Fanamasinana Ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FIANGONAN’ANDRIAMANITRA MIRAY
FIAMI
UCG MADAGASCAR
Faritra Afrika Atsinanana
FANAMASINANA NY
FOTOAM-PIVAVAHANA
VOATENDRIN’I JEHOVAH

FIANGONAN’ANDRIAMANITRA MIRAY
FIAMI
UCG MADAGASCAR
Faritra Afrika Atsinanana
FANDALINANA SORATRA MASINA
SAMPANDRAHARAHA FANABEAZANA






FANAMASINANA NY
FOTOAM-PIVAVAHANA
VOATENDRIN’I JEHOVAH


« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.» (Salamo 34:8)


Dr. RAKOTONDRAVONY Daniel
Fiangonan’ Andriamanitra Miray
Edition Juin 2019
TENY MIALOHA

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH

Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanamgonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FOMBA FAMPITANA NY LESONA

« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah…. » (Sal 34:8)

TSY ny fitandremana ny Andro Masina akory no ahazoana famonjena hidirana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nefa kosa ny fitandremana azy ireo amin’ny fotoany avy dia atrehin’i Jehovah sy anomezany fitahiana mivantana. Diniho ny HEVITRA ARA-BAKITENY voalahatra.

Ny fitandremana ny HEVI-PANAHINY no ahazoana famonjena sy fiainana mandrakizay ary idirana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, satria MIKATSAKA ny Fanjakan’Andriamanitra (Mat 6:33), MITAFY AN’I KRISTY (Gal 3:27-29; Kol 3:1-25), MITAFY NY FIADIAN’ANDRIAMANITRA (Efe 6:11-20). Misy FITAHIANA AVY HATRANY ireo. Diniho ny HEVITRA ARA-PANAHY voalahatra.

Dr.  RAKOTONDRAVONY Daniel


FOMBA FAMPITANA NY LESONA

Fotoana iray isan-kerinandro (Sabata), sy fotoana iray isan-taona isak’ireo dingam-pamonjena fito, izay no takin’i Jehovah hampianarana ny hevi-panahiny amin’ny fiangonana.

Hevi-panahin’ireo dingam-pamonjena rehetra
= Mikatsaka ny Fanjakany sy ny Fahamarinany

-        Sabata andro fahafito : Amantaran’i Jehovah ny olony sy Amantaran’ny olony Azy

-        Paska : Fibebahana, Batisa, Fandraisana Fanahy Masina.
-        Mofo Tsy Misy Masirasira : Mitafy an’i Kristy (Gal 3:27-28 ; Kol 3:10-14) ; Mitafy ny fiadian’Andriamanitra rehetra (Efe 6 :11-20).
-        Pentekosta : Batisan’ny Fanahy Masina.
-        Fitsofana Trompetra : Filazana Ady; Loza Fito ; Fiverenan’i Kristy Hampitsahatra ny Ady; Fitsanganana Voalohany sy Fanangonana ny Olom-Boafidy.
-        Fanavotana (Délivrance): Fibebahana Omba-Pifadian-Kanina; Fibebahan’ny Mpisorona; Fankatoavana ny Famonjen’i Jesosy Kristy; Fandroahana sy Fanidiana an’i Satana.
-        Tabernakely: Andro Famelombelomana; Fanjakana Arivo Taona.
-        Fara-fivoriana (Andro Lehibe Farany): Fitsanganana Faharoa sy Fitsaran’ilay Seza Fiandranana Fotsy Lehibe.

Rehefa vita ny famonjena, ireto ny zavatra hitranga:
-          Fahafatesana faharoa ho an’ireo tsy voavonjy;
-          Fanavaozana ny Tarehin’ny Tany;
-          Jerosalema Vaovao;
-          Fanjakana sy fanomezana aina amin’ny Zavaboary rehetra (Univers).

Ho an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra!


TENY FANOLORANA

« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. » (Salamo 34:8)

« Raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny sampany. » « Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky ny hazo oliva » « dia aza mirehareha amin'ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao. » « Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy. » « Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora; » « fa raha ny tena sampana aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao. » « Koa indro ny fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra ao amin'ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao. » « Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon'Andriamanitra atsofoka indray izy. » « Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy. » (Rom 11:16-24)
Isika Isiraely ara-panahy, ‘ndeha hitandrina ny zava-panahy nodidian’i Jehovah ho tehirizin’ny tena Isiraely ho an’ny Kristiana mpandova ny Fanjakan’Andriamanitra!

Ny saotra sy voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay anie ho an’i:
Jesosy Kristy, Ilay Vavolombelona Marina, manana Maso toy ny Lelafo, sy Sabatra Maranitra Roa Lela


FIANGONAN’ANDRIAMANITRA MIRAY
FIAMI
UCG MADAGASCAR
Faritra Afrika Atsinanana
FANDALINANA SORATRA MASINA
SAMPANDRAHARAHA FANABEAZANA

FANAMASINANA NY
FOTOAM-PIVAVAHANA
VOATENDRIN’I JEHOVAH

Natao ho an’iza ireo Fotoa-pivavahana notendrin’i Jehovah? Manatrika eo va Jehovah amin’ny fotoana itandremana azy? Mbola manan-kery ankehitriny ve ny fitandremana azy amin’ny fotoany avy? Sa tsy ilaina satria ”aloka fa tsy ny tena izy”? Mirakitra inona moa izy ireo? Jesosy va no manatanteraka izay raketiny ? Nefa tsy hampianatra azy ireo koa va ny olom-boafidy amin’ny Fanjakana arivo taona? Ny olona mahay no fidina hampianatra! Mahay ve ianao?

« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. » (Salamo 34:8)
Raha hanandrana ny hatsaran’i Jehovah ihany, tsy aleo ve ny Fivoriana Masina nodidiany ho mandrakizay?

Fiangonan’Andriamanitra Miray
UCG MADAGASCAR
Faritra Afrika Atsinanana
Antananarivo, Madagascar
FANOROANA
Fampidirana
Fitandremana ny Fotoam-Pivavahana Ankehitriny
Jery Ankapobeny ny Planin’ Andriamanitra
Fankalazana ny Fotoam-Pivavahana Voantendry ao amin’ny Testamenta Vaovao
Manatrika eo Foana Jehovah amin’ny Fotoan’ny Fivoriana Masina
Tabilao Mira-Zotra Fampitahana ny Hevitra Ara-Bakiteny sy Ara-Panahin’ireo Dingam-Pamonjena
Amboara Iray Ahevaheva, Fanisana 50 Andro
Manatrika ny Olony Foana Jehovah sy Jesosy Kristy
3.      Pentekosta (Andro faha 50)
4.      Fitsofana Trompetra (1er Volana faha 7)
Fanangonana ny Olom-Boafidy
5.      Andro Fanavotana (10e Volana faha 7)
Dingana Voalohany
Dingana Faharoa
Dingana Fahatelo
Dingana Fahefatra
6.      Tabernakely (15-21 Volana faha 7)
Fanjakana Arivo Taona
Eto an-Tany ny Fanjakana Arivo Taona
Hitandrina ny Fetin’ny Tabernakely ny Firenen-Drehetra
Fanagonam-Bokatra Lehibe Ara-Panahy ny Fanjanaka Arivo Taona
Endrika Hankalazana ny Fetin’ny Tabernakely
Ny Fianakavian’Andriamanitra Manjaka
Ny Fanjakana Lavorary an’Andriamanitra
Voantso Hanjaka sy Hampianatra
Fanazavana ny amin’ny Fara-Fivoriana na Fitsarana Farany
100 Taona ny Fitsaran’Ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe
Fahafatesana Faharoa sy Fanavaozana ny Tarehin’ny Tany
Ny Fahafatesana Faharoa
Fanavaozana ny Tarehin’ny Tany
Kol 2:16. Nitandrina ny Fotoam-Pivavahana ny Jentilisa Kristiana
Fehiny
Voalohany: Nandidy Andro Fivoriana Masina Isan-Taona Jehovah
Faharoa: Famintinana ireo Andro Firavoravoana Isan-Taona
Fahatelo: Ahoana ny amin’ny Firavoravoan’ny Sabata?
Fahefatra: Ny Farihy Afo na Helo sy ny Fahafatesana Faharoa
Tovana




FAMPIDIRANA


Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah

(Lev 23:1, 2, 4, 37) 1« Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » 2« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » 4« Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy: » 37 « Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina … samy amin'ny fotoany avy izy rehetra, »
ð  Nohamafisin’i Jehovah in-telo ny fandidiana izany.

Natao ho an’iza ary ny Fotoa-pivavahana notendren’i Jehovah? Ho an’Isiraely ara-nofo ihany ve, izay nasainy nitandrina azy mandrakizay? Sa natao ho antsika Isiraely ara-panahy indrindra (zaranak’i Abrahama koa, Gal 3:27-29; Rom 4:16)? Inona avy tamin’ny Zanak’Isiraely ara-nofo no lovaintsika Isiraely ara-panahy? Inona no ataon’i Jehovah izay manatrika ireo Fotoam-pivavahana notendreny? Mbola manankery ve ankehitriny ny fitandremana azy ireo amin’ny fotoany avy? Sa tsy ilaina satria “aloka fa tsy tena izy”? Mirakitra inona moa izy ireo? Raha Jesosy Mpamonjy no manatanteraka izay raketiny, moa tsy misy andraikitra takiana amin’ny olona izay hovonjena ve? Tsy hampianatra azy ireo koa va ny olom-boafidy amin’ny Fanjakana arivo taona? (Zak 14:1-4, 16-19).

« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah! » (Sal 34:8)
Raha hanandrana Azy ihany, ahoana ireo Andro Masina nodidiany ho mandrakizay?
Hoy Jesosy, nanome tsiny ny mpitondra fiangonana tamin’ny androny: « Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo? » (Mar 7:9). Mariho tsara io tsikera nataon’i Jesosy io ! Mihatra indrindra amin’ny fitandremana ireo Fotoam-pivavahana notendren’i Jehovah ho masina io. Izany tokoa, satria tsy misy olona mahay manompo tompo roa, afaka sady hitandrina ireo fety nampidirina ao am-piangonana avy tamin’ny lovantsofina, no hanao izany koa amin’ireo Andro masina nodidian’i Jehovah ao amin’ny Baiboly, izay notandreman’i Jeososy sy ny fiangonana apostolika.

Tsy maintsy MISAFIDY isika! Diniho tsara ny lanjan’ny fandidiana in-3 hoe « Fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy » (Lev 23), izay mitantara ny dingana rehetra amin’ny Planin’Andrianamitra hamonjena ny olombelona ho tafiditra ao amin’ny Fanjakany eto an-tany. Tsy maintsy misafidy isika na hanaraka an’i Kristy sy ireo apostoly voalohany, amin’ny fitandremana ireo dingam-pamonjena ireo, na “hanamasina” fotoana hafa araka izay heverintsika!


FITANDREMANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA ANKEHITRINY


Nataon’i Jehovah hantsoina ho fivoriana masina ary ho tsarovana mandrakizay

Raha niteny tamin’ny ny mpitondra fiangonana tamin’ny androny Jesosy dia nanome tsiny azy ireo hoe: « Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo? » (Mar 7:9). Io tsikera nataon’i Jesosy io dia mihatra amin’ny fitandremana ireo Fotoam-pivavahana notendren’i Jehovah ho masina. Marina tokoa izany satria tsy misy olona afaka sady hitandrina ireo fety nampidirina ao am-piangonana avy tamin’ny lovantsofina, no hitandrina koa ireo Andro masina nodidian’i Jehovah ao amin’ny Baiboly. Iretsy farany anefa dia nohajain’i Jesosy sy ny fiangonana apostolika.

Mavesa-danja eo amin’i Jehovah ny namerenany in-telo ny teny hoe « Fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy » ao amin’ny Levitikosy 23, sady nasaina tandremana mandrakizay (Lev 12:14, 17 ; 31:13 ; Nom 15:15, 23, 29). Mitantara ny dingana rehetra amin’ny Planin’Andrianamitra hamonjena ny olona ho tafiditra ao amin’ny Fanjakany eto an-tany ireo. Tsy maintsy tandremana avokoa izy ireo mandram-pahatanteraky ny dingam-pamonjena ambarany amin’ny fiverenan’i Kristy sy aorian’izany. Ary isika izay voaloham-bokatra dia hampianatra izany rehefa hitandrina ny Jentilisa amin’ny tehim-by mandritra ny Fanjakana arivo taona, satria ny lalànan’i Jehovah dia tsy misy miova (Eks 13:3; Sal 2:8-9; Mat 5:18; 26:29; Apo 2:26-27; 19:15; Zak 14:16).
« Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra. » (Mat 5:18)

Ny zava-marina voalazan’ny mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha dia avy amin’Andriamanitra, ary tao an-tendrombohitra Sinay dia nomeny an’i Mosesy hotehirizin’ny Zanak’Isiraely hatramin’ny taranaka fara-mandimby, mba homena antsika Kristiana aty amin’ny Testamenta Vaovao. Ireo zava-marina ireo dia: ny Sabata isan-kerinandro, ny Sabata lehibe sy Fety fito isan-taona, ary ny Tetiandro masina (calendrier sacré). Ny teny hoe Sabata dia midika hoe andro fitsaharana sy fivoriana masina, fa ny Fety kosa dia firavoravoana.

Izao no nampanoratina ny apostoly ao amin’ny Testamenta Vaovao:
« Mosesy nilaza tamin'ny Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy, (Deo 18:15) », (Asa 7:37). « Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika. » (Asa 7:38)

Koa tsy maintsy misafidy isika na hanaraka an’i Kristy sy ireo apostoly voalohany, amin’ny fampianarana ireo dingam-pamonjena ireo, na hanamasina fotoana hafa araka izay heverintsika!
« Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho Lalàna mandrakizay. » (Eks 12:14)

Raha mahatsapa isika fa tena fototry ny aim-panahin’ny olombelona ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, satria dingana amin’ny Planin’ny Famonjena, sady azo ampiharina tsara amin’izao androntsika izao, dia tiantsika hianarana ny fomba fitandremana azy ankehitriny.
Aiza no tsy maintsy ankalazana azy? Any an-tokatrano ve sa any am-piangonana? Inona no tsy maintsy atao amin’ireo andro ireo? Eken’Andriamanitra ve ny iasana toy ny an-davanandro, sa tsy maintsy mitsahatra, ka manao fanompoam-pivavahana? Inona no ho vokatry ny fitandremantsika azy ireo amin’ny fiainam-pianakaviana sy ny asa aman-draharaha?

Fanontaniana mavesa-danja avokoa ireo, izay tsy maintsy itadiavam-baliny raha hianatra ny fitandremana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin’i Jehovah. ‘Ndeha hodinihintsika ny foto-kevitra ara-baiboly sasany izay tsy maintsy hajaina eo am-pitandremana ireo andro fototry ny aim-panahintsika ireo.

Ny sasany amin’ireo Fotoam-pivavahana ireo dia manondro fomba fitandremana azy miavaka amin’ny hafa. Ohatra, ny Pasaka irery no mampiasa mofo sy divay hanambarana ny nahafatesan’i Kristy. Ny andro Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira irery no andidian’i Jehovah fanesorana ny masirasira na leviora tao an-tokatrano. Ny Fanisana 50 andro no mampiavaka ny Pentekosta. Fampilazana ady sy Fiverenan’i Kristy, ary Fanagonana ny Olom-boavonjy no mampivohitra ny Fety Fitsofana Trompetra. Ny Andro Fanavotana kosa dia miavaka noho ny fifadiana rano sy sakafo mandritry ny 24 ora. Ny Fitoerana amin’ny Trano Rantsan-kazo dia ipetrahana amin’ny toerana tsy maharitra. Ny Fara-Fivoriana dia tandremana miaraka amin’ny Trano Rantsan-kazo.
Ny tena fitandremana ireo andro ireo dia miaraka amin’ny fankatoavana ireo mampiavaka azy ireo, izay natao hampianarana lesona ara-panahy ho antsika.

Amin’ny ankapobeny anefa, misy fitsipika itovizan’ny Fotoam-pivavahana rehetra.
·  Voalohany, tsy maintsy tadidina fa masina eo anatrehan’i Jehovah izy ireo. Ireo dia « fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, » (Lev 23:2)
·  Faharoa sy fahatelo ary fahefatratorina sy ampianarina, ary ampiharina ny hevi-panahin’ny dingana lalovana amin’ny fotoana itandremana azy. Jehovah manatrika sy manampy mba hahatanteraka izay ilaina, sy hamaha ny olana, ary handresy ny fahavalo.
·  Ny fiainana an’ireo rehetra ireo no atao hoe Fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra, sy Fitafiana an’i Jesosy Kristy, ary Fitafiana ny fiadian’Andriamanitra rehetra.
·  Ohatra
ü     Jehovah niaro ny Zanak’Isiraely tsy ho faty tamin’ny Paska voalohany tany Egypta, fa nandringana ny fahavalo (14 Abiba na Nisana; Eks 12:1-19); Nitantana sy niaro ary namonjy azy ireo Izy (nandringana ny fahavalo endriky ny ota sy Satana) nandritry ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira voalohany (15-21 Abiba; Eks 12:51; 13:1-10); Nanome sy nampianatra ny Didy folo ary nanamasina ny Zanak’Isiraely Izy tamin’ny Fetin’ny Pentekosta voalohany teo an-tendrombohitra Sinay (50 andro taorian’ny nivoahana avy any Egypta; Eks 19:1-25); sns…
ü     Mosesy feno ny voniahitr’Andriamanitra sady feno ny Fanahy Masina ary manana ny Didy folon’Andriamanitra hampianarina sy ho enti-mitandrina ny olony raha nidina fanindroany avy any an-tendrombohitra, avy tany amin’i Jehovah, ka nanantona ny vahoakan’Andriamanitra sy nampianatra azy (Eks 34:29-35). Fotoan’ny Fetin’ny Tabernakely voalohany tany an’efitra io, endriky ny fiverenan’i Jesosy Kristy fanindroany amim-boninahitra, amin’ny Fanjakana arivo taona.
ü     Jesosy Zanak’Andriamanitra nitandrina ny Paska niaraka tamin’ny fianakaviany mandrakariva fony Izy mbola zaza (Lio 2:40-41). Nitandrina ny Fety Fihinana Mofo Tsy Misy Masirasira koa Izy (Lio 2:43). Nitandrina ny Paska koa Izy rehefa lehibe, hatramin’ny Fety natrehiny farany talohan’ny namonoana Azy (Lio 22:7-8, 15). Nitandrina ny Fetin’ny Tabernakely koa Izy, sady nampianatra ny olona (Jao 7:8-14). Nitandrina ny Fety Fara-fivoriana sy nampianatra toy izany koa (Jao 7:37). Nanome ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta nanorenany ny Fiangonana Kristiana voalohany Izy (Asa 2).
ü     Ny Fiangonana apostolika voalohany nitandrina ny Fetin’ny Pentekosta (Asa 2; Asa 20:16).
ü     Paoly nitandrina sy nampianatra ny amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira (1Kor 5:7-8); Nitandrina ny Pentekosta koa izy (1Kor 16:8-9)
ü     Petera nitandrina ny Fetin’ny Tabernakely, nanasitrana marary sy nitory teny momba ny famonjen’i Kristy, sy ny hiverenany hitondra fiadanana amin’ny Fanjakana arivo taona (andro famelombelomana) (Asa 3:1-7, 19-21).

Andrimanitra irery no afaka manokan-javatra ho masina ho Azy

Jehovah no nametraka ireo andro voatokana ireo amin’ny toerana ambony kokoa noho izay fankalazana noforonin’olombelona rehetra. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia afaka manokana fotoana ho an’Andriamanitra noho ny zava-kendreny; fa Andriamanitra irery no afaka manokana fotoana masina ho Azy. (Gen 2:3; Eks 20:8, 11; Lev 23:2, 4, 37). Rehefa mampiseho fankatoavana marina sy mankafỳ ireo andro voatokana isan-taona ireo isika, dia manome haja sy voninahitra an’Andriamanitra, satria manaiky ny fahefany eo amin’ny fiainantsika. Ny fahatakarana izany fitsipika izany dia zava-dehibe raha hivavaka marina amin’Andriamanitra, araka izay nolazainy hoe:

« Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. » (Gen 2:3)
« Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. » (Eks 20:8) « Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. » (Eks 20:11)

JERY ANKAPOBENY NY PLANIN’ ANDRIAMANITRA


Ny ankamaroan’ireo milaza ho Kristiana dia mitandrina izay antsoiny hoe « Fanasan’ny Tompo », « Lamesa », « Eokaristia », na izay fanao mitovy amin’izany, mitarika ho amin’ny fizarana ny mofo sy ny divay izay manamarika ny sorona nataon’i Kristy.
Vitsy amin’izy ireo anefa no mahazo ny antony anaovany izany, sady samy hafa koa ny fanatanterahany azy araka ny antokom-pivavahana (anara-piangonana) arahiny.

Io fomba fanao io dia fahatsiarovana ny DINGANA VOALOHANY IHANY amin’ny Planin’Andriamanitra. Ho an’ny ankabeazan’ny Kristiana, ireo dingana hafa rehetra dia tena tsy jerena akory, koa noho izany dia tena tsy azony izay dikany. Manana Planina misy dingana fito Andriamanitra – toy ny nampahafantarany zavatra sasany mifototra amin’ny isa fito. Hatrany am-boalohany, Andriamanitra dia namorona ny andro fito amin’ny herinandro (Gen 1). Ny andro fahafito dia nofidiny ho Sabatany masina (Gen 2:1-3). Taorian’izay dia nanome ny Andro masina fito isan-taona Izy, hampahafantarany ny Planiny sy ny Tanjony ho an’ny zanakolombelona (Lev 23). Ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia hitantsika ny fanoritany ny Fiangonana FITO ao amin’ny Apokalypsy (Apo 1:20 ; Apo 2 ; Apo 3). Azontsika vakina koa fa misy ny Tombokase FITO, Trompetra FITO, Loza FITO farany, ets. Satria ny isa fito dia mariky ny fahatotontasana na ny fahatanterahana.

Noho izany, raha azontsika, toa tsy misy dikany ny fankalazana Fetin’Andriamanitra fanao isan-taona IRAY IHANY, izay manoritra ny am-pahany iray fotsiny amin’ny Planiny, fa HADINOINA kosa ny sisa. Mba hijerena ankapobeny izay ho hitantsika amin’ny antsipiriany, dia ‘ndeha hodinihina fohy ireo Fetin’Andriamanitra ara-panahy FITO isan-taona, hahazoantsika bebe kokoa ny Planina sy ny TANJONA ambaran’izy ireo.

Voalohany, ankalazaintsika manetriketrika ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy nisolo antsika. Ny Baiboly dia miantso izany hoe « Paska ». Io no manamarika ny fankatoavantsika ny tenan’i Kristy torotoro sy ny rany latsaka, izay natolony antsika amin’ny maha Mpamonjy Azy. Tadidio anefa fa dingana voalohany amin’ny Planin’Andriamanitra ihany io!

Manaraka izany, tsy maintsy MITOMBO amin’ny fahasoavana sy fahalalana an’i Jesosy Kristy isika (2 Pet 3:18), ary MANARY any ivelan’ny fiainantsika ny lalantsika taloha sy ny fahazarantsika manota. Izany fahaiza-miaina izay manery antsika « handresy » izany no tantarain’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira.

Fahatelo, isika rehetra izay mamorona ny Fiangonana nateraky ny Fanahy Masina – ny « ondry vitsy » (Lio 12 :32) – isika dia « santatra » ihany amin’ny vokatra ara-panahy lehibe izay hiseho aorian’ny Fiverenan’i Kristy. Noho izany, ny Fety isan-taona fahatelo, ny Fetin’ny Pentekosta na Fetin’ny Voaloham-bokatra, dia mampiseho fa tsy misy afa-tsy vokatra ara-panahy kely ihany, no angonin’Andriamanitra ankehitriny. Ny tena marina dia izao: TSY EO AM-PANANDRAMANA « mamonjy » izao tontolo izao Andriamanitra ankehitriny. Fa raha izany fanandramana izany no ataony, dia olona tsy mino AN-DAVITRISANY maro, efa maty hatramin’ny elabe, ary koa betska toy izany, mbola velona ankehitriny any Chine, Inde sy any amin’ny firenen-kafa maro, no tsy hahafantatra velively an’Andriamanitra marina, na hankatò ny Zanany ho Tompo sy Mpamonjy !

Ny zava-hitranga amin’ny ANDRO FARANY dia tantaraina ao amin’ny volana fahafito

Fahefatra, ny Fetin’ny Trompetra, (Lev 23:24) dia mampiseho ny FIAFARAN’izao tontolo izao misy fikorontanana lehibe ary koa ny Fiverenan’i Kristy eto an-tany. Ny trompetra ara-bakiteny dia nampiasaina tamin’ny andron’ny Zanak’Isiraely taloha ho tsofina hampiomanana rehefa misy ady. Amin’ny androntsika izao, amin’ny fotoana faratampon’ny ady sy fikorontanana eran-tany, dia hiverina Jesosy Kristy hamonjy, ary hisy fitsanganan’ny maty amin’ny « FITSOFANA NY TROMPETRA FARANY » (1 Kor 15:51-52).

Rehefa izany, aoriana akaikin’ny fiverenan’i Kristy, Satana dia hofatorana sy hatsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, « mba TSY HAMITAKA NY FIRENENA INTSONY ». (Apo 20:3). Noho izany, rehefa voafatotra i Satana, dia afaka « hampihavanina », na “ho tena iray” amin’Andriamanitra ny olona. Izany no tantarain’ny Fety ara-panahy fahadimy – Andro Fanavotana.

Aorian’ny fiverenan’i Kristy, Andriamanitra dia handrotsaka ny Fanahy Masina amin’ny olona rehetra, ary hanomboka hanazava ny fahafantarana marina ny Planiny lehibe. Miteny momba izany fotoana izany Izy, ary milaza hoe : « Ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. » (Isa 11:9). Izany no ambaran’ny fitandremantsika am-pifaliana ny Fety fahenina amin’ny Planin’Andriamanitra, – Fetin’ny Tabernakely, na « Fetin’ny Famoriam-bokatra » (Eks 34:22).

Ny tetiandron’ny Fety Masin’Andriamanitra dia mifototra amin’ny fizaran-taona fijinjam-bokatra tany Isiraely. Arak’izay voatondro, izy ireo dia mitantara fijinjam-panahy ho an’Andriamanitra. Amin’ny voalohany, ny vokatra kely dia ambaran’ny Fetin’ny “Santa-bokatra” (Jesosy Kristy) sy ny “Voaloham-bokatra” (Kristiana amin’ny fitsanganana voalohany). Ary amin’ny FARAN’izao andro izao, ny fijinjam-bokatra lehibe amin’ny faran’ny taona dia ambaran’ny « Fetin’ny Tabernakely » (Fanjakana arivo taona).

Izao kosa isika dia tonga amin’ny Fety ara-panahy fahafito sady farany, izay nomen’Andriamanitra ny olony. “Fa inona indray no tsy mbola mahafeno io Planina io?” hoy ny fanontanianao. Aorian’ny fanjakan’i Kristy arivo taona, dia mbola hisy olona AN-DAVITRISANY MARO, maty taloha, izay TSY NANANA MIHINTSY tamin’ny androm-piainany, fotoana NAHAFANTARANY izay kely indrindra momba an’Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ary ny Planin’ny Famonjena. Inona no hanjò ireo olombelona an-davitrisany “very” ireo, satria “TSY MISY FIZAHAN-TAVAN’OLONA” amin’Andriamanitra? (Rom 2:11). Ny Fety lehibe fahafito dia manambara ny fotoana izay hanokafan’Andriamanitra - VOALOHANY ny fanahin’ireo olombelona ireo – mba hahazoany ny Tenin’Andriamanitra, sy hananany fotoana hisoratan’ny anarany ao amin’ny “bokin’ny fiainana” (Apo 20:11-12 ».

Amin’ny fitandremana io Fety fahafito io izay antsoina hoe « Fara-fivoriana (Lev 23:36) na Andro lehibe farany » (Jao 7:37), no maha feno ny fahalalantsika ny sarin’ny PLANINA nataon’ny Mpamorona hidiran’ny olombelona ao amin’ny Fianakaviany na Fanjakany. Ny fanatanterahana ny dingana rehetra amin’io Planina io dia manomboka amin’ny fanekentsika an’i Kristy ho Mpamonjy, ka hatramin’ny fiverenany, ary mitohy hatramin’ny Andro lehibe farany, rehefa manana fotona hahavonjy azy ny olombelona REHETRA.
Ireo Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah ireo dia sarin’ny Planin’Andriamanitra TOKOA. Ny fetim-pivavahana hafa avy amin’ny fanompoan-tsampy, izay nampidirin’i Satana tamin-kasomparana sy fitaka ao amin’ny fiangonana dia tena somonga ratsy mihitsy.

Ny marina dia izao, mivavaka amin’ny andriamani-tsi-izy sy Kristy sandoka ireo fiangonana ireo, ary manosika antsika hanaiky filazantsara diso, izay mifanohitra mivantana amin’ny hafatra marina notorin’i Jesosy Kristy sy ny Apostoly !

Ireo Fety fito ireo – ny roa aminy maharitra fito andro, ary ny dimy maharitra indray andro ihany – dia misy andro sivy ambin’ny folo isan-taona ny fitambarany. Amin’ireo andro sivy ambin’ny folo ireo, ny fito dia fitsaharana manokana na “Sabata”. Ireo Sabata fito isan-taona ireo – izay antsoina hoe koa « Fivoriana Masin’Andriamanitra isan-taona » - na « Andro Masin’Andriamanitra isan-taona », dia ireto avy : ny Paska, ny Mofo Tsy Misy Masirasira, ny Pentekosta, ny Fitsofana Trompetra, ny Andro Fanavotana, ny Tabernakely, ary ny Fara-Fivoriana (antsoina hoe koa Andro Fahavalo amin’ny Tabernakely).

Fotoan’ireo Fivoriana masina tsirairay isan-taona

« Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » (Lev 23:2) « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. » (Lev 23:3)
« Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy: » (Lev 23:2437)
ü Paska : andro Faha 14 Nisana, rehefa hariva.
ü Mofo Tsy Misy Masirasira : andro Faha 15 hatramin’ny faha 21 Nisana. Misy andro fitsaharana roa: faha 15 sy faha 21 Nisana.
ü Pentekosta: andro Faha 50 isaina manomboka ny ampitson’ny Sabata ao anatin’ny herinandron’ny Paska.
ü Fitsofana trompetra: andro Voalohan’ny volana faha 7.
ü Fanavotana: andro Faha 10 amin’ny volana faha 7.
ü Tabernakely: andro Faha 15 hatramin’ny faha 21 amin’ny volana faha 7Fivoriana masina amin’ny andro faha 15.
ü Fara-fivoriana: andro Faha 22 amin’ny volana faha 7.

Jereo ao amin’ny tovana any amin’ny faran’ny boky ny datin’ny fivoriana masina isan-taona amin’ny Kalandrie Gregoriana.

Andiamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba no nandidy ireo Fivoriana masina ireo

« Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Isiraely); … izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby. » (Eks 3: 6, 15)
Raha Jehovah Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba no nandidy ireo firavoravoana masina ireo ho mandrakizay, mba Andriamanitra iza kosa no ivavahan’ny Kristiana tsy mankatò hankalaza izany? Io Jehovah io koa anefa dia Andriamanitry ny firenen-tsamy hafa, fa tsy an’ny Isiraely ara-bakiteny ihany, araka ny vaoasoratra hoe: « Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? » (Jer 32:27)

Amin’ny ara-pinoana, vao maika nohamafisina fa izay an’i Kristy dia taranak’i Abrahama, koa dia natao ho antsika Zanak’Isiraely ara-panahy mihitsy koa ny Fotoam-pivavahana voatendry, izay hantsoina ho fivoriana masina na andro fivavahana, toy ny Sabata fitsaharana, amin’ny fotoany avy.
« Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama. » (Gal 3:7) « Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. » (Gal 3:26) « Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. » (Gal 3:29)
Ny teny fikasana dia fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty sy fandovana fiainanana mandrakizay, hanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy eto an-tany.
Sabata lehibe ny Fotoam-pivavahana voatendry, izay notandremana taty amin’ny Testamenta Vaovao avokoa (Jao 19:31):
« Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany. » (Jao 19:31)

FANKALAZANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOANTENDRY AO AMIN’NY TESTAMENTA VAOVAO


Nanatrika ireny Fotoam-pivavahana notendren’i Jehovah ireny hatrany Jesosy Zanak’Andriamanitra, sy ny Ray

Ny Ray dia nanatrika sy nampahery an’i Jesosy Kristy teo am-panatanterahany ny dingam-pamonjena iray, toy ny Paska, sy ny Pentekosta (tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina).

Fony mbola zaza Jesosy dia nitandrina ny Fotoam-pivavahana voatendry (Fivoriana masina) niaraka tamin’ny fianakaviany. « Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin'ny Paska. » (Lio 2:41). Tamin’io Fety isan-taona io indrindra Izy, fony 12 taona, no niady hevitra tamin’ny mpampianatra (and 42-48). Nampitolagaga ny mpitondra fivavahana ny fahalalany sy ny faharanitan-tsainy. Ny Filazantsaran’i Jaona dia mampiseho fa nandritra ny taona nitoriany dia mbola nitandrina ireo andro masina ireo hatrany Jesosy; (Jao 2:23; 4:45).

Na dia notadiavin’ny lohan’ny fiangonana ho vonoina aza Izy dia mbola niakatra tany Jerosaelma ihany nandritry ny Fetin’ny Tabernakely sy ny Fara-fivoriana – na hahafaty Aza izany (Jao 7:1-2, 7-10, 14).
Izao no toriteny nataony: « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana (Fara-fivoriana), dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » (Jao 7:37) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jao 7:38) « Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] » (Jao 7:37-39)

Ny ankamaroan’ny Fiangonana milaza ho kristiana dia mampianatra fa novan’i Paoly tanteraka ny fivavahana kristiana. Heverin’izy ireo fa nampianatra ny Jentilisa niova ho kristiana Paoly, ka nilaza hoe tsy ilaina intsony ny fitandremna ireo andro firavoravoana voatendrin’i Jehovah ireo. Ekena fa saro-patarina ny soratr’i Paoly (2 Pet 3:15), nefa Paoly dia nanamafy hoe “Manahafa ahy tahaka ny anahafako an’i Kristy”, ary Kristy dia tsy nanafoana ireo fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah ireo fa nanaja azy tanteraka.

Ao amin’ny 1Kor 11:1-2 sy 23-24 dia izao no nambaran’i Paoly:
1 « Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy. » 2 « Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo. » 23 « Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, » 24 « ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina] »

Raha tsy zatra nitandrina ny Andro Masina izy dia tsy mitombona ireo fampianarana nomeny ny Jiosy sy ny Jentilisa tany Korinto ireo. Tsy misy toko sy andininy ao amin’ny Soratra Masina manaporofo fa Paoly dia nitady handresy lahatra na iza na iza mba tsy hitandrina ny Andro Masin’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany aza fa tsy ho azony eritreretina mihitsy ny toy izany (Asa 24:12-14; 25:7-8; 28:17).

Ny fandinihana ny Baiboly dia ahatsapana fa im-betsaka Paoly no nankalaza ireo Fetin’Andriamanitra ireo, satria noheveriny ho zava-dehibe teo amin’ny fiainany izany. Ny Asa 20:16 sy 1Kor 16:8 dia ahitana fa nandamina ny diany i Paoly mba hahazoany mankalaza ny Pentekosta amin’ny toerana voatokana iray. Eo amin’ny asa 27:9, i Lioka, ilay mpiara-dia amin’i Paoly, dia mitantara fety iray antsoiny hoe fifadian-kanina, izay tsy hafa fa Fetin’ny Andro Fanavotana« Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin'izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana*, dia nananatra azy Paoly [* Ny Andro Fanavotana izany] » (Asa 27:9)

Eo amin’ny 1Kor 5:8, mandritry ny fitandremana ny Fetin’ny Mofa Tsy Misy Masirasira, Paoly dia mapianatra hitandrina izany miaraka amin’ny heviny ara-panahiny, dia ny fialana amin’ny faharatsiana isankarazany mandritry ny andro maro mifanesy mba hitomboan’ny herim-panahy sy fahamasinana.
« ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. » (1 Kor 5:8)

Ny tenin’i Paoly eo amin’ny Kol 2:16-17 dia mampibaribary fa ny Jentilisa niova ho Kristiana dia niara-nitandrina tanteraka ireo fetin’Andriamanitra ireo tamin’ny Jiosy. Hazavao tsirairay ny teny ao anatin’ny andininy dia mazava izay lazain’i Paoly ho an’ireo Kolosiana, Jentilisa niova ho Kristiana ireo (tsy Jiosy fa nitandrina ny Andro Firavoravoana votendrin’i Jehovah tamin’ny fotoany avy):
Kol 2:16-17. « Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny sabata; » « aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » Izany hoe manambara ny famonjen’i Kristy ireny.

Mariho fa ny andro firavoravoana Fitsofana Trompetra dia amin’ny voaloham-bolana fahafito no itandremana azy. Aoka tsy ho diso daty ny fiangonana fa mba hanatrika eo amin’ny fotoana marina fanatanterahana izay ambaran’ny Fivoriana Masina, toy ny tamin’ny nadrotsahana ny Fanahy Masina tamin’ireo olona 120 nanatrika ny Pentekosta tany Jerosalema (Asa 1:15). Toy izany koa no andrasana amin’ny fanangonana ny olom-boafidy amin’ny Fitsofana ny Trompetra Farany, amin’ny fiverenan’i Kristy! (1Kor 15:52). Sao dia tsy manatrika eo isika satria tsy mitandrina ny Andro Firavoravoana noho ny tsy finoana!

Porofo ireo fa mila mitandrina ireo Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah ireo isika Jentilisa niova ho Kristiana, mba hananantsika anjara amin’izay ambarany, dia ny fanatanterahan’i Jesosy Kristy ny dingam-pamonjena antsika hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.


Manatrika foana Jehovah Ray, na Jesosy Kristy, na ny Fanahy Masina amin’ny fotoan’ny Fivoriana Masina notendreny

Jehovah nanome ny antsipiran’izay tsy mintsy atao rehefa hanao ny Fivoriana Masina notendreny ny olona. Tsy mbola nampahafantatra ny hevi-panahiny Izy raha nanolotra izany tamin’ny Zanak’Isiraely tany Egypta sy tany an’efitra, ary tamin’ny Testamenta Taloha.

Nomeny tamin’ny endrika faminaniana kosa izany. Ny fankatoavana ny Lalàna nodidiany no antoka nanomezany ny fitahiana. Aloky ny zavatra ho avy no ilazan’ny Apostoly Paoly azy ireo, ka ny zavatra ho avy dia ny fahatanterahan’ny hevi-panahiny, izay dingam-pamonjena ny olombelona ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny famonjena nataon’i Jesosy Kirsty.

Ny fampifandraisana ny hevitra ara-baikiteny hita ao amin’ireo Andro Firavoravoana ireo sy hevi-panahin’ny dingam-pamonjena tanteraka amin’ny alalan’i Kristy no hahazoantsika ny fomba fitandremana azy ireo ankehitriny. Harahintsika amin’ny tabilao mira-zotra izany fanazavana izany. Hamafisina ny fanatrehan’ Andriamanitra isaky ny fotoam-pivavahana.

TABILAO MIRA-ZOTRA FAMPITAHANA NY HEVITRA ARA-BAKITENY SY ARA-PANAHIN’IREO DINGAM-PAMONJENA


Hevitra ara-bakiteny = aloky ny zavatra ho avy
Hevitra ara-panahy = Tenan’i Kristy=Famonjena

1.   PASKA (14 Nisana)

Fanokanana zanak’ondry amin’ny faha 10 Nisana
Jehovah nanatrika, nanome baiko an’i Mosesy

Amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ondry   iray avy no ho an’ny isan-trano ; » (Eks 12 :3)

Famonoana ny zanak’ondry tamin’ny faha 14 Nisana
Jehovah nanatrika : nanome baiko, niaro ny zanak’Isiraely, nandringana ny Egyptiana

« ary hotehirizinareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ity volana ity; dia hamono azy amin’ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. » (Eks 12:6)
« Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin’ny tolam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanany azy. » (Eks 12:7)

« Dia hohaniny amin’izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ny afo no hihinanany azy mbamin’ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ny anana mangidy. » (Eks 12 :8)

« Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo ; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. » (Eks 12 :13)

« Ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan’i Jehovah. » (Lev 23:5)
Fanokanana an’’i Jesosy tamin’ny faha 10 Nisana
Jesosy, Zanak’Andriamanitra mihitsy no manatrika sy manatanteraka

« Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty. » (Jao 12:1)
Fanamarihana : famonoana zanak’ondry, faha 14 Nisana ; firavoravon’ny Paska, faha 15 Nisana ; 6 andro alohan’ny faha 15 = faha 9 Nisana.
Ny 10e Nisana:
« Ary nony ampitson'iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin'ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, » (Jao 12:12) « Dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118, 26). » (Jao 12:13) « Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: » (Jao 12:14) « Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9). » (Jao 12:15)

Namonoana an’i Jesosy tamin’ny faha 14 Nisana
Nifandray tamin’ny Ray, Izay manatrika foana, Jesosy Zanak’Andriamanitra raha nanantanteraka ny famonjena

« … Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Kor 5:7)

« Ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro, tokony ho tamin'ny ora fahenina dia hoy Pilato tamin'ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! » (Jao 19:14)
« Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko (Sal. 31. 5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy. » (Lio 23:46)
« Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. » (Jao 19:30)

2.   MOFO TSY MISY MASIRASIRA

(sy anana mangidy) 15-21 Nisana
Ara-bakiteny
Tany Egypta
Masirasira = lalivay na leviora mampibontsina ny mofo
« Ary ny andro fahadimy ambin’ny folo amin’izany volana izany dia Fotoam-pivavahana ho an’i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira ; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. » (Lev 23 :6) « Ary amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo : aza manao tao-zavatra akory ianareo ; » (15 Nisana) (Lev 23 :7) « … ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa ; aza manao tao-zavatra akory ianareo. » (21 Nisana) (Lev 23:8)
15 Nisana: afaka tamin’ny fahafatesana sy ny fahandevozan’ny Egyptiana ny Zanak’Isiraely dia nanao Firavoravoana
Hivoaka an’i Egypta

« Ary ny Zanak'Isiraely nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin'ny Egyptiana. » (Eks 12:35)
« Ary nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana. » (Eks 12:36)
« … Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana, fa tamin'ny tanana mahery no nitondran'i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira. » (Eks 13:3)

Nanenjika ny Zanak’Isiraely ny Egyptiana (endrik’i Satana), ka nangidy taminy ny fandosirana an’i Egypta (endriky ny ota)

« Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy. » (Eks 12:39)
« Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby. » (Eks 12:42)

21 Nisana: Tafita ny Ranomasina Mena ny Zank’Isiraely = Firavoravoana
Jehovah nanatrika sy nandringana ny Egyptiana fahavalony

« Ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. » (Eks 14:13) « Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. » (Eks 14:14)

« Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana. » (Eks 14:27)

« Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. » (Eks 14:28)

« … Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin'ny ranomasina. » (Eks 15:1)
« Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. » (Eks 15:2)
Ara-panahy
Tamin’ny andron’i Kristy sy amin’ny androntsika izao
Hevi-panahin’ ny teny hoe “masirasira” = fireharehana, fihatsaram-belatsihy, lolompo,   faharatsiana rehetra
« Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan'ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an'i Jesosy tamin'ny fitaka ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy. » (Mar 14:1)
« Nefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka. » (Mar 14:2); (2 andro alohan’ny Mofo Tsy Misy Masirasira; faha 13 Nisana)

Rehefa afaka tamin’ny fahotana taloha noho ny famonjen’i Kristy ny Kristiana, dia mifaly sady miezaka hitombo amin’ny fahamasinana
« Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema* ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy » (Lio 12:1)

« Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? » (1 Kor 5:6)
« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Kor 5:7)

« ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. » (1 Kor 5:8)

Ny ran’i Kristy sy ny fahafatesany nanafaka antsika tamin’ny fahotana tany aloha, koa mifalia sy miravoravoa, ary manalavira ny ota, tahaka ny nanalaviran’ny Zanak’Isiraely an’i Egypta, izay endriky ny ota.

MITAFY AN’I KRISTY

(Kol 3:1, 10-14) [Ny tokony hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara1«  Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. » 10« ary efa notafinareo ny toetra* vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy. [* Gr. olona] » 11« Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [* Gr. Grika] » 12« Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala. » 13« Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo* ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. [* Na: (Kristy)] » 14« Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany. »

MITAFY NY FIADIANA Atolotr'Andriamanitra
(Efe 6:11-20)
« Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. » (Efe 6:11)
« Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] » (Efe 6:12)
« Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo. » (Efe 6:13)
« Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, » (Efe 6:14)
« ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; » (Efe 6:15)
« ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. » (Efe 6:16)
« Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; » (Efe 6:17)

Manenjika ny Kristiana ny devoly sy ny ota, tahaka ny nanejehan’ny Egyptiana ny Zanak’Isiraely

« Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; » (1 Pet 5:8) « Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. » (Rom 12:12) «  Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana, » (Kol 4:2)

Ny fahafahan'ny mino an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy

« Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? » (Rom 6:1) « Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? » (Rom 6:2)
« Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? » (Rom 6:3)
« Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. » (Rom 6:4)
« fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. » (Rom 6:6) « Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; » (Rom 6:8)
« Hovonjena amin'ny “fahoriana” ny vehivavy (=fiangonana) raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena. » (1 Tim 2:15)

Amboara iray ahevaheva

(tsy anaovana fivoriana masina)
Ara-bakiteny
Voaloham-bokatra nojinjaina

« Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin'ny voaloham-bokatrareo ho any amin'ny mpisorona ianareo; » (Lev 23:10) « ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan'i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin'ny ampitson'ny Sabata no hanevahevan'ny mpisorona azy. » (Lev 23:11)

Ara-panahy
Jesosy Fanahy, Santatra, niseho tany amin’ny Ray
« Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andria-manitrareo. » (Jao 20:17)
« Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. » (Jao 20:19)
« Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. » (Jao 20:20)

Manatrika ny olony foana Jehovah sy Jesosy Kristy

Mandritry ny Andro Firavoravoana Voatendry
rehefa mankatò izay takiny aminy ny Fiangonana
Ara-bakiteny
Jehovah manatrika sy mampia-natra, miady amin’ny fahavalo

ü  Paska: Jehovah namono ny lahimatoan’i Egypta fa namonjy ny Zanak’Isiraely (Eks 12:1, 29).
ü  Mofo Tsy Misy Masira-sira: Jehovah niaro ny Zanak’ Isiraely sy nanokatra ny Rano-masina Mena, fa namono ny miaramila Egyptiana (Eks 15:19).
ü  Jehovah manome rano sy sakafo: Rano sy Mana sy Papelika (Eks 15:25-27; Eks 16)
ü  Jehovah nampianatra ny Sabata, andro fahafito, tamin’ny fanomezana ny mana (Eks 16:30).

« Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo ; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan’andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia. » (Eks 16 :4)
« Ary nony tamin’ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan’andro ny olona, dia indroan’ny vata omera ho an’ny isan-olona avy ; dia avy ny lohan’ny fiangonana ka nanambara tamin’i Mosesy. » (Eks 16 :22)
« Ary hoy Mosesy taminy : … Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an’i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina. » (Eks 16 :23)
« Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian’i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany. » (Eks 16:24)
« Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an’i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha. » (Eks 16:25)
« Dia nitsahatra ny olona tamin’ny andro fahafito. » (Eks 16:30)

ü  Nampanamboatra fitoe-rana masina (tabernakely) Jehovah

« Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho. » (Eks 25:8) « Ary ao no hihaona aminao Aho … ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin’ny Zanak’Isiraely. » (Eks 25:22)

ü  Nandidy ny Zanak’ Isiraely Jehovah, hanamasina ny tenany, fa hihaona Aminy amin’ny andro “Pentekosta.”

« Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy: » (Eks 19:10) « ary aoka samy hiomana ho amin’ny andro fahatelo izy; fa amin’ny andro fahatelo no hidinan’i Jehovah ho eo imason’ny olona rehetra eo an-tampon’ny tendrombo-hitra Sinay. » (Eks 19:11)
« Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an’i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah. » (Eks 19 :22)
Ara-panahy
Jesosy nanatrika sy nampianatra

Jesosy nampahery ny mpianatra sy nitory ny Filazantsaran’ny Fanjakan’ Andriamanitra

Talohan’ny nitsanganany

« Ny niandohan'ny filazan-tsaran'i Jesosy Kristy, Zanak' Andriamanitra. » (Mar 1:1)
« Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran' Andriamanitra » (Mar 1:14)
« Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. » (Lio 4:43)

Taorian’ny nitsanganany

« Niseho tamin’ny mpianany tamin'ny famantarana maro fa velona Jesosy taorian'ny nijaliany, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Asa 1:3)
« Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. » (Jao 20:19) « Ary rehefa   nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. » (Jao 20:20) « Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. » (Jao 20:21)

« [Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy] » (Mar 16:14)
« [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra] » (Mar 16:15) « [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Mar 16:16) « [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] » (Mar 16:17) « [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] » (Mar 16:18) « [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan' Andriamanitra] » (Mar 16:19) « [Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitoriteny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena] » (Mar 16:20)

3.   PENTEKOSTA

Ara-bakiteny

50 andro taorian’ ny nivoahana avy any Egypta no nanome-zan’Andria-manitra ny Didy Folo. Io no Pentekosta 1er!

ü  Nanatrika ny Fotoam-pivavahana Jehovah, nanome ny Didy Folo

Rehefa kajina ny isan’ny andro manomboka ny ampitson’ny faha 15 Nisana, nivoahan’ny Zanak’Isiraely avy tao Egypta, hatra-min’ny faha 6 Sivana nanomezan’ Andriama-nitra ny Didy folo teo amin’ny tendrombo-hitra Sinay, dia manome 50 andro marina tsara. Isao: 15 andro amin’ny Nisana mandra-pahatongan’ ny faran’ny volana izay misy andro 30. Ampio 29 andro amin’ny volana faha 2 Ziva, sy 6 andro amin’ny volana fahatelo Sivana: Totaliny: 50 andro = fe-potoana atongavana amin’ny Pentekosta (Lev 23:15-16).

Fanisana 50 andro hahatongavana amin’ny Pentekosta

« Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka. » (Lev 23:15)
« Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no haha-taperan'ny andro dimam-polo hisainareo … » (Lev 23:16)
« Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masina ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranaka-reo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay fonenana-reo rehetra. » (Lev 23:21).
Ara-panahy

Jesosy nanafatra ny mpianany hiandry ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny andro Pentekosta

« Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo. » (Lio 24:49)
« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asa 1:8)
120 ihany ny mpianatra nandray ny Fanahy Masina tamin’ny Pentekosta
An’arivony maro ny olona nitorian’i Jesosy teny ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy nampanantenainy ny Fanahy Masina, fa ireo ihany no niandry araka izay nohafarany.
Ny nifidianan'ny Apostoly ny anankiray ho namany hisolo an'i Jodasy
« Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona vory teo) » (Asa 1:15)

Rehefa niakatra any an-danitra Jesosy, dia ny Fanahy Masina no manatrika ny Fotoam-pivavahana rehetra
« Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. » (Asa 2:1) « Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. » (Asa 2:4) « Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? » (Asa 2:7) « Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika » (Asa 2:8)
« Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: » (Asa 2:14)
« Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; » (Asa 2:17) « Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy; » (Asa 2:18) « Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon'ny setroka; »   (Asa 2:19)
« Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. » (Asa 2:36)
« Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? » (Asa 2:37) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asa 2:38)
« Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany. » (Asa 2:41)

4.   FITSOFANA TROMPETRA

Ara-bakiteny
ü  « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Lev 23:23) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina. » (Lev 23:24) « Aza manao tao-zavatra akory; … » (Lev 23:25)

Sabata fitsaharana isan-taona no hevitry ny hoe: « Aza manao taozavatra akory », sady “Fivoviana Masina” (Andro Fivavahana).
ü  Nisy trompetra vola-fotsy roa nampanamboarin’ Andriamanitra an’i Mosesy tamin’ny andro nandehanan’ny Zanak’Isiraely tany an’efitra: ho fiantsoana ny fiangonana sy ho fampiaingana ny toby. (Nom 10: 1-2, 10: 8)
ü  Ho fampitairana handeha hiady koa no itsofana ny trompetra, na koa ho tsofina any am-piadiana araka izay ibaikoan’i Jehovah azy (Nom 10: 9-10, 31:6).
ü  Ampanenoina amin’ny androm-pifaliana koa ny trompetra (2 Mpan 11: 14; 1 Tantara 13: 8).
ü  Tsofina teo anoloan’ny fiaran’i Jehovah ny trompetra rehefa afindra io (1 Tan 15: 24, 28)
ü  Rehefa manao hira fiderana ho an’i Jehovah koa dia tsofina ny trompetra. (Sal 81:1-4).
ü  Vakio: 2 Tan 5: 12-13 ; 7:6 ; 13: 12, 14 ; 15 : 28 ; 29 : 26-28 ; Ezr 3: 10 ; Neh 12: 35, 41 ; Sal 98: 6.

Tsofina ny trompetra ho fiantsoana ny fiangonana sy ho fampiaingana ny toby. (Nom 10: 1-2, 10: 8)
[Ny trompetra volafotsy] «Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe»: (Nom 10:1) « Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo. » (Nom 10:2) « Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany. » (Nom 10:8)

Fotoan’ady lehibe eto an-tany amin’ny fiverenan’i Jesosy Kristy

« Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro haha-tongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Mat 24:3)

« Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. » (Mat 24:6)
« Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa. » (Mat 24:7)
« Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana; izahao 19. 28] » (Mat 24:8)

« Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. » (Lio 21:31)

[Ny namahana ny tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny trompetra efatra] « Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra. » (Apo 8:1) « Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan' Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo. » (Apo 8:2)

« Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka. » (Apo 8:6)
« Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. » (Mat 24:22)
Ara-panahy
« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony] » (Jao 3:3)
« Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? » (Jao 3:4)

« Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. » (Jao 3:5)
« Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. » (Jao 3:6)
« Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray* ianareo. [*Na: hateraka avy any ambony] » (Jao 3:7)
« Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. » (Jao 3:8)

« Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany* efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.[*Gr. rivotra] » (Mat 24:31) « fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (1 Kor 15:52) « Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; » (1 Tes 4:16)

Sabata fitsaharana isan-taona no dikan’ny hoe: « Aza manao taozavatra akory », sady “Fivoriana Masina”, Andro Fivavahana (Lev 23:24-25).
Fahatsiarovana ny Fitsofana Trompetra koa no hevitry ny Andro Fivavahana amin’io andro voalohany amin’ny volana fahafito io.

Ny fitsofana trompetra dia misy heviny maro.
ü  Ny isa 7 amin’ny Planin’ Andriamanitra dia manambara fahatanterahana sy fahafenoana. Ny volana fahafito amin’ny tetiandrono masin’ Andriama-nitra (calendrier sacré de dieu) no misy ireo dingana efatra farany amin’ny Planin’ny Famonjena. Ny Fety Fitsofana Trompetra no manomboka azy efatra.

ü  Tsofina ny trompetra hampahafantarana ny fety rehetra izay manomboka. Atao koa ny Andro Firavoravoana (“Tsofina ny trompetra”) ho fanambarana izao Andro Farany  misy antsika izao, ho fampandrenesana fa antomotra ny ady lehibe farany eto amin’izao tontolo izao! Izany fampilazana ady izany no mampiavaka ny Fety Fitsofana Trompetra.

ü  Amin’ny fotoan’ady lehibe manerana izao tontolo izao no nambaran’i Jesosy fa hampijoroana ny Fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany (Mat 24:3, 6-8; Lio 21:31-32).

ü  Voalazan’ny boky Apokalypsy fa hisy feon’ny trompetra mahagaga mafy faneno mialohan’ny fiavian’i Jesosy Kristy sy ny Fanangonana ny olom-boafidy (Apo 8:1-2, 6).

ü  Rehefa novahan’i Jesosy Kristy ny tombo-kase fahafito teo amin’ny boky izay noraisiny teny an-tanan’ilay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana (Apo 5:1), dia niomana hitsoka ireo anjely fito nomena trompetra fito izay hampirotsaka ny loza famaizana ny mponin’ny tany, satria manao ny ady lehibe farany izy ireo.
ü  Izany ady lehibe izany, raha tsy atsahatr’i Kristy amin’ny fiverenany, dia tsy hisy nofo hovonjena intsony eto an-tany, hatramin’ny olom-boafidy, hahatanteraka ny Fanavotana sy ny Fanjakana arivo taona. Tsy ho feno izany ny Planin’Andria-manitra amin’ny famonjena ny olombelona! (Mat 24:22).

FANANGONANA NY OLOM-BOAFIDY

AMBARAN’NY FITSOFANA TROMPETRA (1Kor 15:52)
“… Ny maty hatsangna tsy ho lò intsony ary isika hovana”
Tsy ho voangona ao amin’ny Fianakavian’Andriamanitra ny olom-boafidy raha tsy “nateraka indray izy”, izany hoe natsangana tamin’ny maty ary voaova ho Fanahy (Jao 3:3-8). Fanangonana ireo voaova ho Fanahy ireo no ambaran’ny dingana fahefatra amin’ny Planin’Andriamanitra (Fitsofana Trompetra). Ny Fety Fitsofana Trompetra dia manambara zava-miseho misy lafiny roa ao amin’ny Planin’Andriamanitra.
Amin’ny lafiny iray izy dia manambara fotoan’ady mahatsiravina ho avy ifanaovan’ny olombelona, izay ilana ny fidiran’i Jesosy Kristy an-tsehatra, hisakana ny fifandringanan’ny olona tanteraka (tsy hisy olona velona intsony). Famerenana ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany no mahasakana izany. Nolazain’i Jesosy fa « Raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. » (Mat 24:22).
Amin’ny lafiny faharoa kosa izy dia manambara ny fiverenan’i Kristy hanangana amin’ny maty ireo olom-boafidy.
Raha tsy misy olona intsony eto an-tany noho ny fifandringanana ataony, dia tsy misy hampianarina sy hovonjena intsony. Tsy misy ilana ny “Fanavotana” sy ny “Fanjakana arivo taona” instony ao amin’ny Planin’ Andriamanitra, satria ho famonjena ny olona no antom-pisian’ny “Fanavotana”, ary fanangonam-bokatra ara-panahy lehibe ny “Fanjakana arivo taona”. Ireo izay notorontoronin’ny Fanahy sy voafidy ho voaloham-bokatra koa dia tsy hahatanteraka ny fitomboany raha iharan’io fifandringanana io alohan’ny fotoana ny olona.
Amin’ny voalohan’ny volana fahafito no fahatsiarovana ny fitsofana Trompetra. Io volana fahafito io dia misy Andro firavoravoana efatra: Fitsofana Trompetra (Fanangonana ny voaloham-bokatra), Fanavotana (Fanidiana an’i Satana), Tabernakely (Fanjakana arivo taona), ary Fara-fivoriana (Fitsarana farany).

5.   ANDRO FANAVOTANA

Ara-bakiteny

-Fivoriana masina omba-pifadian-kanina sy fibeba-hana,
« Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo. » (Lev 23:27) « Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo. » (Lev 23:32)

-Fifonan’ny mpisorona sy ho an’ny ankohonany
« Ary hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany. » (Lev 16:11)

-Ran’ny osilahy an’i Jehovah
« Ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana. » (Lev 16:5)
« Ary hampanatonin'i Arona ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota. » (Lev 16:9)

-Fandroahana ny osilahy an’i Azazela
« Fa ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an'i Azazela. » (Lev 16:10)

Ara-panahy:

Fivoriana masina sy “Deliverance”

Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona
« Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; » (Apo 20:1) « dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, » (Apo 20:2) « dia nanipy azy ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. » (Apo 20:3)




Dingana voalohany


Miantso fivoriana masina sy fibebahana ombam-pifadian-kanina 24 ora, ho an’ny fiangonana rehetra mihoatra ny 10 taona, na lahy na vavy, na antitra na tanora.

Fivavahana ombam-panetre-tena sy fifonana noho ny fahotana rehetra natao; fibebahana ombam-panomezan-toky hialana amin’ny ratsy fanao.

Ao anatin’ny fanetre-tena ny fankatoavana ny fepetra rehetra andidiana ny fiangonana, na dia tsy mbola takatry ny saina aza ny heviny (ohatra: akanjo fotsy sy manga).


Fanavotana: Hevitra ara-panahy (Tohiny)

Dingana faharoa

Amin’izao androntsika izao
Ny mpisorona manao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany
Mandritry ny litorjia, ny loholona rehetra, sy ny diakona, afa-tsy izay nanatanteraka ny fisoronana, dia miara-mipetraka amin’ny fiangonana fa tsy miavaka eny aloha akaikin’ny polipitra; tsy manao ny akanjo pastoraly fa manao fitafiana tsotra toy ny an’ny rehetra, ho mariky ny fanetretena sy fanekena ny fitsipika navoakan’ny mpitondra. Ny rehetra dia mangatam-pamelan-keloka sy mibebaka, ary mifamela heloka sy mifady hanina toy fiangonana manontolo.
Araka ny Tenin’ Andriamanitra tokoa, mialoha ny hanaovany fanavotana ho an’ny olon-drehetra, dia manao izany ho an’ny tenany sy ny ankohonany ny mpisorona, mba tsy hahazo azy ny tenin’i Jesosy manao hoe: « Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao. » (Mat 7:5).
Mpisorona (Pastera, Loholona, Diakona) nanamasin-tena sy mendrika hanao ny fanompoana an’Andriamanitra no manatanteraka ny fanaovam-panavotana ho an’ny olona (Lev 16:6), satria misolo an’i Kristy izy, ary koa olom-boafidin’Andriamanitra sy fanjakam-pisorona ary firenena masina ho an’i Jehovah; toy izany koa ny ankohonany.
Ny fanamasinan-tena ataony dia manatanteraka ny dingana efatra ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy. Ny fanapahana ozona tsy maintsy ataony dia hamarinin’ireto tenin’Andriamanitra ireto:
Eks 20: 4-5 « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. » (Eks 20:4) « Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eks 20:5).

Ravao ny sampin’ny razana (Mpits 6: 25)
Tsy fanapotehana ara-bakiteny intsony no atao, fa araka izay nanomezan’i Jehovah azy ny Fiangonana, dia ny “fandravana amin’ny alalan’ny vavaka sy fanondroana ary fanosorana azy amin’ny ràn’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’ondry maty sy nilevina ary nitsangana araka ny Soratra Masina”.
Ifony ny helokareo sy ny an’ny razanareo dia hatsahatr’i Jehovah ny ozona namelezany anareo hatrany amin’ny taranaka fahefatra (Lev 26: 40-42; Dan 9: 16; Neh 9: 2). Tapaho ny ozona noho ny fahadisoan’ny razana sy ny fahotany fa hamindra fo aminao Jehovah ary tsy ho tsarovany intsony ny fahotanao (Eks 20: 4-5; Isa 43: 25; Fit 5: 1-8; Heb 8: 12; 10: 17; Sal 79:8; Jer 14:20).
Fit 5:7: « Nanota ny razanay; tsy ety intsony izy; ary izahay no mivesatra ny helony. »
« Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin'i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masina, fa ny helokay sy ny fahotan'ny razanay no nahatonga an'i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin'izay rehetra manodidina anay. » (Dan 9:16)

Dingana fahatelo

Fahatokiana ny famonjen’i Jesosy Kristy
Ohatra: Nahasitranan’ilay vehivavy narary efa ela; noho ny finoany ka nanendry ny somotraviavin-damban’i Jesosy (Mat 9:20-22).
Ho an’ny fiangonana, dia ny fahatokiana sy fankatoavana ny famonjena nataon’i Jesosy Kristy tamin’ny nanolorany ny rany sy ny ainy teo ambony hazo fijaliana no antoka.
Fanolorana ny vavaka rehetra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy maty sy nilevina ary nitsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.
« Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao. » (Asa 3:16)
« Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka. » (Asa 10:43)
« Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao. » (Asa 22:16)

Dingana fahefatra

Fandroahana an’i Satana hanalavitra ny toerana masin’ Andriamanitra sy ny fiainan’ny olona (Délivrance).
·           Amin’ny fotoan’ny Fanjakana arivo toana: dia fanidiana an’i Satana any amin’ny lavaka tsy hita noanoa, mba tsy hamitahany ny firenena intsony (Apo 20:1-3).
·           Amin’izao androntsika izao:
Ny ohatra amin’ny fanavotana dia ny nanasitranan’i Jesosy ilay lehilahy azon’ny demonia tany amin'ny tanin'ny Gerasena izay tandrifin'i Galilia.
Mila miambina ny olona efa nanaovam-panavotana mba tsy ho voafitak’i Satana, sy ho lavo amin’ny fahotana efa nanadiovana azy intsony; toy izany no nataon’i Davida mpanjaka (Sal. 32:5, 51:4, 10; Levitikosy 16:7-10, 15-16, 29-30).
Tari-dalana ho fanatanterahana ny fanavotana na“délivrance
a.       Noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Jehovah dia nanafaka faobe (délivrance faobe) ny Isiraely tamin’ny fahandevozany tany Egypta.
b.      Nanome didy sy fitsipika an-tsipiriany tsy maintsy tandremana Jehovah na dia nanafaka faobe tamin’ny fahandevozana aza.
c.       Nafahin’Andriamanitra faobe tamin’ny ota sy ny tambiny isika tamin’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Ireto manaraka ireto kosa ny fitsipika an-tsipiriany handraisana ny vokatr’izany fanafahana faobe izany (Andraikitra takina amin’ny Kristiana):
              i.      Mila mankatò izany famonjena izany isika;
            ii.      Mila mahafatatra tsara Ilay Mpamonjy;
          iii.      Mila maharitra amin’ny fahamasinana sy toe-panahy araka an’Andriamanitra;
          iv.      Esory ny masirasira ela araka izay tsy maha-misy masirasira anareo, fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
            v.      Esory ny fireharehana, ny lolompo, ny fialonana, ny fitsiriritana, ny faharatsiana rehetra;
          vi.      Manàna fahadiovam-po sy fahamarinana ;
        vii.      Aza mijangajanga, na dia ao am-po ihany aza;
      viii.      Manàna fahamoram-panahy sy fahalemem-panahy;
          ix.      Manaova soa ;
            x.      Manàna fahononam-po ;
          xi.      Mandehana araka ny Fanahy mba ho velon’ny Fanahy;
        xii.      Aza avela hanjaka aminareo intsony ny ota.
d.      Voasoratra hoe: Ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. » (Gal 3:24). Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. » (Gal 3:25).
              i.      Nefa fantatrao tsara sy iainanao ve ny finoana nampianarin’ny lalàna anao?
            ii.      Ohatra: Fantatrao ve fa ny lalàna dia nampianatra haharitra amin’ny fahamasinana rehefa nafahina tamin’ny ota? (Fihinanana Mofo tsy Misy Masirasira fito andro = Maharitra amin’ny fifadiana ny ota). Noho izany,
1.      Moa ve mifady ny ota farafaharatsiny fito andro hianao :
a.       Rehefa vita ny batisa?
b.      Rehefa vita ny fanasan’ny Tompo?
c.       Rehefa vita ny Sabata?
2.      Sa miverina amin’ny fanao isan’andro, fa hadino ny fanafahana?
3.      Ny fifadian-kanina dia tokony hatao miaraka amin’ny fifadiana ny ota sy fandinihana Soratra Masina, fa tsy fiaretana hanoanana fotsiny !
e.       Manao fanafahana  faobe koa Jehovah Andriamanitra, nanafaka antsika tamin’ny finoan-diso nisy antsika taloha isika, dia ny finoana an'i Jesosy maty Zoma nitsangana Alahady, izay maty tsy araka ny Soratra Masina.
              i.      Fomba maro samy hafa no nanafahany antsika
1.      Fahasitranana tamin’ny aretina
2.      Fahafahana tamin’ny loza
3.      Fahafahana tamin’ny fatorana samihafa, toy ny toaka, sigara, fahazaran-dratsy isan-karazany, ny fonja, ets.
4.      Fanafahana tamin’ny olana samy hafa
5.      Faharesen-dahatra tamin’ny fampianarana.
6.      Fitahiana maro isan-karazany, ets.
      ii.      Rehefa tonga ato amin’ny Fiangonan’Andriamanitra Marina ary, dia izao no tsy maintsy atao mba hahazoam-bokatra amin’ny fanafahana faobe:
1.      Mianara ny an-tsipirian’ny didin’Andriamanitra toy izay tsy maintsy nataon’ny Isiraely
2.      Aza manadino an’Andria-manitra izay nanafaka anao tamin’ny loza sy ny olana ary ny aretina
3.      Mazotoa amin’ny asa fanompoana sy fampiorenana ny finoana
4.      Mamonje vondrom-bavaka
5.      Manaova asa fampandrosoana ny fiangonana
6.      Mandraisa adidy amin’ny fitiavana ny namana
7.      Mianara ny sitrapon’Andriamanitra
8.      Tapaho ny ozona hahatanteraka ny fanafahana : « délivrance » amin’ ny antsipiriany fa tsy mionona amin’ny délivrance faobe
9.      Aza manota intsony ary diovy ny tenanao ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra
10.  Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany
Izay maharitra amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy Kristy Ilay marina no masina sy mahazo ny fiainana mandrakizay, AMENA!
·           Tsy manao fanatitra biby intsony
Ny fibebahana amin’ny fo torotoro sy mangorakoraka ary ny fiderana an’Andriamanitra sy ny fanaovan-tsoa sy fiantrana no fanatitra ankasitrahan’i Jehovah. (Heb. 13: 15-16). Io fanatitra ankasitrahan’i Jehovah io dia fanamafisana fa foana ny finoana tsy misy asa (Jakoba 2:14-26). Ny ràn’ondrilahy sy osilahy ary ombilahy dia soloin’ny finoana sy fankatoavany ny fanati-panavotana sy fampihavanana nataon’i Jesosy Kristy tamin’ny tenany sy ny rany.
·           Fibebahana sy fanoloran-tena hatao batisa ary fandraisana ny Fanahy Masina ho tombo-kase no vokatr’izany ho an’ny olona. Tena ilaina ny fandravana ny sampy rehetra sy ny fialana amin’ny ratsy fanao ary ny fiverenana tanteraka amin’i Jehovah sy amin’ny fitiavana voalohany, satria izany no fanapahana ny fifandraisana nataontsika tamin’ny devoly fony mbola nanompo sampy isika na ireo razan-tsika.  Mila manohitra ny devoly isika hampandositra azy.

6.   TABERNAKELY

Ara-bakiteny
Fanamasinana ny Fetin’ny Tabernakely

ü  7 andro taorian’ny 1er Pente-kosta, Mosesy nifady hanina 40 andro sy 40 alina in-telo tao Sinay (Eks 34:1-4, 28; Deo 9:17-21).

ü  127e andro aorian’ny Pente-kosta 1er = andro 15e, Volana 7e (=Tabernakely 1er), Mosesy feno voninahitra, midina avy any an-tendrombohitra Sinay, mitondra ny Didy Folo fanindroany (Eks 34:29)
ü  Endriky ny fiverenan’i Jesosy Kristy fanindroany io!

ü  Nanomezana ny Fetin’ny Tabernakely ho lalàla mandrakizay

« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » (Lev 23:2)
« Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafito izany no hiantombohan'ny Fotoam-pivavahana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah. » (Lev 23:34)
« Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory. » (Lev 23:35)

Fanamarihana : Antsoina hoe Fetin’ny fijinam-bokatra koa ny Fetin’ny Tabernakely (Eks 23:26; 34:22), satria ankalazana ny vokatra azo tamin’ny faran’ny fahavaratra sy voalohan’ny fararano tany Palestina (Lev 23:39). Ny Fetin’ny Tabernakely, izay dingana fahenina amin’ny Planin’Andriamanitra, dia fotana firavoravoana lehibe. Tamin’ny andron’ny Zanak’ Isiraely dia Fetibe fito andro satria voangona ny tahirin-tsakafo rehetra ho amin’ny ririnina.
·           Anaty toerana tsy maharitra no ankalazana ny Fetin’ny Tabernakely (Lev 23:40, 42).
Ara-panahy
Nitandrina ny Tabernakely Jesosy

« Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely, » (Jao 7:2) « Ary rehefa   nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. » (Jao 7:14)
Andro fahavalo = Fara-fivoriana
« Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » (Jao 7:37) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jao 7:38) « Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] » (Jao 7:39)
« Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany. » (Jao 7:40)

Ny amin'ny fitsanganana voalohany sy ny arivo taona

« Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. » (Apo 20:4)
« Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. » (Apo 20:5)

« Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. » (Apo 20:6)


FANJAKANA ARIVO TAONA


« Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. » (Apo 20:4) « Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana; fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. » (Apo 20:6) « Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. » (Apo 5:10)

Mandritra ny Milenioma izay ambaran’ny Fetin’ny Tabernakely, Jesosy Kristy dia hanjaka arivo taona eto an-tany, hitondra fiadanana sy fifaliana ary fandrosoana manerana izao tontolo izao.
·        (Joe 3:1-5): [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy hitsarana ny firenena ny rehetra] :
·       « Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; » (Joe 3:1) « Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. » (Joe 3:2)
·       Ny firenena izay tsy hanaiky hankalaza ny Fety eo am-boalohany ka tsy hety hampianarina, dia ho faizina mafy (Zak 14:16-19).
·       Jesosy Kristy sy ny olom-boafidy, voaloham-bokatra, dia hampianatra ny firenena rehetra amin’ny alalana’ireo Fety isan-taona ireo amin’ny fiverenany.
·       Hahafantatra ny Planin’Andriamanitra ny firenen-drehetra ary olona an-davitrisany maro no ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra.

Eto an-tany ny Fanjakana arivo taona

Jesosy Kristy miara-monina amintsika indray.
Raha ny filahatry ny andro firavoravoana voatendry milaza ny zavatra ho avy no dinihina, dia tsy miaraka ny fanangonana ny olom-boafidy sy fanidiana an’i Satana ary ny fanombohan’ny Fanjakana arivo taona. Raha ny nitsanganan’i Jesosy no dinihina dia niakatra niseho tany amin’ny Ray Izy vao niverina nampianatra sy nanafatra ny mpianatra indray (Jao 20:16-19), avy eo vao niakatra any an-danitra miandry ny fiverenany. Ho antsika kosa dia mazava fa eto an-tany ny Fanjakana arivo taona hiarahana amin’i Kristy. Ny fanovana antsika ho fanahy kosa dia amin’ny fitsofana ny trompetra farany, mialoha ny fanidiana an’i Satana, sy ny fampandehanana ny Fanjaka arivo taona. Ny ampahany amin’ny Fanjakana dia voatantara ao amin’ny Zakaria 14, izay milaza fa Mpanjakan’ny tany rehetra i Jesosy Kristy.
Zak 14:4, 9: « Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo. » « Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany. »
Faminaniana maro no milaza fa ho Mpanjakan’ny tany rehetra Jesosy Kristy sy ny olo-masin’ny Avo Indrindra:
a) Nofin’i Nebokadinezara mpanjaka babyloniana momba ilay sariolona lehibe nopotehin’Ilay vato tsy nendahan-tanana. Izany vato tsy nendahan-tanana izany (Fanjakan’i Jesosy Kristy) dia voalaza fa tonga tendrombohitra lehibe nameno ny tany fa tsy lasa niakatra any an-danitra, izany hoe eto an-tany no manjaka mandritra ny arivo taona Jesosy Kristy sy ireo mpanaraka azy (Dan 2:35, 39-45): “nampahafantarin’Andriamanitra izay zavatra ho avy rahatrizay”.
b) Fahitan’i Daniela biby efatra = Fanjakana 4 lehibe mifandimby sy ny hitsaran’Andriamanitra azy ireo (Dan 7:1-28). « Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy. » (Daniela 7:27).

c) Daniela sy ny fanjakana Media, Persia, Grisia ary Papaly


Fanjakana nampahory ny olon’Andriamanitra.
Dan 8: 18-26: Hitsangana hanohitra ny Andrianan’ny andriana izy kanjo hotorotoro kosa nefa tsy hisy hamely azy tsinona.

d) Fanoharan’i Jesosy Kristy ny amin’ny talenta (Mat 25:14-30);
e) Fanoharana ny amin’ny farantsa folo (Lioka 19:12-28): “andrian-dahy iray (Jesosy Kristy) nandeha lavitra (any an-danitra) handray fahefana hanjaka dia hiverina” eto an-tany.
f) Handova ny tany ny malemy fanahy sy ny marina fa tsy ny lanitra! (Mat 5:5; Sal 37:11, 29).
g) Ny fanjakan’izao tontolo izao izay hanafika an’i Jerosalema no ho ravan’i Jehovah (Zak 13, 14) fa ny vahoaka dia mitoetra ka hiakatra hankalaza ny fetin’ny tabernakely isan-taona any Jerosalema (Zak 14:16).
h) Hitsara ny adin’ny jentilisa ny Zanak’Isiraely (Isa 2:1-4).
i) Hofaizina sy hariganana ireo firenena tsy mankatò mandritra ny fanjakana arivo taona: Hanorotoro ny jentilisa amin’ny tehim-by izay maharesy (Apo 2:26-27). Ny am-pahatelon’ny mponin’ny firenen-drehetra no hasiana amin’ny areti-mandringana satria miakatra hamely sy handroba an’i Jerosalema (Isa 11:4; Zak 13:1, 2, 7-9; 14:1, 2, 8-9, 12, 17-19).
« Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. » (Isa 11:4).

Hitandrina ny Fetin’ny Tabernakely ny firenen-drehetra

Ny hevitra ara-panahin’ireo faminaniana voalaza eo aloha ireo dia ny fitambaran’ny taranak’i Jakoba ho fanjakana iray indray, izay hanana ny foibe-pitondrany ao Jerosalema (Isa 11: 11-16), koa dia hiakatra any ny firenen-drehetra hianatra ny tenin’i Jehovah sy hitandrina ny Andro Firavoravoana Fitoerana amin’ny Trano Ratsan-kazo, satria ho fantatr’izy ireo fa avy any Ziona ny Mpanafaka.
« Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. » (Zak 14:16)
Vakio koa: Zak 14:16-19, Rom 11:26, Dan 7:13-14, Mik 4:1-3.

Fanagonam-bokatra lehibe ara-panahy ny Fanjanaka arivo taona


Izany indrindra no tanterahina mandritra ny fanjakana arivo taona, satria tsy hifampianatra intsony ny olona hoe: “Mahalalà an’i Jehovah, fa samy hahalala Azy tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina izy, ary ny lalàna dia ho soratana ao am-pony”.  Noho izany, fanahy maro avy amin’ny firenena samy hafa no ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra satria voavonjy mandritra ny Fanjakana arivo taona. Izany no mampitoetra ny fankalazana ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo isan-taona mandritra io Fanjakana arivo taona io, satria dia ho faizin’i Jehovah izay firenea tsy tonga miakatra isan-taona mankalaza ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo (Rom 11: 25-26, 30-31; Isaia 2: 3; 11: 9; Jeremia 31: 33; Hebreo 8: 10, 10: 16).

« Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po, dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. » (Rom 11:30-31)

Endrika hankalazana ny Fetin’ny Tabernakely

Manambara ny Fanjakana arivo toaona ny Fetin’ny Tabernakely
·       Any amin’ny toeram-pilasiana no mety hanaovana ny fitandremana ny Fetin’ny Tabenakely, misintaka sy manalavitra ny faneriterena mahazatra sy mampihemotra isan-karazany.
·       Ny Fetin’ny Tabernakely dia toy ny fisantarana ny fahafahana, sy fiadanana ary fifaliana manerana izao tontolo izao, hiseho amin’ny Fanjakana arivo taona (Milenioma), rehefa tsy afaka hanapotika intsony Satana, fa ny Fanahin’Andriamanitra kosa hitarika ny olombelona rehetra.
·       Izany fisantarana fizika izany dia andro misy firahalahiana kristiana maharitra sy mahitsy, ary fiaraha-miaina am-piadana sy malalaka.
·       Hiaraka amin’ireo koa ny Fety ara-panahy fanabeazana sy fampianarana ny làlam-piainan’Andriamanitratoy izay hiseho amin’ny fiverenan’i Kristy manerana izao tontolo izao.

Ny fianakavian’Andriamanitra manjaka

Ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hanerana ny tany rehetra, dia ho tantanan’ny Fianakavian’Andriamanitra. Raha nitory ny Fanjakan’ Andriamanitra Jesosy dia niresaka ny amin’ny Fianakavian’ Andriamanitra, sady nanazava ny fomba hahateraka ny olona ao anatiny amin’ny alalan’i Kristy.
·       Nohazavain’i Jesosy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia Fianakaviana izay azon’ny olona idirana amin’ny fahateraham-baovao, saingy amin’ny fombam-panahy fa tsy amin’ny nofo.
« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy any ambony] » (Jao 3:3) « … Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. » (Jao 3:5)

Araka izay efa hitantsika tamin’ny lesona tany aloha, Andriamanitra dia tsy zavatra tokana. Ny teny Hebreo nadika hoe Andriamanitra dia Elohim (Gen 1:1), izay teny milaza fahamaroana, midika hoe “Ireo Mahery”. Andriamanitra dia Fianakaviana, na Fanjakana misy mpikambana mihoatra ny iray.

·       Inona no modelin’ny Fanjakana noforonin’Andriamanitra ho an’ny fianakavian’olombelona?

« Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia] » (Efe 5:23) « Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia] » (Efe 5:24)
« Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. » (Efe 6:1) « Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), » (Efe 6:2)
Fanamarihana: Noforonin’Andriamanitra ho ohatra amin’ny Fianakaviany ny fianakavian’olombelona. Izany no nandidiany ny olombelona hitantana ny ankohonany amin’ny fankana ohatra amin’ny Fianakavian’Andriamanitra, izany hoe amin’ny fanekena ny baikon’ny “filoha” na ny “mpitondra”.
Ny Fianakavian’Andriamanitra dia manaraka rafitra natao hanjaka. Io rafitra io dia misy andraikitra maro isan-karazany tsy maintsy tanterahin’ny zanak’Andriamanitra, rehefa teraka amin’ny maha fanahy azy izy ireo, izany hoe rehefa mpikambana ao amin’ny Fanjakana manerana izao tontolo izao.

Ny Fanjakana lavorary anAndriamanitra

Vakio Isa 58 :12 (Hanangana ny efa rava ela)
Napetrak’Andriamanitra teto an-tany aloha ny arkanjely Losifera mba hitantana ny Fanjakan’Andraiamanitra; tsy maintsy nampaneken’i Losifera io Fanjakana io koa ireo anjely napetraky ny Mamporona niaraka taminy teto. Nitsahatra tsy niasa teto an-tany intsony anefa io Fanjakana lavorary io rehefa nikomy tamin’Andriamanitra i Losifera (izay novana anarana hoe Satana).
Tao amin’ny Saha Edena, Adama dia nomen’Andriamanitra fotoana hisolo an’i Satana amin’ny maha mpanapaka izao tontolo izao. Tsy nahomby anefa i Adama satria nadray fanapahan-kevitra ratsy. Efatra arivo taona taty aoriana dia tonga ilay “Adama farany” – Jesosy Kristy – izay nahomby tamin’ny toetra ilaina hisolo an’i Satana, noho ny fankatoavany tanteraka an’Andriamanitra. Na izany aza anefa, tsy nandray avy hatrany ny seza fiandrianana eto an-tany i Kristy. Niakatra any an-danitra Izy, ary nanorina ny Fiangonany eto an-tany tamin’ny alalan’ny Fanahiny Masina – Fiangonana izay ahafahan’ny olona marobe manana ny toetra ilaina hanjaka miaraka aminy. Sahabo ho roa arivo taona aty aoriana kosa dia hiverina eto an-tany indray Kristy hanangana ny Fanjakanan’Andriamanitra manerana izao tontolo izao (Asa 3:19-21), sady hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida rainy (Lio 1:32). Ireo olom-boavonjy, mpiara-manjaka aminy koa dia hanana ny seza fiandrianany eto an-tany (Lio 19:17, 19; Jao 14:2-3).
Tenin’Andriamanitra maro no manambara ny rafitra ara-pitantanan’ny Fanjakan’Andriamanitra manerana izao tontolo izao.
OhatraVakio daholo misesy ny toko sy andininy omena.
ü Hisolo ny fanapahana rehetra eran’izao tontolo izao mandrakizay mandrakizay ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa mijoro eto an-tany. (Apo 11:15; Zak 14:9; Apo 19:16; Jao 18:37).
ü Tsy mbola mijoro eto an-tany amin’izao fotoana izao ny Fanjakan’Andriamanitra: “Tsy avy amin’izao tontolo izao ny Fanajakan’i Jesosy Kristy”. (Jao 18:36). Efa akaiky ny Fanjakana (Mar 1:14-15). Tsy maintsy ateraka indray aloha ny olona (Jao 3:3-8; Jao 6:54). Ambasadaoron’ny Fanjakana eto an-tany ireo olona notorontoronin’ny Fanahy (Lio 17:21; 9:1-2; 10:1; Mar 16:15-16).
ü Mivavaha hahatongavan’ny Fanjakana eto an-tany (Mat 6:10).
ü Andraikitra sasany amin’ny firafitry ny Fanjakana rehefa tonga eto an-tany: Mpanjaka faratampony: Jesosy Kristy (Apo 19:16); Davida: amin’ny Zanak’Isiraely rehetra (2 Tan 13:5); Apostoly 12: amin’ny Firenena Isiraely 12 (Lio 22:28-30); Olom-boafidy: amin’ny firenena jentilisa (Apo 2:26); sns. Vakio koa: Heb 11.
ü Hanjaka avy ao Jerosalema Jesosy Kristy, ary hisolo ny fanapahana rehetra eran’izao tontolo izao ny Fanjakany mandritra ny arivo taona (Milenioma), hitondra fiadanana sy fifaliana ho an’ny olona rehetra mbola mety maty (Mik 4:1-4; Isa 11:6-9). Ny Kristiana ankehitriny dia notorontoronin’ny Fanahy Masina ary hateraka ho Fanahy amin’ny fitsanganany amin’ny maty rehefa miverina Jesosy Kristy. Noho izany, mandritry ny Milenioma dia hiara monina eto an-tany ny olona mbola nofo aman-drà sy ny olona izay efa Fanahy, ka ireto farany dia mpanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy.
ü Satana dia hesorina mandritry ny arivo taona fa soloin’i Jesosy Kristy amin’ny Fanjakana eto an-tany, ka ho feno ny Fanahy Masina ny olombelona rehetra sy hositraniny ny aretim-panahy rehetra. (Zak 14:8; Jao 7:38-39).

Voantso hanjaka sy hampianatra

ü Rehefa miverina Jesosy Kristy, dia sady hanjaka no hampianatra ny làlan’ny famonjena amin’ny olombelona. Tsy hanjaka irery anefa izy fa miaraka amin’ireo zanak’Andriamanitra teraka ho Fanahy. Ny Baiboly dia manambara mazava fa ny olona notorontoronin’ny Fanahy mandritry ny taona rehetra tamin’ny tantara, dia hateraka ho Fanahy ao amin’ny Fianakavian’Andriamanitra, ary hanjaka mandritry ny arivo taona (Milenioma) amin’ny olona mbola nofo aman-drà izay hiaina eto an-tany.
Vakio ny Apo 2:26-27; 3:21; 5:10; 20:4b; Dan 7:27.
Maro amin’ireo olom-boavonjy hiara-manjaka amin’i Kristy ireo no hanapaka tanàna betsaka na vitsy araka ny fiezahany nandritry ny fiofanany teto an-tany (Lio 19:16-19).
Misy ny olona tsy mino ny fisian’izany fanjakana hataony izany, na tsy te-hanao izany akory aza ny sasany.

ü  Ankoatry ny maha mpanjaka azy, ireo olom-mboafidy ireo dia ho mpisoron’Andriamanitra, izay hampianatra ny olona toy izay nataon’ireo mpisorona tamin’ny andron’ny Zanak’Isiraely (Apo 1:6; 5:10; 20:6).
ü Izao no asa ataon’ny mpisorona: « Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. » (Mal 2:7)
Ny fampiarana ny olombelona araka ny fomban’Andriamanitra dia ho lohalaharana ao amin’ny Fanjakana. Handray ny didy mivantana avy amin’i Kristy ireo mpanjaka ary hampihantra ny lalàn’Andrimanitra manontolo izay hitondra fiadanana sy fifaliana ho an’ny olon-drehetra.

·       Amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taona, ny Fianakavian’ Andriamanitra dia vonona ho amin’ny dingana farany amin’ny Planin’ Andriamanitra, dia Fitsarana sy Fampianarana ireo olombelona amin’ny Fitsanganana Faharoa, ambaran’ ny Fara-fivoriana.

7.   FARA-FIVORIANA NA FITSARANA FARANY

Ara-bakiteny

Tohin’ny asa tamin’ny Fetin’ny Tabernakely ny amin’ny Fara-fivoriana, saingy amin’ny lafiny hafa
« Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koafara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory. » (Lev 23:36)
“… ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.” (Lev 23:39c)
« Ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory. » (Nomery 29:35)

« Ary tamin'ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana. » (2 Tan 7:9)

« Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao Fotoam-pivavahana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao. » (Neh 8:18)

Ara-panahy

Fanombohan’ny fiainana mandrakizay ihany ho an’ny olombelona ny Fanjakana arivo taona
« Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany » (Apo 20:7) « ka   hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. » (Apo 20:8)

« Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. » (Apo 20:11)
« Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. » (Apo 20:12)
« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:13)

« Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana (Tabernakely), dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. » (Jao 7:14)
« Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » (Jao 7:37)
« Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jao 7:38)

FANAZAVANA NY AMIN’NY FARA-FIVORIANA NA FITSARANA FARANY


Ny Fety fahafito izay notendren’i Jehovah hotandreman’ny olony  no ambaran’ny Fara-fivoriana. Io Andro lehibe farany io dia manambara zavatra betsaka kokoa fa tsy iray ihany, toy ny mifanohitra amin’izay ambaran’ny Fety hafa rehetra teo alohany. Io Fety farany io no manambara ny andro Fitsarana farany sy ireo zava-mitranga manaraka ny Fanjakana arivo taona eto an-tany. Ny marina dia izao: ny Fanjakana arivo taona (Milenioma) dia fanombohana ihany amin’ny fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona. Ireo olo-masina natsangana tamin’ny fitsanganana voalohany dia nampianarina sy nomanina hanao zava-dehibe amin’ny ho avy. Toy ny fototra hanomezana fifaliana lehibe sy fahatanterahana ho avy aorian’ny Milenioma izy ireo.

Raha « mitsangana eo anoloan’ny Seza fiandriana » sy tsaraina ireo maty voalaza ao amin’ny Apo 20:12-13, dia milaza fa fitsanganana amin’ny maty izany ! Mariho koa fa io andininy faha 12 io dia milaza fa misy « boky novelarina ». Ny teny grika hoe biblia, izay nakana ny teny hoe « Baiboly », no nampiasaina eto. Noho izany – fotoana voalohany izao – no hampihiratan’ireo olona ireo ny masom-panahiny sy ny fony amin’ny Baiboly. Hanana fotoana hahazoany famonjena izy ireo – sy hisoratan’ny anarany ao amin’ny « bokin’ny fiainana ». Amin’izao « fitsaran’ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe » izao izy ireo no « hantsoina ».

Hosokafana amin’ny fahazoana tanteraka ny marina ny fanahin’izy ireo. Amin’izany fotoana izany, na dia ireo mponin’i Sodoma aza, sy ny tanana jentilisa hafa marobe izay nofitahin’i Satana tamin’ny andro taloha, dia hahazo fitsarana moramora kokoa noho ny an’ireo niara-belona tamin’i Kristy. Satria ireo jentilisa taloha ireo dia TSY NAHAFANTATRA akory izay momba an’Andriamanitra sy ny làlany. TSY AZO heverina ho tompon’andraikitra tamin’ny « fahajambany » izy ireo ! Nilaza ny amin’io fitsanganana ho amin’ny nofo aman-drà io Kristy: Mat 11: 20-24; 12: 41-42. Nanome tsiny ireo tanàna nanaovany fahagagana sy asa hafa Izy, satria nanao tsinontsinona izany fijoroany ho vavolombelona izany ireo mponina ireo. Nambarany fa raha natao tany Tyro sy Sidona ireo asa ireo, dia efa ho nibebaka marina izy ireo. Toy izany koa ny tany Sodoma sy Kapernaomy.

Ao amin’ny Mat 12:41-42, dia ampitahain’i Kristy amin’ny mponin’i Ninive sy ny fampitandremana nataon’i Jona, ary koa ny mpanjakavavin’ny Seba teo anatrehan’ny fahendren’i Solomona, ireo mpiara-belona tamin’i Kristy ireo.

Misy olona sasany antsoina ho amin’ny fitsanganana voalohany, ary ny sasany kosa tsy maintsy miandry ny fitsanganana faharoa: Apo. 20:4, 6. Ny fitsanganana voalohany dia natao ho an’izay nantsoina ho voaloham-bokatra hiara-manjaka amin’i Kristy. Saingy miaraka amin’io tombotsoa io kosa dia misy fisedrana sy fitsapana izay tsy tanty na tsy vitan’ny ankabeazan’ny olona. Ireo izay voafidy tany amin’ny andro taloha dia niaritra hatramin’ny fahafatesana. Izany no ilazany ao amin’ny andininy faha 4 toy ny hoe tsy maintsy ho tapa-doha izy ireo, izany hoe manaiky hatramin’ny fahafatesana.

Olona an-davitrisany marobe izay niaina sy maty talohan’ny nihavian’i Kristy voalohany no hatsangan’Andriamanitra amin’ny maty amin’ny fitsanganana faharoa. Ao koa ireo an-davitrisany marobe izay niaina sy maty taorian’i Kristy, sy ireo izay mbola velona ankehitriny nefa JAMBA ny masom-panahiny eo anatrehan’ny fahalalana an’Andriamanitra marina sy ny tanjony amin’ny namoronana ny olombelona. Ireo rehetra ireo dia ho entina amin’ny fahafantarana MARINA sy ny fibebahana ! Handray ny Fanahy Masina koa izy ireo, izany hoe ny tena toetran’Andriamanitra, rehefa nibebaka sy vita batisa, tahaka antsika amin’izao fotoana izao. Rehefa izany, aorian’ny taona maro dia hitombo amin’ny fitiavana sy fahalalana an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Mpamonjy izy ireo (2 Pet 3:18).

Hanana anjara amin’ny famonjena koa izy ireo, homena fiainana mandrakizay ao amin’ny Fanjakana sy ny Fianakavian’Andriamanitra. Ny fiantsoana azy ireo izany dia mbola any aoriana miohatra amin’ny antsika, saingy tsy maintsy ho tonga izany !
Amin’ny farany izany, ny olombelona rehetra dia hanana anjara manandrify azy amin’ny famonjena marina. Ny ANDRO MASINA FAHAFITO amin’ny Planin’Andriamanitra, ilay antsoina hoe « ANDRO FAHAVALO » ao amin’ny Fetin’ny Tabernakely – izay andro Fety mitokana (Lev 23:36) – no manambara io fotoana lehibe sy mahafinaritra aorian’ny Milenioma io, rehefa hahazo ny anjara hahafantatra ny MARINA ny olombelona rehetra.
Nilaza ny amin’io fotoana io Kristy ao amin’ny Jao 7 :37-38, manao hoe « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » « Izay mino* Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (*Mino = midika hoe koa Misotro ami’ny teny Malagasy)

Mandritra ny fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe dia hisokatra ny mason’IREO IZAY NIAINA REHETRA ary ho afaka mamaly* an’Andriamanitra izy sy homena ny Fanahy Masina (*Mamaly = Manaiky na mandà mandritry ny fitsarana).

Ity Fety fahafito notendren’i Jehovah ity no MAHAFENO ny jery an-kapobeny momba ny Planin’Andriamanitra amin’ny famonjena. Nisy ireo marobe tsy nahafantatra ny fomba sy fotoana hamonjen’Andriamanitra azy ireo, satria izay no Planiny, araka izay nosoratan’i Paoly ao amin’ny Rom 11 :32-33  hoe: « dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. » (Rom 11:31) « Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra. » (Rom 11:32).

100 taona ny Fitsaran’Ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe


Rehefa tapitra ny arivo taona, ireo olona atsangana amin’ny maty ara-nofo (fitsanganana faharoa) dia tsy dorana avy hatrany fa mbola omena fotoana hitsapana azy, eny hampahafantarana azy koa an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Mpamonjy ary ny Planin’Andriamanitra hamonjena ny olombelona rehetra.

Hanana fotoana hianarana ny marina sy hanampahan-kevitra hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo tsy misafidy hanaraka an’i Satana, satria na ny ratsy fanahy aza dia haharitra zato taona vao hozonina noho ny fahari-pon’Andriamanitra (Isaia 65:20). Andriamanitra Mpamonjy antsika koa dia tia ny hamonjy ny olona rehetra (1 Timoty 2: 4), sady tsy tiany hisy very fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra (2 Petera 3:9a). Raha tsy marina izany fa haringana avy hatrany ireo vao natsangana ireo dia tsy ilaina akory ny fanokafana indray ny boky (Baiboly) hampianarana ny olona sy ny boky fanoratana izay ataon’ny olona, ary ny bokin’ny fiainana.
Tsy sanatria akory Andriamanitra misalasala fa sao nanao fahadisoana ka nisy olona hadino tamin’ny nadraisany ireo voaloham-bokatra natsangana voalohany, ary izao vao hanarina ny diso, na hoe hanome vintana fanindroany ho an’ireo tsy tafita tamin’ny fitsanganana voalohany! Ny marina dia izao: ireto vao natsangana ireto dia tsy nahalala akory an’Andriamanitra marina sy ny Planin’ny famonjena, ary tsy nahafantatra an’i Jesosy Kristy marina sy ny famonjena izay nataony. Koa izao izy ireo vao mandre ny amin’izany fahamarinana rehetra izany, ary izao izy vao hanana fotoana hisoratan’ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana araka ny fahatahorany an’i Jehovah izay inoany rehefa fantany.

FAHAFATESANA FAHAROA SY FANAVAOZANA NY TAREHIN’NY TANY

Inona no zavatra hiseho manaraka ny Fitsaran’ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe? Apo. 20: 8, 13-15; Sal 104:30.
« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apo 21:8)
« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:13) « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:14) « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. » (Apo 20:15)
« Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao. » (Sal 104:30)

Ny Fahafatesana faharoa

Ankoatry ny famonjena ireo olona tsy nanana anjara tamin’ny fitsanganana voalohany, ny fitsanganana faharoa dia natao koa handringanana ireo izay nanda ny famonjena natolotr’Andriamanitra azy. Andriamanitra dia namorona ny olombelona mba hovolavolaina sy hampitomboina ho tonga zanaka ao anatin’ny Fianakavian’ Andriamanitra. Nefa nomena fahafahana mandray fanapahan-kevitra amin’ny tenany ny olombelona. Tsy maintsy misy amin’izy ireo izay hitsipaka tanteraka izany tanjon’Andriamanitra izany. Noho ny indrafon’Andriamanitra dia tsy hijaly mandrakizay ao anaty afo izy ireo mandritra ny fanjakan’Andriamanitra, fa holevonina mandrakizay kosa, toy ny tsy nisy. Ho levon’ny afo vetivety izy ireo (Mal 3:19-21), toy izay miandry an’ilay mpanakarena ao amin’i fanoharana nataon’i Jesosy (Lio 16:24). Izy ireo no ambaran’ny Apo 21:8 hoe hiharan’ny fahafatesana faharoa, aorian’ny fananganana azy tamin’ny maty.

Ny Apo 20:15 dia milaza fa raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana voalaza eo amin’ny Apo 20:12, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. Ny voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana dia ireo izay naharesy tamin’ny fotoana 6000 taona tao ambany fanjakan’i Satana, na tamin’ny fotoan’ny Milenioma, na tamin’ny fotoan’ny Fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe naharitra 100 taona. Fa ireo izay nandà ny dingana tsirairay tamin’ny Planin’ny Famonjena natolotr’Andriamanitra no hodorana ao anaty farihy afo.

Fanavaozana ny tarehin’ny tany

Aorian’ny fandringanana ny ratsy fanahy

Ny Apo 20:14 dia milaza fa ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia hatsipy ao anaty farihy afo. Rehefa levon’ny afo ny ratsy fanahy, dia hodiovina koa ny tarehin’ny tany ka ho levonin’ny afo avokoa ny asa ratsy rehetra napetraky ny olombelona mpanompo sampy nonina teo (2 Pet 3: 7, 10-12; Apo 20:11). Izany no ilay batisa amin’ny afo nolazain’i Jaona fa hataon’i Jesosy amin’ny fiverenany, (Mat 3: 11).
« efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany » (2 Pet 3:3) « fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. » (2 Pet 3:7)
« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. » (2 Pet 3:10). « Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, » (2 Pet 3:11); « sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra! [* Na: maniry mafy] » (2 Pet 3:12).

« Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Mat 3:11)
Izy no manavao ny tarehin’ny tany, araka ny teny ao amin’ny Salamo hoe: « Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao. » (Sal 104:30)

KOL 2:16. NITANDRINA NY FOTOAM-PIVAVAHANA NY JENTILISA KRISTIANA


Izao no nosoratan’i Paoly ao amin’ny Kol 2:16-17:
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol 2:16) « aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol 2:17)

Diso matetika ny fandikan’ny olona io Soratra Masina io. Inona no tena lazainy?
Miady amin’ny mpanohitra tompon-tany i Paoly. Misy mpampianatra sandoka nampiditra ny filozofian’ny fivavahany, izay fifangaroan’ny fitsipika Jiosy sy Jentilisa. Izany hevi-dison-dry zareo izany dia mifototra amin’ny fomba fanaon’ny olona sy ny fampianarana voatolotry ny razana, fa tsy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mampitandrina ny Kolosiana i Paoly hoe:

« Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy. » (Kol 2:8)

Ireo Kristiana tany Kolosy ireo dia nankatò an’Andriamanitra. Nitandrina ny Sabata sy ny andro firavoravoana ary voaloham-bolana izy ireo, ary nifaly tamin’ireo, araka ny fitsipiky ny Baiboly (Deo 16: 10-11, 13-14), izay manao hoe:

« Ary mitandrema Fotoam-pivavahana manarakaraka ireo herinandro ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian'i Jehovah Andriamanitrao anao; » (Deo 16:10) « ary mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany. » (Deo 16:11)
« Tandremo hafitoana ny Fotoam-pivavahana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao. » (Deo 16:13) « Ary mifalia amin'ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao. » (Deo 16:14)
Ireo mpanohitra dia nanameloka ny fiangonana Kolosiana tamin’ny fomba fitandremany ny andro Firavoravoana. Mariho fa tsy nitsipaka ny fitandremana ireo andro masina ireo i Paoly.

Ivereno indray ny tenin’i Paoly:
« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; » (Kol 2:16) « aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kol 2:17)

Miteny amin’ny Kolosiana i Paoly, manao hoe: aza mihaino izay fitsaran’ireo mpanohitra ireo ny amin’ny fomba fifalianareo, na ny fisotro, na ny fihinana amin’ny andro firavoravoan’i Jehovah.
Tsy ny fitandremana ny Fotoam-pivavahana no lazain’i Paoly hoe tsy azo atao, fa ny fitsikeran’ireo mpanohitra no resahiny amin’ny Kolosiana hoe aza henoina. Ny Kolosiana Kristiana, izay Jentilisa taloha (Kol 2:13), dia miara-mitandrina amin’ny Jiosy ny andro firavoravoana sy ny Sabata isan-kerinandro, sy ny voaloham-bolana, 30 taona mahery aty aorian’ny nahafatesana sy ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.
Raha tsy nitandrina ireo Fotoam-pivavahana ireo ny Kolosiana Kristiana dia tsy nanana antony hitsarana ny fihinana sy fisotro fanao miaraka amin’ny andro firavoravona ireo mpanohitra ireo.

Ny ambaran’ny teny eo amin’ny andininy faha 17 dia izao:
Aloka = tandindona. Ny tandindona dia avy amin’ny zavatra tena izy iray tarafin’ny hazavana. Tsy ahitana ny antsipirian’ny tena izy ny aloka, fa anjaran’izay mijery no mandinika ny tena izy nanome ny aloka mba hahafantarany ny andinindininy rehetra.
Zavatra ho avy = dingana manaraka amin’ny Planin’ny Famonjena.
Ireny = ny andro firavoravoana voatendry sy ny voaloham-bolana sy ny Sabata, hita ao amin’ny Planina.
Ny tenany dia an’i Kristy = ny dingana tsirairay amin’io Planina io dia izay ataon’i Kristy amin’ny fanatanterahany azy, hanovana ny olombelona hanana ny fombam-panahy rehetra ilainy’ny zanak’Andriamanitra, rehefa mpikambana ao amin’ny Fianakaviany, mandova ny Fanjakany mandrakizay.

Ny famonjena ataon’i Kristy dia tanteraka, fa misy andraikitra takiana amin’ny olombelona mba hahavoavonjy azy: tsy maintsy manaja sy mankatò ny fepetra ilaina amin’ny dingam-pamonjena rehetra izy. Hoy Jesosy: « Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. » (Jao 13:15).

FEHINY

Voalohany: Nandidy Andro Fivoriana Masina Isan-Taona Jehovah


Fihetsika manao ahoana no tian’Andriamanitra hataontsika amin’ireo Fotoam-pivavahana notendreny ireo?
Izao no baiko fototra:
« Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy » (Miverina in-3 ao amin’ny Lev 23).
Fotoana voatondro isan-taona ireo, ary ivoriantsika miaraka amin’ireo mpiray fanantenana.

Tamin’ny andron’i Nehemia, dia nila nampaherezina ny olona satria nanao tsinontsinona ny Fotoam-pivavahana izy.

Ny boky Nehemia 8 dia manambara ny fomba nitandreman’ny olon’Andriamanitra ny Fetin’ny Trompetra. Tamin’ny fivoriam-bavaka nataon’izy ireo, ny mpitarika dia nanampy ny olona hahazo tsara ny lalàna, araka izao hita izao:
(Neh 8:2, 7-8) « Dia nentin'i Ezra mpisorona ny lalàna tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito ho eo anatrehan'ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin'izay rehetra efa mahahaino. » (Neh 8:7) « Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin'izay nitoerany ihany. » (Neh 8:8) « Dia novakiny mazava ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon'ny olona tsara ny teny novakina. »

« Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin'ny lalàna. » (Neh 8:9) « Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo. » (Neh 8:10)

Tahaka ny fanao isan-kerinandro amin’ny Sabata, Andriamanitra dia nandidy fotoam-pivavahana isak’ireo Andro Masina notendreny isan-taona ireo.
Ny Mpamorona antsika dia tia izay olona mino Azy sy manaraka ny didiny rehetra an-tsitrapo (Isa 66:2). Ny marina dia izao: na isika tena mino na tsia an’Andriamanitra. Ny apostoly Jaona dia nampahafantatra ny toetra ankasitrahan’Andriamanitra raha nanoratra hoe: « Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. » (1 Jao 5:3)

Mitovy ny fiaraha-miangona fanao amin’ny Sabata sy amin’ireo Fotoam-pivavahana notendren’i Jehovah isan-taona

Nambaran’Andriamanitra tamin’ireo Kristiana voalohany ny fitovian’izay atao amin’ny fiaraha-miangona fanao amin’ny Sabata sy amin’ireo Fotoam-pivavahana notendreny isan-taona:
(Heb 10:23-25) « aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana); » « ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; » « aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro. »

Fotoana tsara indrindra hifampaherezana sy hifaporisihan’ny mpino ny Andro Firavoravoana satria manambara ny Planin’Andriamanitra ho famonjena ny olombelona rehetra, sady Sabata lehibe izany! (Jao 19:31c).

Rehefa miombom-bavaka amin’ireo andro fivoriana masina isan-taona ireo isika, dia manana fotoana hianarana bebe kokoa momba ny Planin’Andriamanitra amin’ny famonjena.

Ny Fiangonana voalohany dia nanohy nitandrina ireo andro fety isan-taona ireo araka izany fitsipika izany ihany, saingy miampy fahalalana ny hevi-panahiny bebe kokoa (Asa 2; 1 Kor 5:6-8). Nitory koa izy ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanomezana ny Fanahy Masina ho an’ny olona izay mino. Nampianariny koa ny famonjena sy fanasitranana ary famahana olana ataon’i Jesosy Kristy Izay efa any an-kavanan’ny Ray any an-danitra. Nohazavainy ny hevi-panahin’ireo Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, toy izao hita manaraka izao.

ü  Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany

« Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. » (Asa 2:1) « Ary nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: » (Asa 2:14)
« Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe: » (Asa 2:16) « Amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny zatovonareo hahita fahitana, ary ny lahiantitrareo hanonofy; » (Asa 2:17) « Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, ka dia haminany izy; » (Asa 2:18)

« Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra. » (Asa 2:32) « Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy. » (Asa 2:33) « Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. » (Asa 2:36)

« Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? » (Asa 2:37) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asa 2:38)

ü  Toriteny nataon’i Paoly tamin’ny fety Fihinanana Mofo Tsy Misy msirasira

« Tsy mety ny fireharehanareo. Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? » (1 Kor 5:6)
« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Kor 5:7) « ka dia aoka isika hanao andro firavoravoanatsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. » (1 Kor 5:8)

Ireo andro vatokana ireo dia natao hifalian’ny fianakaviana rehetra—izay rehetra manatrika! Tsindriana manokana ny amin’ny Fetin’ny Tabernakely, izay misy fotoana betsaka ho an’ny fianakaviana tsirairay, sy fotoana hialam-boly; ao koa firavoravoana noho ny fahalalana ara-panahy izay ampahafantarin’Andriamanitra.

Mba tena hifaliana tsara amin’ny fankalazana ny Andro Firavoravoan’i Jehovah, dia tsy tokony hanao ny asa fanao an-davanandro isika: mitsahatra toy ny fanao amin’ny Sabata, andro fahafito (Lev 23:3, 7-8, 21, 25, 35-36).
Mariho fa na dia miteraka asa aza ny fikarakarana sakafo hohanina amin’ny andro firavoravoana, dia ambaran’i Jehovah fa azo atao tsara izany. Nefa na izany aza, mandritra ny Andro Fanavotanaatsahatra ny asa rehetraao anatin’izany ny fandrahoan-tsakafo, fa atao mialoha izany (and 28, 30-31).

Maneho fankatoavana sy fanarahana ny didin’Andriamanitra koa isika amin’ny fandaminam-potoana any amin’ny toeram-piasana mba hahazoantsika mitandrina ny Andro Firavoravoana.
Rehefa alamina tsara sy dinihina amim-panajana miaraka amin’ny mpampiasa ny fotoana dia afaka manatrika tsara ireo andro ireo ny ankabeazan’ny mpino.
Andraikitsika ny mampiasa fahendrena sy faharetana rehefa mampahafantatra ny ankohonana izay fanapahan-kevitsika hitandrina ny andro firavoravoana.

Faharoa: Famintinana Ireo Andro Firavoravoana Isan-Taona

Ny fanarahana didin’Andriamanitra dia araka ny finoana. Hoy Paoly: « fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana; » (2 Kor 5:7)
Araka izany dia zava-dehibe amintsika ny manomboka mitandrina ny Andro Masin’Andriamanitra rehefa mianatra momba azy ireo. Na dia tsy mbola mahazo ny zava-drehetra aza isika eo am-boalohany, dia hianatra zavatra betsaka kokoa rehefa tena manomboka mitandrina azy.

Fotoam-pifaliana ho an’ny zanak’Andriamanitra ny andro firavoravoan fanao isan-taona, tsy noho ny dikany amintsika ihany, fa noho ny fanantenana entiny ho an’ny olon-drehetra. Ny fitanandremana ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah dia mampahatsiaro antsika ny fitiavan-dehibe omen’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Ny fivavahana amin’ireo andro ireo dia fifaliana sy fahafinaretana. Tena fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olony marina tokoa ireo.

Ny dingam-pamonjena harahin’izay maniry ho voaloham-bokatra ara-panahy miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia hazavaina ao amin’ny Fetin’ny Paska hatramin’ny Fetin’ny Tabernakely. Ireo tsy nanana anjara tamin’ny fitsanganana volohany kosa dia amin’ny fitsanganana faharoa vao hahafantatra ny Planin’ny Famonjena sy Jesosy Kristy Mpamonjy ary Andriamanitra marina. Ireo izay mino sy mankatò dia hovonjena fa izay tsy mino sy mandà kosa dia holevonina mandrakizay any amin’ny farihy afo.
·           Ny Paska dia manamarika ny nahafatesan’i Kristy, ho famonjena antsika.
·            Ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira, manamarika ny fivoahantsika amin’ny ota.
·            Ny Pentekosta, manambara ny fandraisantsika ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra.
·            Ny Fetin’ny Trompetra, manambara ny fivererenan’i Kristy hamonjy ny olombelona tsy ho fongotra noho ny ataony ihany, ary koa handray ireo olo-masina, voaloham-bokatry ny Fanahy nomena fiainana mandrakizay, ary hamerina ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.
·            Ny Andro Fanavotana, manambara izay hitranga amin’i Satana sy ny devoly namany aorian’ny fiavian’i Kristy indray.
·            Ny Fetin’ny Tabernakely: manambara ny Fanjakana arivo taona, fotoam-piadanana mahagaga manerana izao tontolo izao, andro famelombelomana andrasana sady tanjona antenain’ny Kristiana.
·            Ny Andro Lehibe Farany : Fitsanganana faharoa, fotoana zato taona ahazoana mianatra sy mahafantatra tanteraka an’Andriamanitra marina sy mankatò ny làlany.

·            Ireto zavatra ireto izany no hitranga aorian’ny Milenioma na Fanjakana arivo taona: Fitsanganana faharoa, arahin’ny fahafatesana faharoa ho an’ireo tsy nibebaka mihitsy; ary farany dia ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao.
Amin’izao fotoana fanombohan’ny andro farany izao, dia mety amintsika ny miezaka hanana toetra tsara mendrika ny fitsanganana voalohany mba ho isan’ny voaloham-bokatra ao amin’ny Planin’Andriamanitra ho famonjena. Io Planina io dia efa namboariny hatrany am-piandohana ary nomaniny ho mandrakizay.

Fahatelo: Ahoana ny Amin’ny Firavoravoan’ny Sabata?


Nahoana Andriamanitra no nandidy ny fitandremana ny Sabata isan-kerinandro ho isan’ny didy folo? Ary nahoana io didy io no tsy ekena saika eran’izao tontolo izao?
Ny an-kabeazan’ny tsy fahazoana sy tsy fampiharana ny didy Folon’Andriamanitra dia ny didy hoe: “Mahatsiarova ny andro sabata hanamasina azy” (Eks 20:8). Betsaka no mijery ny Sabata ho toy ny zavatra tonta mahafinaritra” teo amin’ny tantara, angamba fomba fijery tamin’ny fotoana iray taloha, tsy mahazatra intsony amin’izao andro ankehitriny feno fahasahiranana izao.

Misy mino fa ny Alahady no Sabata ary mandany ora iray na roa ao am-piangonana dia mahafeno izay lazain’ny didy Fahefatra.
Ny sasany kosa mino fa efa nofoanan’i Jesosy Kristy ny Sabata, ary nosoloina andro fitsaharana manokana, araka izay fidin’ny tsirairay ho masina hanompoany an’Andriamanitra. Betsaka no mino fa ny Apostoly Paoly na ny Fiangonana voalohany dia nanova ny Sabata ho Alahady.

Nahoana anefa Andriamanitra no nandidy andro fitsaharana iray isan-kerinandro? Manana tanjona amin’izany ve Izy? Raha eny, inona izany tanjona izany? Nahoana no misy fifangaroana toy izany amin’ny didy iray ao amin’ireo Didy 10 fototra sy lalàna nomen’Andriamanitra hitarihana ny olombelona? Nahoana no misy fifanipahana mafy toy izany amin’ny didy iray, fa toa mifanaraka sy tsy mifanditra kosa ny ankabeazan’ny olona, ao anatin’izany ny filoham-pivavahana sy ny fiangonana tarihiny amin’ny didy sivy hafa?
Mila fantarinao ny valin’ireo fanontaniana lehibe ireo. Raha tianao, vakio ny boky momba ny Sabata (FSM, Fandalinana Soratra Masina).

Fahefatra: Ny Farihy Afo na Helo sy ny Fahafatesana faharoa


Aorian’ny fitsarana farany no hisy ny fahafatesana faharoa; midika izany fa aorian’ny fitsanganana faharoa, izay aorian’ny fanjakana arivo taona koa.

« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apo 21:8)
« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:13)

Ny fahafatesana faharoa dia fahafatesana mandrakizay, tsy misy fitsanganana intsony. Olona nofo aman-drà ireo dorana any ireo, ka holevon’ny afo!

Aorian’ny fanjakana arivo taona no hanadiovana ny tarehin’ny tany amin’ny afo.

« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Pet 3:10).

Ireo fahavalon’i Kristy roalahy (Satana sy ny mpaminany sandoka) sy ireo olona tsy nety nibebaka mihitsy dia hatsipy any amin’ny farihy afo amin’ny fiverenan’i Kristy.

« Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. » (Apo 19:20)
« Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. » (Apo 20:15)

Ho levon’ny afo toy ny lavenona ireo olona tsy nibebaka ireo

« Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. » (Mal 3:19) « Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; [Heb. elany] » (Mal 3:20) « ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Mal 3:21)

Hatsipy any amin’ny farihy afo ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita

« Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:14)

Izao no hevitr’izany: Ireo olona tsy nibebaka fa nandà an’Andriamanitra ihany no olona mety maty halefa ao anatin’io afo io mandritry ny fitsanganana faharoa. Noho izany, dia hitsahatra tsy hisy intsony ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita rehefa tapitra nirehitra ireo mety maty tsy nibebaka ireo!

Ahoana ny amin’i Satana sy ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka?

« Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo. » (Apo 20:10)

Satana dia fanahy, ary tsy levon’ny afo na mandre maharary sy mijaly amin’ny maha ao anaty afo azy. Fantastika koa fa tsy hirehitra mandrakizay ny afo rehefa levona izay olona sy “kitay” mampirehitra azy. Ny fahoriam-panahy no hanjò an’i Satana mandrakizay satria tsy hahita olona hofitahiny sy hampijaliany intsony, sady very maina ny ezaka nataony nandritry ny taona arivony maro!
Ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka kosa dia tsy mijaly ao amin’ny afo mandrakizay fa may sy levona mandakizay izy ireo.

Fahadimy : Ny Lanitra Vaovao sy ny Tany Vaovao


(1) Inona no zavatra hitranga manaraka rehefa voadio tamin’ny afo ny Tany ? Apo 21:1. « [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. »

Fanamarihana: Ny teny izay voasoratra ao amin’ny Apo 21:1, dia milaza fa tsy mila ranomasina hanohana ny fiainana fizika intsony ny Tany Vaovao sy ny Lanitra Vaovao. “Olona” araka ny fanahy ihany no honina eto an-tany amin’izany fotoana izany.

(2) Amin’izany fotoana izany, hidina eto an-tany va ny seza fiandrianan’Andriamanitra izay any amin’ny lanitra fahatelo ankehitriny, ary honina eto an-tany va Andriamanitra Ray ? Apo. 21: 2-3.
« Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (Apo 21:2) « Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » (Apo 21:3)

« Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. » (Apo 21:4) « Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. » (Apo 21:5)
(3) Voalaza any amin’ny toeran-kafa ao amin’ny Baiboly ankoatry ny boky Apokalypsy koa va ny amin’ny Tany Vaovao sy ny Lanitra Vaovao ? Isa. 65: 17-19; 66: 22; 2Pet 3: 13.
« Fa, indro, Izaho mahary Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. » (Isa 65:17) « Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. » (Isa 65:18) « Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina. » (Isa 65:19)
« Fa tahaka ny Lanitra Vaovao sy ny Tany Vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany ny haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo. » (Isa 66:22)
« Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. » (2 Pet 3:13)
(4) Toy inona no refin’ny Tanana Masina, dia Jerosalema Vaovao izay midina avy any an-danitra ? Apo. 21: 12-17.
« ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin'ny folo izy, ary eo amin'ny vavahady dia misy anjely roa ambin'ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an'ny firenena roa ambin'ny folo amin'ny Zanak'Isiraely; » (Apo 21:12)
« eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo. » (Apo 21:13)
« Ary ny màndan'ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin'ny folo, ary misy anarana roa ambin'ny folo koa eo, dia ny an ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry. » (Apo 21:14)

« Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany. » (Apo 21:15) « Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadioMitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony. » (Apo 21:16)
« Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin'ny olona, dia ny an'ny anjely. » (Apo 21:17)

Fanamarihana: Ny refin’ny lafiny iray dia 12000 stadio, izany hoe 1500 maily na 2778 km (1 maily = 1852 m). Mihoatra ny halavan’i Madasikara manelanelana ny tendrony roa antsimo sy avaratra ny lavany sy ny sakany ary ny haavon’ny Tanana.
Ny andininy faha 16 dia milaza fa mitovy ny halavany sy ny sakany ary ny haavony, izany hoe toy ny kioba goavam-be io tanana io.

FAMINTINANA : Araka ny fanampiana sy fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra antsika amin’ny zavatra nataony ho masina sady miafina, isika dia tokony hifantoka amin’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao izay hotanterahin’Andriamanitra.
Izao no voasoratra« Isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza. » (1 Kor 2:10) « Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. » (2 Pet 3:13)



TOVANA

1.           ANARAM-BOLANA JIOSY SY GREGORIANA

No
JIOSY
GREGORIANA
1.        
Abiba na Nisana. Eks 13:4; Est 3 :7
Mars-Avril
2.        
Ziva (Iyar). Gen 7 :1 ; 1Mpanj 6 :1
Avril-Mai
3.        
Sivana. Eks 19 :1 ; Est 8 :9
Mai-Juin
4.        
Fahefatra (Tammuz). 2Mpanj 25 :3
Juin-Juillet
5.        
Fahadimy (Av). Nom 33 :38
Juillet-Août
6.        
Elola (Ellul). Nom 5 :15
Août-Septembre
7.        
Etanima (Tishri). 1Mpanj 8 :2
Septembre-Octobre
8.        
Bola (Chechvan). 1Mpaj 6 :38
Octobre-Novembre
9.        
Kisleva. Zak 7 :1
Novembre-Décembre
10.     
Tebeta. Est 2 :16
Décembre-Janvier
11.     
Sebata (Ch’vat). Zak 1 :7
Janvier-Février
12.     
Adara. Est 3 :7
Février-Mars

2.           ANDRO FIRAVORAVOANA AO AMIN’NY TESTAMENTA VAOVAO


Fivoriana masina
Testamenta Taloha
Testamenta Vaovao
Paska
Lev 23:5
Mat 26:2, 17-19; Mar 14:12-16; Lio 2:41-42; 22:1, 7-20; Jao 2:13, 23; 6:4; 13:1-30; 1Kor 11:23-29
Mofo Tsy Misy Masirasira
Lev 23:6-8
Mat 26:17; Mar 14:12; Lio 2:41-42, 22:1,7; Asa 2:1-21; 20:16; 1Kor 5:6-8
Pentekosta
Lev 23:15-22
Asa 2:1-21; 20:16; 1Kor 16:8
Fitsofana Trompetra
Lev 23:23-25
Mat 24:30-31; 1Tes 4:16-17; Apo 11:15
Fanavotana
Lev 23:26-30
Asa 27:9
Tabernakely
Lev 23:33-43
Jao 7:1-2, 8, 10, 14; Asa 3:19-23; 18:21
Fara-fivoriana
Lev 23:36
Jao 7:37-38
Ny Fitsofana trompetra dia tsy voalaza mivantana ao amin’ny Testamenta Vaovao, fa ny foto-kevitr’io Fivoriana masina io – Fitsofanany trompetra manambara ny fiverenan’i Kristy – dia voalazan’ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao araka ireo toko sy andininy ireo.

3.   KALANDARIN’NY ANDRO FIRAVOAVOANA 2018-2026

Source: www.ucg.org: Holy Day Calender

2018                                                 Daty
Paska *++                                         Marsa 30
Mofo Tsy Misy Msirasira *              Marsa 31-Aprily 6
Pentekosta*                                      May 20
Fitsofana Trompetra*                       Septambra 10
Andro Fanavotana*                          Septambra 19
Fetin’ny Tabernakely*                     Septambra 24-30
Fara-Fivoriana*                                Oktobra 1
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha    

2019                                                 Daty
Paska *++                                         Aprily 19
Mofo Tsy Misy Masirasira *             Aprily 20-26
Pentekosta*                                      Jona 9
Fitsofana Trompetra*                       Septambra 30
Andro Fanavotana*                          Oktobra 9
Fetin’ny Tabernakely*                     Oktobra 14-20
Fara-Fivoriana*                                Oktobra 21
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha    

2020                                                 Daty
Paska *++                                         Aprily 8
Mofo Tsy Misy Masirasira *             Aprily 9-15
Pentekosta*                                      May 31
Fitsofana Trompetra*                       Septambra 19
Andro Fanavotana*                          Septambra 28
Fetin’ny Tabernakely*                     Oktobra 3-9
Fara-Fivoriana*                                Oktobra 10
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha    

2021                                                 Daty
Paska *++                                         Marsa 27
Mofo Tsy Misy Masirasira *             Marsa 28 - Aprily 3
Pentekosta*                                      May 16
Fitsofana Trompetra*                       Septambra 7
Andro Fanavotana*                          Septambra 16
Fetin’ny Tabernakely*                     Septambra 21-27
Fara-Fivoriana*                                Septambra 28
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha    

2022                                                 Daty
Paska *++                                         Aprily 15
Mofo Tsy Misy Masirasira *             Aprily 16-22
Pentekosta*                                      Jiona 5
Fitsofana Trompetra*                       Septambra 26
Andro Fanavotana*                          Oktobra 5
Fetin’ny Tabernakely*                     Oktobra 10-16
Fara-Fivoriana*                                Oktobra 17
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha       

2023                                                 Daty
Paska *++                                         Aprily 5
Mofo Tsy Misy Masirasira *             Aprily 6-12
Pentekosta*                                      May 28
Fitsofana Trompetra*                       Septambra 16
Andro Fanavotana*                          Septambra 25
Fetin’ny Tabernakely*                     Septambra 30-Oktobra 6
Fara-Fivoriana*                                Oktobbra 7
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha       

2024                                                 Daty
Paska *++                                         Aprily 22
Mofo Tsy Misy Masirasira *             Aprily 23-29
Pentekosta*                                      Jiona 16
Fitsofana Trompetra*                       Oktobra 3
Andro Fanavotana*                          Oktobra 12
Fetin’ny Tabernakely*                     Oktobra 17-23
Fara-Fivoriana*                                Oktobra 24
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha    

2025                                                 Daty
Paska *++                                         Aprily 12
Mofo Tsy Misy Masirasira *             Aprily 13-19
Pentekosta*                                      Jiona 1
Fitsofana Trompetra*                       Septambra 23
Andro Fanavotana*                          Oktobra 2
Fetin’ny Tabernakely*                     Oktobra 7-13
Fara-Fivoriana*                                Oktobra 14
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha    


2026                                                 Daty
Paska *++                                         Aprily 1
Mofo Tsy Misy Masirasira *             Aprily 2-8
Pentekosta*                                      May 24
Fitsofana Trompetra*                       Septambra 12
Andro Fanavotana*                          Septambra 21
Fetin’ny Tabernakely*                     Septambra 26-Oktobra 2
Fara-Fivoriana*                                Oktobra 3
* Manomboka ny hariva mialoha
++ Tandremana ny hariva mialoha

Ny saotra sy voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay anie ho an’i:
Jesosy Kristy, Ilay Vavolombelona Marina, manana Maso toy ny Lelafo, sy Sabatra Maranitra Roa Lela

Hifandray:
UCG MADAGASCAR


Faritra Afrika Atsinanana