiavany izany raha tsy fantany ny dikany sy ny lanjan’izany - na
rahoviana hapetraka io - na ny fiantraikan'ny fikatsahana ny
fanjakan'Andriamanitra amin'ny famonjena ny olombelona. Ankoatr'izany, iza no
mpanjaka ao amin'ny fanjakana, iza ny vahoaka, inona no fitsipika sy lalàna
mifehy ny olom-pireneny, ary aiza no hametrahana azy.
Fantatrao izao ny
zava-drehetra momba izany!
Fehiny: Azo Antoka fa ho Tonga ny Fanjakan'Andriamanitra
Ireto
misy sombin-dahatsoratra vitsivitsy nalaina tao amin'ny bokin'i M. Herbert W.
Armstrong: "Inona ny FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?”
Tamin'ny taona 1914 no nanomboka ny korontana eran-tany rehefa nipoaka ny Ady
Lehibe Voalohany. Avy eo, nisy fotoana nilamina
nanomboka tamin'ny 1918 ka hatramin'ny 1939. Ankehitriny, izao tontolo izao dia
miaina amin’ny vanim-potoana fampitsaharana ady fanindroany.
Na izany aza, dia efa eo
ampelatanan’ny olombelona ankehitriny ny hery niokleary. Misy tahiry famokarana
herinaratra marobe, izay hahafahana mandripaka ny mponina rehetra eto
ambonin'ny tany. Ankehitriny
dia misy fitaovam-piadiana roa hafa afaka mamono ny olombelona rehetra eto
ambonin'ny tany.
Ny
mpahay siansa malaza manerana izao tontolo izao dia mino fa ny fananganana
governemanta iraisana ihany no hahasakana ny fifandripahan'ny olona. Na izany aza, ny olona dia tsy mbola afaka nanangana
governemanta tokana ho azy ireo, satria ny olombelona dia tsy te hanaiky izany.
Noho izany, izao no fotoana
hiatrehana ny olana tahaka izay misy eto amintsika ankehitriny; ary mba hamahana
ny olana, dia misy safidy roa eo anoloantsika:
1)
Na isika manaiky ilay ANDRIAMANITRA MATANJAKA, izay ho tonga mialoha mametraka
ILAY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA sy hanjaka amin’ny fokom-pirenena rehetra, manana
TANJAKA mihoatra ny herin’olombelona sy maneran-tany, ary hametraka ny FANDRIAMPAHALEMANA,
2)
Na isika manaiky ny haharipaka ny
olombelona rehetra. (Matio 24:22)
RAHA ny
mpitondra fivavahana diso làlana, (izay mino fa ny FIANGONANA no FANJAKAN’ANDRIAMANITRA)
no manana ny marina, ary raha tsy misy Fanjakana manerantany, izay mahery noho
ny herin'ny zanak'olombelona, hatsangana amin'ny Fanjakan'Andriamanitra izay hoavy,
dia tsy hisy intsony ny fanantenana ho an'ny olombelona. Ny olombelona rehetra dia
atahorana ho ringana sy ho lany tamingana.
Fa
tadidio izay nolazain'i Jesosy Kristy, RAHA AFAKA MINO AZY HIANAO
(Lioka 4:43; Marka 1:15; Marka 16: 15-16):
« Fa hoy Jesosy taminy: Tsy
maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any
amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. » (Lio.
4:43)
« Efa tonga ny fotoana,
ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny
filazantsara. » (Marka 1:15)
« Fa izao no sitrapon'ny
Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino
Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro
farany. » (Jaona 6:40)
« Hoy Jesosy taminy: ‘Izaho
no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho
velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty
mandrakizay.’ » ( Jaona 11:25-26)
« Izay mihinana ny nofoko
sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy
amin'ny andro farany. » (Jaona 6:54)
« Mandehana any amin'izao
tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona
rehetra » (Marka 16:15)
« Izay mino sy atao
batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina » (Marka
16:16)
ð Izay
mino ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy
mibebaka ka atao batisa amin’ny rano sy ny Fanahy Masina
no ho vonjena hiditra ao rehefa miverina Jesosy Kristy!
Aiza àry no ametrahanao ny finoanao? Ao amin'ny
tenin'Andriamanitra ve? Sa ao anatin'ny fampianarana tsy misy dikany sy
mamitaka ary mivavaka amin'ny antsoina hoe "Kristianisma" - izay avy
amin'ny antsoina hoe "kolontsaina kristiana", izay milaza fa ny FIANGONANA
no Fanjakan'Andriamanitra, na ny Fanjakan'Andriamanitra dia tsy inona fa ny
fahatsapana hafahafa sy tsy misy dikany "ao am-pon'ny olona"? Tonga ny fotoana hamantaranao hoe iza marina no mpaminany
sandoka sy antikristy, ary iza no tena mampianatra ny tena Tenin'Andriamanitra!
Fisaorana: « Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza
fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny
voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. » Amena. (Apokalypsy
5:13)
Fiangonan'Andriamanitra Miray - FIAMI
UCG MADAGASCAR
FARITRA AFRIKA ATSINANANA
Fitoriana ny Filazantsara
Fikatsahana ny Fanjakan'Andriamanitra
Fanomanana ny Ankohonan'Andriamanitra
Miaraha mivavaka aminay
LOT VM 59 TER, Androndrakely, 101
Antananarivo, Madagascar